bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Genesis 22
Genesis 22
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 23 →
1
Taorianan’izany dia nizaha toetra an’i Abrahama Andriamanitra. Hoy Izy taminy: Ry Abrahama ô! Dia hoy i Abrahama: Inty aho.
2
Ary hoy Andriamanitra: Ento ny zanakao, ny lahitokanao, izay tianao, dia Isaka, ka mankanesa any amin’ny tany Moria, ary any no hanoloranao azy ho fanatitra dorana manontolo, ao amin’ny tendrombohitra iray izay holazaiko aminao.
3
Dia nifoha vao maraina i Abrahama, nanisy lasely ny borikiny ka nitondra ny mpanompony roa lahy sy Isaka zanany niaraka taminy. Namaky ny hazo harehitra amin’ny fanatitra dorana manontolo izy, dia niainga ka nankany amin’ny tany izay nolazain’Andriamanitra taminy.
4
Nony tamin’ny andro fahatelo, raha nanopy ny masony i Abrahama, dia nahatazana ilay tany terỳ lavitra erỳ.
5
Hoy i Abrahama tamin’ny zatovony: Mijanòna eto amin’ny boriky ianareo, fa izaho sy ny zazalahy dia handeha hankerỳ mba hivavaka, avy eo hiverina eto aminareo indray.
6
Dia nalain’i Abrahama ny hazo harehitra amin’ny fanatitra dorana manontolo ka natataony an’Isaka zanany, fa izy kosa no nitondra ny afo sy ny antsy teny an-tanany. Dia niara-nandeha izy mianaka.
7
Ary hoy Isaka tamin’i Abrahama rainy hoe: Dada ô! Dia hoy izy: Inty aho, anaka! Ary hoy ny zanany: Indreto ny afo sy ny kitay, fa aiza kosa izay ondry hatao fanatitra dorana manontolo?
8
Hoy i Abrahama: Anaka, Andriamanitra no hahita izay ondry hatao fanatitra dorana manontolo! Dia niara-nanohy ny diany ihany izy mianaka.
9
Rehefa tonga teo amin’ny tany izay nolazain’Andriamanitra taminy izy mianaka dia nanorina ny alitara teo i Abrahama ka nandahatra ny kitay. Dia namatotra an’Isaka zanany izy ka nametraka azy teo amin’ny alitara teo ambonin’ny kitay.
10
Ary nanatsotra ny tanany i Abrahama ka nandray ny antsy mba hamonoany ny zanany.
11
Fa niantso azy avy any an-danitra ilay Anjelin’NY TOMPO ka niteny hoe: Ry Abrahama ô, ry Abrahama ô! Dia namaly kosa izy hoe: Inty aho!
12
Hoy ilay Anjely: Aza manatsotra ny tananao amin’ny zaza ary aza maninona azy akory ianao; hitako izao fa matahotra an’Andriamanitra ianao ka tsy narovanao tamiko ny zanakao, dia ny lahitokanao.
13
Ary niherika nijery i Abrahama ka indro, nisy ondrilahy teo aorianany, voasarangotry ny kirihitra ny tandrony; dia lasa naka ilay ondrilahy i Abrahama ary nanolotra azy ho fanatitra dorana manontolo ho solon’ny zanany.
14
Ary ny anaran’izany tany izany dia nataon’i Abrahama hoe NY TOMPO no hahita; izany no ilazana mandraka ankehitriny hoe: Any an-tendrombohitra no hisehoan’NY TOMPO.
15
Niantso an’i Abrahama fanindroany avy any an-danitra ilay Anjelin’NY TOMPO
16
ka niteny hoe: Ny tenako no nianianako, hoy NY TOMPO: Satria izany zavatra izany no nataonao ka tsy niaro ny zanakao, ilay lahitokanao, ianao,
17
dia hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra sy ho tahaka ny fasika eny amoron-dranomasina, ary hahazo ny vavahadin’ny fahavalony ny taranakao.
18
Amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany, satria nanaiky ny teniko ianao.
19
Niverina nankeny amin’ireo mpanompony i Abrahama, dia niainga izy ireo ka niaraka nankany Bery-Sheba. Ary i Abrahama dia nonina tany Bery-Sheba.
20
Taorianan’izany dia nisy nanambara tamin’i Abrahama hoe: Indro, niteraka zazalahy tamin’i Nahora rahalahinao koa i Milka,
21
dia i Oza lahimatoany, i Boza lahiaivo, i Kemoela, rain’i Arama,
22
i Kaseda, i Hazò, i Pildasy, i Jidlafa ary i Betoela.
23
Ary i Betoela dia niteraka an’i Rebeka. Ireo valo ireo no naterak’i Milka tamin’i Nahora, rahalahin’i Abrahama.
24
Ary ny vady tsindranony koa, izay atao hoe Reoma, dia niteraka an’i Teba, i Gahama, i Tahasy ary i Maaka.
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 23 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50