bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Genesis 34
Genesis 34
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 33
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 35 →
1
Indray andro dia lasa i Dina, zanakavavin’i Lea naterany tamin’i Jakoba, mba hizaha ny zazavavy tompon-tany.
2
Ary nahita azy i Sekema, zanakalahin’i Hamora hivita, andriana tamin’izany tany izany; dia naka azy izy ary nandry taminy ka nampietry azy.
3
Raiki-pitia tamin’i Dina, zanakavavin’i Jakoba, ny fony; eny, tia an-dRazazavavy izy ka niteny malefaka taminy.
4
Ary niteny tamin’i Hamora rainy i Sekema hoe: Alao ho vadiko Razazavavy io.
5
Ren’i Jakoba fa nandoto an’i Dina zanany vavy izy; nefa mbola niandry ny omby aman’ondriny tany an-tsaha ireo zanany lahy, dia nangina aloha i Jakoba mandra-pahatongan’izy ireo.
6
Roso nankany amin’i Jakoba ary i Hamora, rain’i Sekema, hidinika taminy.
7
Rehefa tonga avy tany an-tsaha ireo zanak’i Jakoba ka nandre izany dia nalahelo sady tezitra mafy, satria nahavita izay fahadalana be teo amin’ny Israely i Sekema tamin’ny nandriany tamin’ny zanakavavin’i Jakoba. Zavatra tsy fanao izany.
8
Ary nidinika tamin’ireo i Hamora hoe: I Sekema zanako lahy dia raiki-pitia amin’ny zanakareo vavy; koa miangavy anareo aho, mba omeo azy ho vadiny izy.
9
Aoka hifanambady anaka isika: Omeo anay ny zanakareo vavy, ary alao ho anareo kosa ny zanakay vavy.
10
Dia hiara-monina aminay ianareo; ary indro ny tany eo anoloanareo; monena eo ary mivarota ao, dia ho isan’ny tompon-tany ianareo.
11
Ary hoy i Sekema tamin’ny rain’i Dina sy ny anadahiny: Aoka mba hahita fitia eto imasonareo aho, ary izay lazainareo amiko dia homeko.
12
Na dia harena be sy zavatra betsaka aza no asainareo homeko dia homeko ihany araka izay holazainareo amiko; fa omeo ahy Razazavavy ho vadiko!
13
Ary ireo zanak’i Jakoba dia namaly an’i Sekema sy i Hamora rainy tamin’ny fitaka sy hafetsena noho ny nandotoany an’i Dina anabaviny.
14
Hoy izy ireo taminy: Tsy azonay atao ny hanome ny anabavinay ho an’izay lehilahy tsy voafora; fahavetavetana aminay izany!
15
Izao ihany no azonay hanekena anareo: Raha ho tahaka anay ianareo ka hoforana ny lehilahy rehetra aminareo
16
dia homenay anareo ny zanakay vavy ary ny zanakareo vavy kosa dia halainay ho anay, dia hiara-monina aminareo izahay ka ho firenena iray isika.
17
Fa raha tsy hanaraka ny teninay ianareo ka tsy hoforana dia halainay ny zanakay vavy ka handeha izahay.
18
Nahafaly an’i Hamora sy i Sekema zanany ireo teniny ireo.
19
Tsy nitaredretra ilay zatovo hanatanteraka izany zavatra izany satria naniry loatra ny zanakavavin’i Jakoba izy. Ary izy no nalaza indrindra tamin’izay rehetra tao an-tranon’ny rainy.
20
Koa nankeo amin’ny vavahadin’ny tanànany i Hamora sy i Sekema zanany lahy dia niteny tamin’ny mponina tao an-tanànany hoe:
21
Ireo olona ireo dia mipetraka tsara eto amintsika ka aoka honina eto amin’ny tany sy hivarotra eto izy; fa indro ny tany dia malalaka eo anoloany! Halaintsika ho vady ny zanany vavy ary ny zanatsika vavy kosa dia homentsika azy.
22
Nefa izao ihany no hanaovan’ireo lehilahy ireo fanekena amintsika ka hiarahantsika monina ho firenena iray: Mba hoforana koa, hono, ny lehilahy rehetra eto amintsika tahaka izay namorana azy ireo.
23
Tsy ho antsika va ny omby aman’ondriny sy ny fananany mbamin’ny biby fiompiny rehetra? Aoka hanaiky ny teniny ihany isika, dia hiara-monina amintsika izy.
24
Nanaiky ny tenin’i Hamora sy i Sekema zanany izay rehetra nivoaka ny vavahadin’ny tanànany. Noforana ny lehilahy rehetra, dia izay rehetra nivoaka ny vavahadin’ny tanànany.
25
Fa tamin’ny andro fahatelo, rehefa ilay nanaintaina mafy iny izy ireo, dia samy nitondra ny sabany ny zanak’i Jakoba roa lahy, dia i Simeona sy i Levy, anadahin’i Dina, ka niakatra mora tao an-tanàna dia namono ny lehilahy rehetra tao.
26
Novonoiny tamin’ny lelan-tsabatra koa i Hamora sy i Sekema zanany lahy, dia naka an’i Dina tao an-tranon’i Sekema izy ireo vao lasa nandeha.
27
Ary nankeny amin’ny faty ny zanak’i Jakoba ka namabo ny tanàna noho ny nandotoan’i Sekema ny anabaviny.
28
Nalainy avokoa ny ondry aman’osiny, ny ombiny sy ny borikiny mbamin’izay rehetra tao an-tanàna sy izay rehetra tany an-tsaha;
29
nobaboiny ny fananany rehetra sy ny zanany madinika rehetra ary ny vadiny ka nofaohiny avokoa mbamin’izay rehetra tany an-trano.
30
Dia hoy i Jakoba tamin’i Simeona sy i Levy: Nahatonga loza amiko ianareo, fa nomaimboinareo eto amin’ny mponina amin’ny tany aho, dia amin’ny Kananita sy ny Perizita. Olom-bitsy anefa aho, koa hiangona hamely ahy izy ireo ka hamono ahy; ary ho fongotra aho, dia izaho sy ny ankohonako.
31
Fa hoy kosa ireo: Moa va ny anabavinay havela hatao toy ny vehivavy janga?
← Chapter 33
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 35 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50