bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Job 7
Job 7
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 8 →
1
Mafy tahaka ny asa fanompoana ny fiainan’ny olombelona eto an-tany; ary toy ny andron’ny mpikarama no mahamàzana ny androny.
2
Toy ny mpanompo mba maniry alokaloka izy na tahaka ny mpikarama miandry ny karamany.
3
Toy izany koa no nanjo ahy am-bolana maro nahitam-pahoriana ary alina nifandimby nizakam-pijaliana.
4
Raha vao mandry aho, dia manao anakampo hoe: «Rahoviana aho no hifoha?» Fa tsy mety tapitra ny alina, ary mivadibadika aho mandra-maraina.
5
Olitra sy hatina mifangaro vovoka no mandrakotra ny tenako manontolo; miempaka sady mandeha nana ny hoditro.
6
Mandalo sy lany tsy misy fanantenana ny androko, eny, mandalo faingana noho ny famahanan-tenona.
7
Mba tsarovy, Andriamanitra ô, fa tsio-drivotra miserana ny aiko; tsy hahita fahasambarana intsony ny masoko.
8
Ny masonao izay nijery ahy dia tsy hahita ahy intsony; rehefa hizaha ahy ianao, dia tsy ho eo intsony aho.
9
Ny rahona, rehefa misava, dia levona: toy izany koa izay midina any an-toeran’ny maty dia tsy mba hiakatra avy any intsony.
10
Tsy hiverina any an-tranony intsony izy, ary tsy hahalala azy intsony ny fonenany.
11
Koa tsy hamehy vava hangina intsony aho, fa misefosefo mafy ka tsy maintsy hiteny ary tezitra anaty ka voatery hitaraina.
12
Moa ve Ranomasimbe aho sa Dràgon-dranomasina no dia ataonao tsara ambina, Andriamanitra ô?
13
Raha ilay mandry eo am-parafara iny aho ka mba manantena hahita fitoniana sy fampiononana,
14
dia tonga ianao mampitahotra ahy amin’ny nofiratsy, ary mampihorohoro ahy amin’ny fahitana.
15
Ka dia aleoko kendainao ho faty toy izay mitofezaka misarin-kàrana.
16
Tsy tantiko intsony, fa tsy ho velona ela aho. Zava-poana ihany ny androm-piainako! Koa avelao hilamina amin’izao aho.
17
Inona moa ny olona no dia omenao lanja lehibe ka andrianin’ny fonao aoka izany?
18
Tonga mitsidika azy isa-maraina ianao sady mizaha toetra azy tsy an-kiato.
19
Rahoviana no hitsahatra ny fijerenao ahy mba hamelanao ahy vetivety hitelin-drora?
20
Na dia ho nanota aza aho, nampaninona anao moa izany, ry Mpiambina ny olombelona ô? Nahoana no dia nataonao lasibatra aho? Efa tonga enta-mavesatra ho anao ve aho?
21
Nahoana no tsy avelanao ny fahadisoako ary tsy esorinao ny heloka vitako? Fa indro efa ho faty aho ka handry eo amin’ny vovoka; ary hitady ahy fatratra Ianao saingy efa tsy izy intsony aho amin’izay.
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42