bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Genesis 43
Genesis 43
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 42
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 44 →
1
Mafy ny mosary teo amin’ny tany.
2
Koa rehefa lanin’izy ireo ny vary izay nalainy tany Ejipta dia hoy ny rainy taminy: Mandehana indray, mividiana hanina kely ho antsika.
3
Fa hoy i Joda taminy hoe: Niteny mafy taminay Ralehilahy hoe: Tsy hahita ny tavako ianareo raha tsy miaraka aminareo ilay rahalahinareo.
4
Raha alefanao miaraka aminay ny rahalahinay dia hidina izahay ka hividy hanina ho anao.
5
Fa raha tsy ampandehaninao izy dia tsy hidina izahay, satria hoy Ralehilahy taminay: Tsy hahita ny tavako ianareo raha tsy miaraka aminareo ilay rahalahinareo.
6
Dia hoy Israely: Nahoana no dia nampidi-doza tamiko ianareo ka nanambara tamin-dRalehilahy fa mbola nanana rahalahy koa ianareo?
7
Hoy izy ireo: Nanadihady mafy ny amin’ny tenanay sy ny mpianakavinay Ralehilahy ka niteny hoe: Mbola velona ihany va izay rainareo? Ary manana rahalahy hafa koa va ianareo? Dia nambaranay taminy araka izany teny izany. Moa nampoizinay akory va izay hitenenany hoe: Ento midina ny rahalahinareo?
8
Ary hoy i Joda tamin’Israely rainy: Ampandehano miaraka amiko ny zaza, dia hiainga izahay ka handeha, mba ho velona isika fa tsy ho faty, dia izahay sy ianao ary ny zanatsika madinika koa.
9
Izaho no hiantoka azy; amin’ny tanako no handraisanao azy. Raha tsy tongako atỳ aminao ka hatolotro eto anatrehanao izy dia ho meloka aminao amin’ny andro rehetra hiainako aho.
10
Raha tsy nitaredretra izahay dia efa tafaverina fanindroany toy izay.
11
Dia hoy Israely rainy taminy: Raha izany ary no izy dia izao no ataovy: Makà amin’ny vokatra malaza amin’ny tany ka ataovy ao anatin’ny fitondranareo entana dia ento midina hatao fanomezana ho an-dRalehilahy, dia balisama kely sy tantely kely, ditin-kazo nekota sy lota ary pistasy sy amanda.
12
Mitondrà vola torak’ilay teo eny an-tananareo; ary ilay vola izay naverina teo am-bavan’ny lasakanareo dia ento miverina any indray; angamba fahadisoana izany.
13
Ento ihany ny rahalahinareo dia miaingà ka miverena indray ho any amin-dRalehilahy.
14
Andriamanitra Tsitoha anie hampahita famindrampo anareo eo anatrehan-dRalehilahy mba hamerenany ny rahalahinareo iray sy i Benjamina. Ary izaho, rehefa tsy hanan-janaka, dia tsy hanan-janaka intsony!
15
Dia noentin’ireo lehilahy ireo ny zavatra hatao fanomezana; vola indroa torak’ilay teo koa no noentin’izy ireo teny an-tanany, niaraka tamin’i Benjamina. Dia niainga izy ireo, nidina tany Ejipta ka tonga teo anatrehan’i Josefa.
16
Raha nahita an’i Benjamina niaraka tamin’ireo rahalahiny i Josefa dia niteny tamin’ny mpikarakara ny tao an-tranony hoe: Ampidiro atsy an-trano ireo lehilahy ireo dia amonoy zavatra ary anamboary sakafo fa hiara-hisakafo amiko izy ireo amin’ny mitataovovonana.
17
Nataon-dRalehilahy araka izay nandidian’i Josefa izany ka nampidiriny tao an-tranon’i Josefa izy ireo.
