bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Genesis 41
Genesis 41
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 40
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 42 →
1
Rehefa feno roa taona taorianan’izany dia nanonofy i Farao ka indro, hono, nitsangana teo amoron’ny Neily izy.
2
Koa indreo, nisy ombivavy fito tsara tarehy sady matavy niakatra avy tao amin’ny Neily ka nihinana teny amin’ny bararata.
3
Ary indreo, nisy ombivavy fito hafa kosa ratsy tarehy sady mahia niakatra avy tao amin’ny Neily nanaraka azy, dia nijanona teo anilan’ireo ombivavy teo amoron’ny Neily koa.
4
Ary ireo ombivavy ratsy tarehy sady mahia dia nihinana ireo ombivavy fito tsara tarehy sady matavy. Dia nahatsiaro i Farao.
5
Natory indray izy ka nanonofy fanindroany ka indro, hono, nisy salohim-bary fito niakatra tamin’ny tahony iray, sady matavy no tsara.
6
Ary indreo, nisy salohim-bary fito maivam-boa kosa sady mainan’ny rivotra avy any atsinanana, nitsimoka nanaraka ireny.
7
Ary ny salohim-bary maivam-boa dia nitelina ny salohim-bary fito matavy sy be voa. Dia nahatsiaro i Farao, koa indro fa nofy ihany izany.
8
Nony maraina dia nitebiteby izy ka nandefa iraka haka ny ombiasy rehetra tany Ejipta sy ny olon-kendriny rehetra. Nambaran’i Farao azy ireo ny nofiny, nefa tsy nisy na dia iray aza nahalaza izay heviny tamin’i Farao.
9
Dia niteny tamin’i Farao ilay lehiben’ny mpitondra kapoaka hoe: Tsaroako izao ny hadisoako.
10
Tezitra tamin’ny mpanompony i Farao ka nampiditra ahy tao an-tranomaizina tao anatin’ny tranon’ny lehiben’ny mpiambina, dia izaho sy ilay lehiben’ny mpanao mofo.
11
Indray alina, nanonofy izahay, dia izaho sy izy; samy nanana nofy izay samy nanana ny heviny avy izahay.
12
Ary tao aminay dia nisy zatovo hebreo iray, mpanompon’ny lehiben’ny mpiambina. Nambaranay taminy ny nofinay ka nolazainy taminay ny heviny. Samy nilazany araka ny nofinay avy izahay.
13
Tanteraka araka izay nolazainy taminay avy izany: Izaho dia nampodìny ho ao amin’ilay nipetrahako fa izy kosa dia nahantony.
14
Dia nandefa iraka haka an’i Josefa i Farao ka nalaina haingana niala tao an-davaka izy. Nanaratra ny volombavany sy niova fitafiana izy ka nankany amin’i Farao.
15
Hoy i Farao tamin’i Josefa: Nanonofy aho fa tsy misy mahalaza ny heviny; nahare nefa aho fa ianao, hono, raha mandre nofy, dia mahalaza ny heviny.
16
Hoy ny navalin’i Josefa an’i Farao hoe: Tsy ahy izany! Andriamanitra no hilaza izay valiny hampiadana an’i Farao!
17
Dia hoy i Farao tamin’i Josefa: Nofiko fa indro, hono, nitsangana teo amoron’ny Neily aho.
18
Koa indreo, nisy ombivavy fito matavy sady tsara tarehy niakatra avy tao amin’ny Neily ary nihinana teny amin’ny bararata ireny.
19
Ary indreo, nisy ombivavy fito hafa indray kosa niakatra nanaraka azy ireny, mangozohozo sady tena ratsy tarehy no mahia, ka tsy mbola hitako izay ratsy toa azy teto amin’ny tany Ejipta rehetra.
20
Ary ireo ombivavy fito mahia sady ratsy tarehy dia nihinana ireo ombivavy fito matavy izay nialoha azy.
21
Rehefa nahahinana an’ireo matavy izy dia tsy fantatra akory fa ao an-kibony ireny, fa mbola ratsy tarehy tahaka ny taloha ihany ireo. Dia nahatsiaro aho.
22
Hitako tamin’ny nofiko indray fa indreo, nisy salohim-bary fito niakatra tamin’ny tahony iray, sady feno no tsara.
23
Ary indreo, nisy salohim-bary fito kosa sady malazo no maivam-boa, mainan’ny rivotra avy any atsinanana, nitsimoka nanaraka ireny.
24
Ary ny salohim-bary maivam-boa dia nitelina ny salohim-bary fito tsara. Nolazaiko tamin’ny ombiasy izany nefa tsy nisy nahalaza ny heviny tamiko ireny.
25
Dia hoy i Josefa tamin’i Farao: Iray ihany ny nofin’i Farao; izay hataon’Andriamanitra no nambarany tamin’i Farao.
26
Ny ombivavy fito tsara tarehy dia taona fito; ary ny salohim-bary fito vokatra koa dia taona fito; iray ihany ny nofy.
27
Ny ombivavy fito mahia sady ratsy tarehy, izay niakatra nanaraka ireny, dia taona fito; ary ny salohim-bary fito tsy nisy voa sady mainan’ny rivotra avy any atsinanana dia ho taona fito mosarena.
28
Izany dia ilay nolazaiko tamin’i Farao teo hoe: Izay hataon’Andriamanitra no asehony amin’i Farao.
29
Indro, hisy fito taona tena zina manerana ny tany Ejipta rehetra.
