bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Job 6
Job 6
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 7 →
1
Dia namaly i Jôba ka nanao hoe:
2
Raha mba azo nolanjaina ny fahasosorako ka natao teo ambony mizana miaraka amin’ny fahoriako,
3
dia ho navesatra noho ny fasi-dranomasina; Izany no nahatonga ahy hiteniteny foana.
4
Fa mitsatoka amiko ny zana-tsipîkan’ny ilay Tsitoha, ka miely amin’ny tenako ny poiziny. Ary alahatr’Andriamanitra hamely ahy izay rehetra mety ho fampitahorana.
5
Maneno ve ny borikidia, raha eo anoloan’ny ahi-maitso? Ary mimàma ve ny omby, raha mihinam-bilona?
6
Azo hanina tsy misy sira ve ny sakafo matsatso? Ahitan-tsirony ve ny tapotsin’atody manta?
7
Tsy mahatelina ireo ny tendako, satria sakafo maharikoriko ahy,
8
Enga anie ka ho to ny faniriako ary hotanterahin’Andriamanitra ny fanantenako!
9
Ho sitrak’Andriamanitra anie ny hanorotoro ahy; hoesoiny anie ilay tànam-piarovany mba hanaperany ny aiko.
10
Hibita-kafaliana aho na dia omba-ngirifiry mazana aza ary hahita fiononana ahay amin’ny hoe: tsy mba nandika ny didin’Andriamanitra masina.
11
Fa tsy manan-kery azoko antenaina aho; inona intsony no mbola iaretako, raha tsy misy tanjona iafarako!
12
Moa vato ve aho ka hahatanty ny zava-drehetra? Moa mafy toy ny varahina ve ny tenako?
13
Foana ilay fanampiana mba nandrandrain’ny tenako, fa nesorina tamiko izay mety ho famonjena ahy.
14
Tokony hiantran-tsakaiza ny olona efa ketraka, fandrao tsy hifikitra intsony amin’Andriamanitra Tsitoha izy.
15
Nanodoka ahy toy ny ranotrambo ny rahalahiko, dia tahaka ny mason-dranon-driaka malaky ritra,
16
itosahan’ny rano matromatroka ny riaka, rehefa miempo ny ranomandry sy oram-panala any erà.
17
Fa nony tonga ny hafanambe, dia ritra ireny ranon-driaka ireny; ary nony midanika ny masoandro, dia manjavona ho azy am-pitoerana izy.
18
Izany no mampivily lalana ny andia-mpifindralasy, ka irosoany any an-taniefitra sy mahavery azy.
19
Na andia-mpifindralasy avy any Temà na andia-mpandranto avy any Sebà dia samy mitazana ny riaka ary samy manantena azy.
20
Diso fanantenana ireo satria samy nanampo, kanjo nangaihay nony tonga teo.
21
Efa toy izany ianareo izao ho an’ity sakaizanareo; hitanareo ny fahavoazako ka dia natahotra ianareo.
22
Efa nangata-panomezana taminareo ve aho na niangavy hahafoizanareo ampaham-pananana,
23
mba hamonjena ahy amin’ny tanan’ny fahavalo sy hanafaka ahy amin’ny vahohon’ny mpampahory?
24
Ampianaro aho fa vonona ny hangina ary ampahafantaro ahy ny nahadisoako.
25
Ny teny marina tsy mba mandratra; fa mba inona izay fanomezan-tsiny ataonareo?
26
Hanome tsiny ahy noho ny teniko ve ianareo? Kanefa natao hoentin-drivotra ireny tenin’olona mamoy fo ireny.
27
Ny kamboty aza moa ataonareo antoka loka; ary sahinareo amidy hatramin’ny sakaizanareo.
28
Ankehitriny mba meteza hijery ahy kely hahitanareo fa tsy mandainga aho akory.
29
Diniho indray ange ka aza mitsara tsy marina e! Eny, diniho indray fa hiharihary ny fahamarinako.
30
Misy fitaka ve izay nolazaiko? Sa izaho no tsy mahay manavaka ny ratsy?
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
Recommended Reading
Commentary
Job Commentaries
→
Devotional
Job Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (DIEM PROTESTANTA) Study Bible
→