18
Ary raiki-tahotra ireo lehilahy ireo satria nampidirina tao an-tranon’i Josefa ka hoy izy ireo: Noho ilay vola naverina tao anatin’ny lasakantsika fahiny izao no nampidirana antsika, hitadiavany hevitra ny hamelezany antsika ka hataony mpanompo isika ary halainy koa ny borikintsika.
19
Rehefa izany dia nanatona an-dRalehilahy izay mpikarakara ny tao an-tranon’i Josefa izy ireo ka niteny taminy teo am-baravaran’ny trano hoe:
20
Azafady, tompokolahy: Nidina tatỳ hividy hanina tokoa izahay tamin’ny voalohany.
21
Rehefa tonga teo amin’izay nandrianay izahay dia nosokafanay ny lasakanay dia indreo, ny volanay isan-dahy teo am-bavan’ny lasakanay avy, tsy nahabangana ny lanjan’ny volanay rehetra. Noentinay niverina etỳ an-tananay izany.
22
Ary nitondra vola hafa koa eto an-tananay izahay hamidy hanina. Nefa tsy fantatray izay nampiditra ny volanay tao anatin’ny lasakanay.
23
Ary hoy Ralehilahy: Fiadanana ho anareo! Aza matahotra! Andriamanitrareo, dia Andriamanitry ny rainareo, no nanome anareo harena tao anatin’ny lasakanareo. Ny volanareo dia efa tonga atỳ amiko. Dia namoaka an’i Simeona ho eo aminy izy.
24
Dia nampidirin-dRalehilahy tao an-tranon’i Josefa ireo olona ireo ka nomeny rano. Dia nisasa tongotra izy ireo ary nomeny hanina koa ny borikiny.
25
Dia nandamina ny zavatra hatao fanomezana izy ireo mandra-piavin’i Josefa amin’ny mitataovovonana, fa reny fa eo no hisakafoany.
26
Rehefa tonga tao an-trano i Josefa dia natolotr’izy ireo ho azy ny fanomezana izay noentiny ho ao an-trano, ary niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany izy rehetra.
27
Ary nanontany ny fahasalamany i Josefa ka niteny hoe: Tsara ihany va ny rainareo, ilay lahiantitra, nolazainareo? Mbola velona ihany va izy?
28
Dia hoy izy ireo: Tsara ihany ny mpanomponao rainay; mbola velona ihany izy. Dia niondrika izy ireo ka niankohoka.
29
Ary nanopy ny masony i Josefa ka nahita an’i Benjamina rahalahiny, zanaky ny reniny, dia hoy izy: Io va no zandrinareo faralahy izay nolazainareo tamiko? Hoy ihany izy: Andriamanitra anie hanisy soa anao, anaka!
30
Dia niala haingana i Josefa fa nangorakoraka ny fony noho ny rahalahiny ka nitady toerana hitomaniany izy; dia niditra tao amin’ny efitrano iray izy dia nitomany tao.
31
Avy eo, rehefa avy nanasa ny tarehiny izy, dia niala tao. Nanindry ny fangorakoraky ny fony izy ka niteny hoe: Arosoy ny sakafo!
32
Dia narosony mitokana ny ho an’i Josefa, mitokana ny ho an’ny rahalahiny ary mitokana koa ny ho an’ny Ejiptiana izay nisakafo teo aminy, satria ny Ejiptiana dia tsy mahazo miara-misakafo amin’ny Hebreo fa zava-maharikoriko amin’ny Ejiptiana izany.
33
Dia nipetraka teo anatrehan’i Josefa ireo rahalahiny, ny lahimatoa araka ny fizokiany ary ny faralahy araka ny maha zandriny azy. Dia samy talanjona ka nifampijerijery teo izy ireo.
34
Ary samy nitondrana anjara sakafo teo anoloan’i Josefa avy izy mirahalahy; kanefa ny anjaran’i Benjamina dia indimin’ny anjaran’ny iray tamin’izy rehetra. Dia niara-nisotro sy nivoky divay teo aminy izy ireo.
← Chapter 42
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 44 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50