bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Job 13
Job 13
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 14 →
1
Indro ny masoko efa nahita izany rehetra izany, ary ny sofiko efa nandre ka nahafantatra.
2
Izay fantatrareo, mba fantatro ihany koa; ary tsy manaiky ho ambany noho ianareo aho.
3
Fa izaho kosa hiteny amin’Andriamanitra Tsitoha, satria Izy no tiako hitarainana.
4
Fa ianareo dia mpamoron-dainga, dokotera tsy mahasitrana avokoa.
5
Tsara kokoa ho anareo ny mangina tanteraka, fa ho mariky ny fahendrenareo izany.
6
Mba henoy ange ny fiarovan-tenako ary ataovy izay handrenesanareo ny fanoherana aloaky ny vavako.
7
Fanompoana an’Andriamanitra ve no anaovanareo lahateny tsy mitombina? Fimasoana Azy ve no ilazanareo fitaka?
8
Hiandany aminy ve ianareo ka handahatra hisolovava Azy?
9
Ho tsara ve ny hizahany anareo akaiky? Tsy mba olombelona Andriamanitra ka ho azonareo fitapitahina.
10
Hahazo tsiny marimarina aminy ianareo, raha miangatra na dia mangingina aza.
11
Tsy mampihorohoro anareo ve ny fahalehibeazany? Tsy mianjady aminareo ve ny fahatahorana Azy?
12
Toy ny lavenona manidina ihany ny ohabolana ataonareo, ary manda fotaka ihany ny hevi-dalinareo.
13
Mangina ianareo fa anjarako izao no miteny; ary tsy mampaninona izay hanjo ahy any.
14
Vonona amin’ny zavatra rehetra aho, na dia hihatra amin’ny aiko aza izany.
15
Na dia hamono ahy aza Andriamanitra, dia tsy mampaninona; fa efa very ny fanantenako. kanefa mbola hiaro tena eo anatrehany ihany aho.
16
Izany indrindra no fandresena ho ahy, satria ny mpihatsaravelatsihy dia tsy sahy hifanatrika aminy.
17
Koa mba henoy tokoa ny teny lazaiko; ary aoka mba ho ren’ny sofinareo izay ambarako.
18
Indro efa namelabelatra ny adiko aho, satria fantatro fa hanan-drariny ny tenako.
19
Moa misy te hifanandrina amiko ny amin’izany? Fa hangina sy ho faty aho, raha toa ka diso.
20
Zavatra roa no aza atao amiko, Andriamanitro ô, dia tsy hiafina intsony ny tavanao aho:
21
Esory amiko aloha ny tananao izay mampahory ahy; ary aoka tsy hanjohy ahy intsony ny fampitahoranao.
22
Avy eo miantsoa ahy hofotorinao fa hamaly aho; na izaho aloha no hiteny, izay Ianao vao mamaly.
23
Firy àry ny heloka amam-pahotako? Ampahafantaro ahy izay fiodinana amam-pahadisoako.
24
Nahoana no manafina ny tavanao Ianao, ka mandray ahy ho toy ny fahavalonao?
25
Iza àry no hazainao? Izay ravin-kazo manidina ve! Ary zovy no enjehinao? Izay mololo maina ve!
26
No dia didim-pitsarana mangidy loatra no soratanao hamelezana ahy, ka ampanodiavinao ahy mbamin’ny heloky ny fahatanorako.
27
Dia manisy gadra ny tongotro Ianao sy manara-maso ny fihetsiko rehetra ary mitsikilo hatramin’ireo dian-tongotro.
28
Kanefa mihalevona toy ny hazo boboka ny aiko, mova tsy toy ny fitafiana lanin’ny kalalao.
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42