30
Manaraka izany kosa hisy fito taona hisy mosary ka ho hadino ny fahavokarana be rehetra teo amin’ny tany Ejipta fa ho ritran’ny mosary ny tany.
31
Ilay fahavokarana teo amin’ny tany dia tsy ho fantatra noho izany mosary manaraka azy izany, fa ho mafy indrindra izany.
32
Naverina indroa ny nofin’i Farao satria voatendrin’Andriamanitra ireo zavatra ireo ka hotanterahin’Andriamanitra haingana.
33
Koa ankehitriny, aoka i Farao hizaha lehilahy manan-tsaina sady hendry ka hanendry azy hanapaka ny tany Ejipta.
34
Aoka hanatanteraka izany i Farao, ary aoka izy hanendry mpanara-maso amin’ny tany ka hamory ny ampahadimin’ny vokatry ny tany Ejipta amin’ny taon-jina fito ireny.
35
Dia aoka izy ireo hanangona ny hanina rehetra amin’ireo taona tsara ho avy ireo ka hamory vary be amin’ny anaran’i Farao, hohanina any amin’ny tanàna maro, ary aoka izy hitahiry ireo.
36
Ary aoka ireo hanina ireo hotahirizina ao amin’ny tany ho amin’ny fito taona hisy mosary, izay ho tonga amin’ny tany Ejipta, mba tsy ho simban’ny mosary ny tany.
37
Nankasitrahan’i Farao sy ny mpanompony rehetra izany hevitra izany.
38
Dia hoy i Farao tamin’ny mpanompony: Moa va isika hahita lehilahy manana ny Fanahin’Andriamanitra ao anatiny tahaka an’io?
39
Ary hoy i Farao tamin’i Josefa: Satria nampahafantarin’Andriamanitra anao izany rehetra izany dia tsy misy lehilahy manan-tsaina sady hendry tahaka anao.
40
Koa ianao no hanapaka ny ato an-tranoko, ary araka ny teninao no hitondrana ny oloko rehetra. Ny sezafiandrianana ihany no hahalehibe ahy noho ianao.
41
Hoy koa i Farao tamin’i Josefa: Indro, manendry anao hanapaka amin’ny tany Ejipta rehetra aho.
42
Dia nesorin’i Farao ny peratra fitombo-kase tamin’ny tanany ka nataony tamin’ny tanan’i Josefa, dia nampitafiny akanjo rongony fotsy madinika izy ary nasiany rojo volamena ny vozony.
43
Avy eo, nampitaingeniny tamin’ny kalesiny faharoa izy, ary niantso teo alohany ny vahoaka hoe: Abreka! Notendreny ho mpanapaka ny tany Ejipta rehetra izy.
44
Dia hoy i Farao tamin’i Josefa: Izaho no Farao, kanefa raha tsy teninao dia tsy hisy olona hanetsika ny tanany na ny tongony eto amin’ny tany Ejipta manontolo.
45
Nataon’i Farao hoe Zafenata-Panea ny anaran’i Josefa. Nomeny azy ho vadiny i Asenata, zanakavavin’i Poty-Fera, mpisorona tao Ona. Ary nandeha nitety ny tany Ejipta i Josefa.
46
Telopolo taona i Josefa raha niseho teo anatrehan’i Farao, mpanjakan’i Ejipta. Niala teo anatrehan’i Farao i Josefa ka nandeha nitety ny tany Ejipta manontolo.
47
Nahavokatra be dia be tokoa ny tany tamin’ny taon-jina fito.
48
Dia namory ny hanina rehetra tamin’izany fito taona izany teo amin’ny tany Ejipta i Josefa ka nitahiry ireo tany amin’ny tanàna rehetra. Notahiriziny tao anatin’ny tanàna ny vokatry ny saha manodidina ny isan-tanàna.
49
Namory vary tahaka ny fasika any an-dranomasina i Josefa; eny, be dia be izany ka tsy nanisa intsony izy satria tsy hita isa ireo.
50
Tsy mbola tonga ny taonan’ny mosary fony i Josefa niteraka zazalahy roa tamin’i Asenata, zanakavavin’i Poty-Fera, mpisorona tao Ona.
51
Ny anaran’ny lahimatoa dia nataon’i Josefa hoe Manase, fa Andriamanitra, hoy izy, efa nampanadino ahy ny fahoriako rehetra sy izay rehetra tao an-tranon’ny raiko.
52
Ny anaran’ny zandriny kosa dia nataony hoe Efraima; fa Andriamanitra, hoy izy, efa nahamaro ahy teto amin’ny tanin’ny fahoriako.
53
Ary tapitra ny taon-jina fito teo amin’ny tany Ejipta,
54
fa niandoha kosa ny fito taona nisy mosary, araka izay efa voalazan’i Josefa. Ary nisy mosary tany amin’ny tany rehetra; nefa nanerana ny tany Ejipta manontolo dia mbola nisy hanina ihany.
55
Rehefa mosarena ny tany Ejipta manontolo dia nitaraina nangataka hanina tamin’i Farao ny olona. Dia hoy i Farao tamin’ny Ejiptiana rehetra: Mankanesa any amin’i Josefa, koa izay holazainy aminareo dia ataovy.
56
Tany amin’ny tany rehetra ny mosary, nefa namoha ny trano fitahirizam-bary i Josefa ka nivaro-bary tamin’ny Ejiptiana. Tena mafy ny mosary nanerana ny tany Ejipta.
57
Ary ny tany rehetra dia nankany Ejipta ho any amin’i Josefa mba hividy vary fa mafy ny mosary tany amin’ny tany rehetra.
← Chapter 40
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 42 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50