bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Genesis 1
Genesis 1
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 2 →
1
Tamin’ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.
2
Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary haizina no teo ambonin’ny lalina. Ary ny Fanahin’Andriamanitra nanomba teo ambonin’ny rano.
3
Ary Andriamanitra niteny hoe: Misia mazava! Dia nisy mazava.
4
Ary hitan’Andriamanitra fa tsara ny mazava ka nosarahin’Andriamanitra ny mazava sy ny maizina.
5
Ary nataon’Andriamanitra hoe andro ny mazava; ary ny maizina dia nataony hoe alina. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro voalohany.
6
Ary Andriamanitra niteny hoe: Misia habakabaka eo anelanelan’ny rano, ary aoka izany no hampisaraka ny rano amin’ny rano!
7
Ary Andriamanitra nanao ny habakabaka ka nanasaraka ny rano ambanin’ny habakabaka tamin’ny rano ambonin’ny habakabaka. Dia nisy izany.
8
Ary nataon’Andriamanitra hoe lanitra ny habakabaka. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro faharoa.
9
Ary Andriamanitra niteny hoe: Aoka hiangona ho eo amin’ny toerana iray ny rano izay eny ambanin’ny lanitra, ary aoka hiseho ny maina! Dia nisy izany.
10
Ary nataon’Andriamanitra hoe tany ny maina; ary nataony hoe ranomasina ny rano tafangona. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
11
Ary Andriamanitra niteny hoe: Aoka ny tany haniry ahitra sy anana mamoa ary hazo fihinam-boa eny ambonin’ny tany, izay mamoa, samy araka ny karazany avy, ka ao anatiny ny voany! Dia nisy izany.
12
Ary ny tany dia naniry ahitra sy anana mamoa, samy araka ny karazany avy ary hazo mamoa ka ao anatiny ny voany, samy araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
13
Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahatelo.
14
Ary Andriamanitra niteny hoe: Misia fanazavana eny amin’ny habakabaky ny lanitra hampisaraka ny andro sy ny alina. Aoka ho famantarana ny andro firavoravoana samihafa, ny andro ary ny fizaran-taona ireo,
15
dia aoka ho fanazavana eny amin’ny habakabaky ny lanitra izy hanazava eny ambonin’ny tany! Dia nisy izany.
16
Ary Andriamanitra nanao ny fanazavana roa lehibe, dia ny fanazavana lehibe ho mpanapaka ny andro, ny fanazavana kely ho mpanapaka ny alina ary ny kintana.
17
Ary Andriamanitra nametraka azy ireo eny amin’ny habakabaky ny lanitra mba hanazava eny ambonin’ny tany
18
sy ho mpanapaka ny andro sy ny alina ary hampisaraka ny mazava sy ny maizina. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
19
Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahefatra.
20
Ary Andriamanitra niteny hoe: Aoka ny rano ho be zavamananaina; aoka hisy vorona hanidina eny ambonin’ny tany, eny amin’ny habakabaky ny lanitra!
21
Ary Andriamanitra nahary ireo biby vaventy any anaty rano sy ireo zavamananaina mihetsiketsika rehetra, dia ireo izay betsaka ao amin’ny rano, samy araka ny karazany avy, ary ny voromanidina rehetra, samy araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
22
Ary Andriamanitra nitahy azy ireo ka niteny hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ka mamenoa ny rano ao amin’ny ranomasina; aoka ny vorona hihamaro eny ambonin’ny tany!
23
Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahadimy.
24
Ary Andriamanitra niteny hoe: Aoka ny tany hamoaka zavamananaina, samy araka ny karazany avy, dia biby fiompy sy biby mandady na mikisaka ary bibidia, samy araka ny karazany avy! Dia nisy izany.
25
Ary Andriamanitra nanao ny bibidia, samy araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany, samy araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.
26
Ary Andriamanitra niteny hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika; ary aoka izy ireo hanapaka amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina, amin’ny voromanidina sy ny biby fiompy, amin’ny tany rehetra ary amin’ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany.
27
Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’Andriamanitra no nahariany azy; lahy sy vavy no nahariany azy.
28
Ary Andriamanitra nitahy azy ka niteny hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ka mamenoa ny tany, dia mampanompoa azy. Manapaha amin’ny hazandrano ao amin’ny ranomasina sy ny voromanidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ny tany.
29
Ary Andriamanitra niteny hoe: Indro, omeko anareo ny zava-maitso misy voany rehetra izay ambonin’ny tany manontolo sy ny voan’ny hazo fihinam-boa rehetra; ho fihinanareo ireny.
30
Ary ho an’ny bibidia rehetra sy ny voromanidina rehetra ary ny zavamananaina rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany dia omeko azy ny zava-maitso rehetra ho fihinany. Dia nisy izany.
31
Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony ka indro, tsara indrindra izany. Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahenina.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50