bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Genesis 49
Genesis 49
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 48
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 50 →
1
Ary namory ireo zanany lahy i Jakoba ka niteny hoe: Mivoria ianareo mba hanambarako aminareo izay ho tonga aminareo amin’ny ho avy.
2
Miangòna ka mihainoa, ry zanakalahin’i Jakoba, eny, mihainoa an’Israely rainareo:
3
Ry Robena, lahimatoako ianao, heriko sy voalohan’ny tanjako; manana tombom-pisandratana, manana tombon-kery.
4
Mandroadroatra toy ny rano anefa ianao ka tsy hanana tombony intsony, satria niakatra tamin’ny fandrianan’ny rainao ianao, ary tamin’izany no nandotoanao azy. Endre, ny farafarako lahy ka niakarany!
5
I Simeona sy i Levy dia niray saina; fiadiana mandoza ny sabany;
6
tsy hiditra amin’izay fiokoany aho ary tsy hiray amin’izay fivoriany! Satria tamin’ny fahatezerany no namonoany olona ary tamin’ny fahasahisahiany no nanatraingoany omby.
7
Ho voaozona anie ny fahatezerany, satria nasiaka izany ary ny fahavinirany, satria loza izany! Hampihahakahaka azy eny amin’i Jakoba aho ary hanely azy eny amin’ny Israely.
8
Ry Joda, hoderain’ny rahalahinao ianao. Ny tananao dia ho ao amin’ny vozon’ny fahavalonao; hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny rainao.
9
Zanaka liona i Joda. Avy niremby ianao, anaka! Mamitsaka, mandry toy ny liona izy, toy ny liom-bavy, koa iza no hanaitra azy?
10
Ny tehim-panjakana dia tsy hiala amin’i Joda ary ny tehim-panapahana dia tsy hiala eo anelanelan’ny tongony, mandra-pahatongan’i Silo ka hanoa azy ny firenena maro.
11
Mamatotra ny borikiny tanora eo amin’ny tahom-boaloboka izy ary ny zanaky ny borikivaviny eo amin’ny tahom-boaloboka tsara; manasa ny fitafiany amin’ny divay izy ary ny akanjony amin’ny ram-boaloboka.
12
Mivoaramena ny masony noho ny divay ary fotsy ny nifiny noho ny ronono.
13
I Zebolona dia honina eo amoron-dranomasina, eny amoron-dranomasina misy ny fitodian-tsambo, ary ny sisintaniny dia hifanolotra amin’i Sidona.
14
Isakara dia boriky henjana mandry eny anelanelan’ny vala.
15
Nony hitany fa tsara ny toeram-pialan-tsasatra sady mahafinaritra ny tany dia nanongilana ny sorony hitondra entana izy ka tonga mpanompo mandoa hetra.
16
I Dana dia hitsara ny olony tahaka ny iray amin’ireo fokon’ny Israely.
17
I Dana dia ho menarana ao amoron-dalana, ho bibilava misy tandroka ao an-dalana izy, manaikitra ny kitrokelin’ny soavaly ka potraka miantsilany ny mpitaingina azy.
18
Ny famonjenao no andrasako, TOMPO ô!
19
I Gada dia misy andian-jiolahy manafika azy fa izy kosa dia hamely am-pitaka.
20
Ao amin’i Asera ny sakafo matavy ka izy no hanome sakafo matsiro ny mpanjaka.
21
I Naftaly dia dieravavy tsy voafehy; mpanome teny mahafinaritra izy.
22
I Josefa dia sampana mahavokatra; eny, sampana mahavokatra eo anilan’ny loharano; ny rantsany dia mananika mihoatra ny fefy.
23
Nampahory azy ny mpitifitra, nitifitra sy nanenjika azy;
24
kanefa mateza hery ny tsipìkany ary mailamailaka ny sandriny, noho ny tanan’Ilay Maherin’i Jakoba, noho ny Mpiandry, izay Vatolampin’Israely,
25
noho Andriamanitry ny rainao ka Izy no hamonjy anao; noho ny Tsitoha ka Izy no hitahy anao, dia fitahiana avy amin’ny lanitra any ambony sy fitahiana avy amin’ny lalina, izay mamitsaka any ambany, ary fitahiana avy amin’ny nono sy ny kibo.
26
Ny tsodranon’ny rainao dia mahery noho ny tsodranon’ireo havoana mandrakizay sy ny zavatra mahafinaritra amin’ny tendrombohitra fahagola; ho eo an-dohan’i Josefa izany, ho eo an-tampon-dohan’ilay nalaza tamin’ny rahalahiny.
27
I Benjamina dia amboadia mamiravira; nony maraina izy dia homan-dremby, nony hariva mizara babo.
28
Ireo rehetra ireo no fokon’ny Israely roa amby folo. Izany no nolazain’ny rainy taminy sy nitsofany rano azy. Samy araka ny tsodrano izay tokony ho azy ireo avy no nitsofany rano azy ireo.
29
Dia nanafatra an’i Josefa i Jakoba ka niteny taminy hoe: Efa madiva hangonina any amin’ny razako aho; aleveno any amin’ny razako aho, dia ao anatin’ilay zohy izay any amin’ny sahan’i Efrona hetita,
30
ao anatin’ilay zohy izay any amin’ny saha Makpela, izay tandrifin’i Mamre, any amin’ny tany Kanana, dia ilay novidin’i Abrahama niaraka tamin’ny saha, tamin’i Efrona hetita, ho tany fandevenana.
31
Tao no nandevenana an’i Abrahama sy i Saraha vadiny; tao koa no nandevenana an’Isaka sy i Rebeka vadiny; tao koa no nandevenako an’i Lea.
32
Ny saha sy ny zohy ao anatiny dia novidina tamin’ny taranak’i Heta.
33
Rehefa vitan’i Jakoba ny hafatra nataony tamin’ny zanany lahy rehetra dia navonkiny teo am-parafara ny tongony, dia niala aina izy ka nangonina any amin’ny razany.
← Chapter 48
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 50 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50