bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Genesis 8
Genesis 8
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 9 →
1
Ary Andriamanitra nahatsiaro an’i Noa mbamin’ny bibidia rehetra ary ny biby fiompy rehetra izay niara-nitoetra taminy tao anatin’ny sambofiara; ary Andriamanitra nampandalo rivotra nanerana ny tany ka nihena ny rano.
2
Ary tampina ireo loharanon’ny lalina sy ny varavaran’ny lanitra ka nitsahatra ilay ranonorana nivatravatra avy tany an-danitra.
3
Dia niala niandalana tamin’ny tany ny rano; nony afaka dimampolo amby zato andro dia efa nihena ny rano.
4
Dia nipetraka teo amin’ny tendrombohitra any Ararata ny sambofiara tamin’ny andro fahafito amby folo tamin’ny volana fahafito.
5
Nefa ny rano dia mbola nihena niandalana hatramin’ny volana fahafolo; koa tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana fahafolo dia niseho ny tampon’ny tendrombohitra.
6
Rehefa afaka efapolo andro dia novohan’i Noa ny varavarankelin’ny sambofiara izay nataony.
7
Dia namoaka goaika iray izy, ary niverimberina izy iny mandra-paharìtra ny rano tamin’ny tany.
8
Dia namoaka voromailala iray izay teo aminy izy, hahitany na efa kely ny rano tetỳ ambonin’ny tany na tsia.
9
Nefa tsy hitan’ilay voromailala izay hipetrahan’ny faladiany ka niverina tany amin’i Noa tao anatin’ny sambofiara izy satria mbola nisy rano teo ambonin’ny tany manontolo. Ary nanatsotra ny tanany i Noa ka nandray azy izy ary nampiditra azy ho ao aminy tao anatin’ny sambofiara.
10
Mbola niandry hafitoana koa izy dia navoakany tao amin’ny sambofiara indray ilay voromailala.
11
Dia niditra teo aminy ilay voromailala nony hariva ny andro ary indro, nisy ravin’oliva maitso teo am-bavany! Izany no nahafantaran’i Noa fa efa kely ny rano teny ambonin’ny tany.
12
Ary mbola niandry hafitoana indray izy dia namoaka ilay voromailala. Tsy niverina teo aminy intsony anefa iny.
13
Tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana voalohany tamin’ny taona fahiraika sy eninjato dia ritra ny rano teny ambonin’ny tany. Ary nanaisotra ny tafon’ny sambofiara i Noa ka nijery ary indro, efa maina ny tany.
14
Tamin’ny andro fahafito amby roapolo tamin’ny volana faharoa dia maina ny tany.
15
Ary Andriamanitra niteny tamin’i Noa hoe:
16
Mivoaha avy ao amin’ny sambofiara ianao sy ny vady aman-janakao ary ny vinantovavinao miaraka aminao.
17
Ary ny zavamananaina rehetra izay miaraka aminao, avy tamin’ny nofo rehetra, dia ny vorona, ny biby fiompy, ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany, dia avoahy miaraka aminao, ary aoka hiteraka betsaka eny ambonin’ny tany sy ho maro anaka ary hitombo isa eny ambonin’ny tany ireny.
18
Dia nivoaka avy tao i Noa sy ny vady aman-janany ary ny vinantovaviny niaraka taminy.
19
Ny zavamananaina rehetra sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka ary ny vorona rehetra mbamin’izay rehetra mihetsiketsika eny ambonin’ny tany isan-tsokajiny dia samy nivoaka avy tao amin’ny sambofiara.
20
Dia nanorina alitara ho an’NY TOMPO i Noa; nanalany natao fanatitra dorana manontolo teo ambonin’ny alitara ny biby madio rehetra sy ny vorona madio rehetra.
21
Dia nandre ny hanitra ankasitrahana NY TOMPO ka hoy Izy tao am-pony: Tsy mba hanozona ny tany intsony noho ny amin’ny olona Aho; fa izay foronin’ny fon’ny olona dia ratsy hatramin’ny fahazazany; ary tsy mba handringana ny velona rehetra intsony tahaka izay nataoko teo Aho.
22
Raha mbola maharitra koa ny tany dia tsy hanam-pitsaharana ny fotoam-pamafazana sy ny fotoam-pijinjana, ny hatsiaka sy ny hafanana, ny fahavaratra sy ny ririnina ary ny andro sy ny alina.
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50