bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Job 14
Job 14
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 15 →
1
Ny olona natera-behivavy dia fohy andro iainana sady vontom-pahoriana.
2
Tahaka ny voninkazo izy, mora maniry nefa mora malazo; ary tahaka ny aloka ihany izy, mihelina fa tsy maharitra.
3
Kanefa dia ny toy izany, Andriamanitra ô, no anokafanao ny masonao! ary dia ny tenako izao no entinao hifandahatra aminao am-pitsarana.
4
Misy madio ateraky ny tsy madio ve? Tsy misy na dia iray akory aza.
5
Koa satria voafaritra ny androm-piainan’ny olona, voatendrinao ny isan’ireo volana hahavelomany, ary nasianao fetra tsy azony ihoarana,
6
dia midifia tsy hanatrika azy Ianao, mba hahazoany maka aina kely sy mifaly toy ny mpikarama finaritra amin’ny fotoam-piatoany.
7
Fa mbola misy antenaina amin’ny hazo satria na dia kapaina aza izy, dia mbola haniry indray ka hanome solofo hatrany.
8
Na dia antitra ao amin’ny tany aza ny fakany ka efa maty mihosim-bovoka ny fotony,
9
dia hitsimoka indray izy raha sendra rano ary hisandrahaka toy ny vao nambolena.
10
Fa ny olona kosa maty dia manjavona; ary aiza moa izy, rehefa miala aina?
11
Mety hisintona ny rano amin’ny farihy, ary ho ritra ny ony ka ho maina;
12
dia toy izany koa ny olona rehefa maty, mandry izy ka tsy hitsangana intsony; raha mbola maharitra ihany ny lanitra, dia tsy ho tafafoha intsony ireo ary tsy ho voafoha amin’ny torimasony.
13
Andriamanitro ô, raha mba nafeninao tany amin’ny toeran’ny maty aho ka notoloranao fialofana hiereko mandra-pitony ny fahatezeranao! ka aorian’izay dia hahatsiaro ahy Ianao!
14
Nefa moa ho velona indray va ny olona maty? Raha izany dia ho niandry isan’andro aho mandritra ny fotoana manontolo fanompoako, mandra-pahatonga ny famotsorana ahy.
15
Amin’izay dia hamaly aho rehefa hiantso ahy Ianao ka haneho fangorahana ny tenako izay arin-tananao.
16
Ankehitriny Ianao manisa ny diako hiarovana ahy, koa tsy hitsikilo ny fahotako intsony.
17
Ho voaafinao an-kitapo misy kase ny fahadisoako ary ho voasaronao tanteraka ny heloko rehetra.
18
Fa ny tendrombohitra aza mikoa ka levona ary ny vatolampy voaongotra amin’ny toerany.
19
Ny vato aza ho voakikin’ny rano ary ny tany hindaosin’ny riaka. Dia toy izany no andravanao ny fanantenan’ny olona ho velona.
20
Lavonao amin’ny tany izy ka lasana ary simbanao ny endriny ka voailikao izy.
21
Omem-boninahitra ny zanany, nefa tsy fantany; ary tonga afa-baràka ireo, nefa tsy hitany.
22
Ny hany tsapany dia ny fanaintainan’ny nofony; ny hany isaonany dia ny fahoriam-panahiny.
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 15 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42