bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Job 33
Job 33
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 32
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 34 →
1
Meteza ianao, ry Jôba, hihaino ny kabariko ary mampandria sofina amin’ny teniko rehetra.
2
Indro efa hanoka-bava aho fa efa mby eo an-delako ny teny.
3
An-kitsimpo tanteraka no hitenenako ka dia hilaza ny tena marina aho.
4
Fa Fanahin’Andriamanitra no nahariana ahy ary fofonain’ilay Tsitoha no mamelona ahy.
5
Valio aho, raha azonao atao; omany ny fotokevitrao, ka mifanatreha amiko.
6
Fa mitovy isika eo anoloan’Andriamanitra: tanimanga no samy namolavolana antsika.
7
Ny tahotra ahy tsy mampihontsona anao, ary ny fahefàko tsy mitambesatra aminao.
8
Reko ary mbola ato an-tsofiko ny feon’ny teninao manao hoe:
9
«Tsy manan-tsiny aho ary tsy manan-keloka, madio ary tsy manam-pahadisoana.
10
Nefa Andriamanitra dia mbola mahita zavatra hokianina amiko ihany ary mihevitra ahy ho fahavalony.
11
Tsy mamela ahy handeha an-kalalahana Izy fa mitsikilo ny fihetsiko rehetra.»
12
Izany, hoy aho, no mahadiso anao, ry Jôba; satria lehibe loatra Andriamanitra hany ka tsy azon’ny olona ifanandrinana.
13
Koa nahoana Izy no iadianao rehefa tsy mamaly izay fanontanianao?
14
Na dia miteny aza Andriamanitra ka mamerimberina izany, dia tsy misy miraika.
15
Rehefa sondrian-tory amin’ny alina ny olona ka renoka tanteraka eo am-pandriany, dia amin’ny nofy sy fahitana no fomba itenenan’Andriamanitra;
16
anaovany fanambaràna ireo amin’izay, ary asiany tombokase ny fampitandremany,
17
mba hampiala azy amin’ny fanaony sy hampifady azy ny fiavonavona.
18
Toy izany no iarovan’Andriamanitra ny olona tsy ho hankany amin’ny fahaverezana ary amonjeny ny ainy tsy hiharan-tsabatra.
19
Anarin’Andriamanitra koa izy amin’ny fanaintainana eo am-pandriana rehefa ampangovitin’ny tazo tsy misy farany.
20
Mankaloiloy azy ny sakafo amin’izany; tsy mampahazoto homana azy izay hanim-py.
21
Mihamahia izy ka ny nofony tsy misy hojerena; fa ny taolany tsy hita taloha no mitranitrany.
22
Efa mihamanatona ny fasana izy, ary ny ainy efa ho an-tanan’ny mpaka azy.
23
Raha misy anjely iray ao anatin’ny arivo tonga mba hanampy io olona io ka hampahafantatra azy ny adidiny,
24
dia hiantra azy ilay anjely ka hanao amin’Andriamanitra hoe: «Aza avela hidina any am-pasana izy, fa efa nahita avotra ho azy aho.»
25
Dia hihatanora indray ny tenan’ilay narary teo ka hiverina amin’ny andro mahazatovo azy.
26
Mivavaka amin’Andriamanitra izy ary mahazo sitraka aminy; am-piravoravoana no anatrehany tava an’Ilay manolotra fahafahana ny olona.
27
Hihira izy ka hilaza amin’ny besinimaro hoe: «Efa nanota aho fa nandika ny rariny; nefa tsy arakaraka ny nataoko no namaizan’Andriamanitra ahy.
28
Nanavotra ahy tsy hidina any am-pasana Izy ka velona sy mahita ny mazava aho!»
29
Izany rehetra izany no ataon’Andriamanitra indroa na intelo tamin’ny olona,
30
mba hamerenany azy tsy ho any am-pasana sy hanazavany azy amin’ny fahazavan’ny velona.
31
Tandremo, ry Jôba, ka henoy tsara aho; mangina kely aloha fa izaho mbola hiteny.
32
Kanefa raha manana havaly ianao, dia lazao; mitenena, fa satriko hanana ny marina ianao.
33
Raha tsy misy havalinao kosa, dia henoy aho; mangina tsara ianao, fa hampianariko fahendrena.
← Chapter 32
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 34 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
Recommended Reading
Commentary
Job Commentaries
→
Devotional
Job Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (DIEM PROTESTANTA) Study Bible
→