bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Genesis 45
Genesis 45
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 44
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 46 →
1
Ary i Josefa dia tsy nahatsindry ny fangorakoraky ny fony intsony teo anatrehan’izay rehetra nanatrika teo. Koa niantso izy hoe: Avoahy ny olona rehetra hiala eto amiko. Tsy nisy olona na dia iray aza nijanona teo amin’i Josefa rehefa nampahafantatra ny tenany tamin’ny rahalahiny izy.
2
Dia nitomany mafy izy ka ren’ny Ejiptiana sady ren’ny tao an-tranon’i Farao koa.
3
Ary hoy i Josefa tamin’ny rahalahiny: Izaho no Josefa! Mbola velona ihany va Ikaky? Ary tsy nahavaly azy ny rahalahiny fa toran-kovitra teo anatrehany teo.
4
Dia hoy i Josefa tamin’ny rahalahiny: Avia, manatòna ahy ianareo! Dia nanatona ry zareo. Ary hoy i Josefa: Izaho no Josefa rahalahinareo, ilay namidinareo ho atỳ Ejipta.
5
Ankehitriny anefa, aza malahelo na tezitra amin’ny tenanareo noho ny nivarotanareo ahy ho atỳ, fa hamonjy aina no nandefasan’Andriamanitra ahy hialoha anareo atỳ.
6
Roa taona izao no nisian’ny mosary teto amin’ny tany; mbola hisy dimy taona koa tsy hisy hiasan-tany na hijinjana.
7
Andriamanitra no nandefa ahy hialoha anareo mba tsy hahalany taranaka anareo amin’ny tany fa hamelona anareo amin’ny famonjena lehibe.
8
Amin’izany dia tsy ianareo no nandefa ahy ho atỳ fa Andriamanitra; Izy no nametraka ahy ho rain’i Farao sy ho tompon’ny ao an-tranony rehetra ary ho mpanapaka ny tany Ejipta manontolo.
9
Mandehana miakatra haingana ianareo ho any amin’Ikaky ka lazao aminy hoe: Izao no tenin’i Josefa zanakao: Efa nataon’Andriamanitra ho tompon’i Ejipta manontolo aho ka midìna hankaty amiko fa aza misalasala.
10
Dia honina eo amin’ny tany Gosena ianao ka ho eo akaikiko ianao; ho eo akaikiko koa ny zanakao, ny zafinao, ny ondry aman’osinao ary ny ombinao mbamin’izay rehetra anananao.
11
Hamelona anao eo aho mba tsy hahantra ianao sy ny ankohonanao ary izay rehetra anananao fa mbola haharitra dimy taona ny mosary.
12
Ary indro, hitan’ny masonareo sy ny mason’i Benjamina rahalahiko izao fa izaho mihitsy no miteny aminareo.
13
Hambaranareo amin’Ikaky ny voninahitro rehetra atỳ Ejipta sy izay rehetra hitanareo. Koa mandehana haingana ianareo ka ento midina atỳ Ikaky.
14
Dia namihina ny vozon’i Benjamina rahalahiny izy ka nitomany, ary i Benjamina koa dia nitomany teo amin’ny vozony.
15
Dia nanoroka ny rahalahiny rehetra koa izy ka nitomany teo am-pamihinany azy ireo. Rehefa vita izany dia niresaka taminy ireo rahalahiny.
16
Re hatrao an-tranon’i Farao fa tonga, hono, ny rahalahin’i Josefa. Nahafaly an’i Farao sy ny mpanompony izany
17
ka hoy i Farao tamin’i Josefa: Lazao amin’ny rahalahinao hoe: Ataovy izao: Ataingeno ny entana hoentin’ny bibinareo ka mankanesa any amin’ny tany Kanana;
18
alao ny rainareo sy ny ankohonanareo ka mankanesa atỳ amiko dia homeko anareo ny tsara eto amin’ny tany Ejipta ka hihinana ny matavy eto amin’ny tany ianareo!
19
Ankehitriny, efa nomena teny ianao ka ataovy izao: Makà sarety amin’ny tany Ejipta hitondranareo ny vady aman-janakareo ary ento ny rainareo ka mankanesa atỳ.
20
Aza malahelo ny amin’ny fanakareo fa ho anareo izay tsara eto amin’ny tany Ejipta manontolo.
21
Dia nataon’ny zanak’Israely izany ka nomen’i Josefa sarety, araka ny tenin’i Farao, izy ireo; nomeny vatsy koa hoentiny eny an-dalana.
22
Ary samy nomeny akanjo indray miova avy izy rehetra, fa i Benjamina kosa dia nomeny sekela volafotsy telonjato sy akanjo indimy miova.
23
Izao kosa no nampitondrainy ho an’ny rainy: Borikilahy folo nitondra zava-tsoa avy tany Ejipta, borikivavy folo nitondra vary sy mofo ary vatsy ho an’ny rainy hoentiny eny an-dalana.
24
Dia nalefany ny rahalahiny ka lasa nandeha izy ireo. Ary hoy i Josefa taminy: Aza mifanditra eny an-dalana ianareo!
25
Dia niakatra avy tany Ejipta izy ireo ka tonga tany amin’i Jakoba rainy tany amin’ny tany Kanana.
26
Dia nilaza taminy izy ireo ka niteny hoe: Mbola velona ihany i Josefa ary izy no mpanapaka amin’ny tany Ejipta manontolo. Nangatsiaka ihany anefa ny fon’i Jakoba fa tsy nino azy ireo izy.
27
Dia nolazain’izy ireo ny teny rehetra izay nolazain’i Josefa taminy. Rehefa hitany ny sarety izay nalefan’i Josefa mba hitondrana azy dia izay vao velona indray ny ain’i Jakoba rainy.
28
Ary hoy Israely: Ampy izay! Mbola velona ihany i Josefa zanako! Handeha aho ka hahita azy dieny tsy mbola maty.
← Chapter 44
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 46 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50