bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Genesis 28
Genesis 28
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 29 →
1
Ary niantso an’i Jakoba Isaka ka nitsodrano azy sy namepetra azy hoe: Aza maka vady avy amin’ny zanakavavin’ny Kananita ianao.
2
Miaingà ka mankanesa any Padana-Arama, any amin’ny tranon’i Betoela rain’ny reninao, dia makà vady any, avy amin’ny zanakavavin’i Labana anadahin-dreninao.
3
Andriamanitra Tsitoha anie hitahy anao ka hahamaro fara anao sy hampitombo anao mba ho tonga firenena maro ianao!
4
Homeny anao anie ny fitahiana an’i Abrahama, dia ho anao sy ny taranakao koa, mba handovanao ny tany fivahiniananao izay efa nomen’Andriamanitra an’i Abrahama!
5
Ary nampandeha an’i Jakoba Isaka ka lasa izy nankany Padana-Arama ho any amin’i Labana, zanak’i Betoela arameana, anadahin’i Rebeka, renin’i Jakoba sy i Esao.
6
Ary hitan’i Esao fa efa nitsodrano an’i Jakoba Isaka ka nampandeha azy ho any Padana-Arama haka vady any; hitany koa fa rehefa nitsodrano azy izy dia namepetra azy hoe: Aza maka vady avy amin’ny zanakavavin’ny Kananita;
7
hitany fa nanaraka ny tenin’ny ray aman-dreniny i Jakoba ka lasa nankany Padana-Arama.
8
Ary satria hitan’i Esao tokoa fa ratsy teo imason’Isaka rainy ny zanakavavin’ny Kananita,
9
dia lasa izy nankany amin’Ismaela ka naka vady an’i Mahalata, zanakavavin’Ismaela, zanak’i Abrahama, sady anabavin’i Nebaiota, ho fanampin’ny vady izay efa nananany.
10
Dia niala tany Bery-Sheba i Jakoba ka nankany Harana.
11
Tonga teo amin’ny toerana iray izy ka nandry teo nandritra ny alina satria efa maty ny masoandro. Naka vato iray tamin’izany toerana izany izy ka nataony ondana, dia nandry teo izy.
12
Ary nanonofy izy hoe: Indro, nisy tohatra nitsangana tamin’ny tany ka ny lohany dia nipaka tamin’ny lanitra; ary indreo, nisy anjelin’Andriamanitra niakatra sy nidina tamin’izany.
13
Ary indro NY TOMPO nitsangana teo amboniny ka niteny hoe: Izaho no TOMPO, Andriamanitr’i Abrahama rainao sy Andriamanitr’Isaka. Ny tany izay andrianao dia homeko anao sy ny taranakao.
14
Ny taranakao dia ho tahaka ny vovoka amin’ny tany; hiely any andrefana sy any atsinanana ary any avaratra sy any atsimo ianao. Aminao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.
15
Ary indro Aho momba anao ka hiaro anao amin’izay lalan-kalehanao rehetra ary hampody anao indray ho amin’ity tany ity. Tsy handao anao Aho mandra-pahatanterako izay voalazako taminao.
16
Rehefa nahatsiaro tamin’ny torimasony i Jakoba dia niteny hoe: Eto amin’ity toerana ity tokoa NY TOMPO fa izaho no tsy nahalala!
17
Dia raiki-tahotra izy ka niteny hoe: Endre, mahatahotra ity toerana ity! Tsy hafa ity fa tranon’Andriamanitra sy vavahadin’ny lanitra!
18
Ary nifoha vao maraina i Jakoba dia naka ilay vato izay nataony ondana ka nanorina azy ho tsangambato dia nandraraka diloilo taminy.
19
Ary ny anaran’izany toerana izany dia nataony hoe Betela, fa Lozy no anaran’ilay tanàna teo aloha.
20
Dia nivoady i Jakoba ka niteny hoe: Raha homba ahy Andriamanitra ka hiaro ahy amin’izao lalana alehako izao, sady hanome ahy mofo hohaniko sy akanjo hitafiako,
21
ka ho tafaverina soa amantsara any amin’ny tranon’ny raiko aho, dia NY TOMPO no ho Andriamanitro,
22
ary ity vato izay naoriko ho tsangambato ity dia ho tranon’Andriamanitra, koa amin’izay rehetra homenao ahy dia homeko Anao tokoa ny ampahafolony.
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 29 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50