bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Genesis 50
Genesis 50
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 49
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
1
Ary nihohoka tamin’ny tavan’ny rainy i Josefa ka nitomany teo amboniny sady nanoroka azy.
2
Avy eo dia nasain’i Josefa nanosotra zava-manitra ny rainy ireo mpitsabo mpanompony; dia nanosotra zava-manitra an’Israely ireo mpitsabo.
3
Naharitra efapolo andro izany, fa izany no isan’ny andro fanosoram-paty. Ary nisaona azy fitopolo andro ny Ejiptiana.
4
Nony tapitra ny andro nisaonana azy dia hoy i Josefa tamin’ireo tao an-tranon’i Farao hoe: Raha mba nahita fitia teo imasonareo aho dia miangavy anareo, mitenena amin’i Farao ka lazao aminy hoe:
5
Ny raiko dia efa nampianiana ahy hoe: Indro, ho faty aho. Koa ao amin’ny fasako, izay nohadiko any amin’ny tany Kanana, ao no andeveno ahy. Koa ankehitriny, trara antitra ianao, aoka hiakatra handevina ny raiko aho dia hiverina atỳ indray.
6
Ary hoy i Farao: Miakara ary ka aleveno ny rainao araka izay nampianianany anao.
7
Dia lasa niakatra handevina ny rainy i Josefa. Niara-niakatra taminy koa ny mpanompon’i Farao rehetra, dia ny loholona tao an-tranony sy ny loholona rehetra tany amin’ny tany Ejipta
8
ary ny ankohonan’i Josefa rehetra sy ny rahalahiny mbamin’ny ankohonan’ny rainy; ny ankizy madinika sy ny ondriny aman’osiny ary ny ombiny ihany no navelany tao amin’ny tany Gosena.
9
Nisy kalesy sy mpitaingin-tsoavaly koa niara-niakatra taminy ka lehibe dia lehibe ny toby.
10
Rehefa tonga teo Gorena-Atada izay any andafin’ny Jordana izy ireo dia nanao fisaonana lehibe sy mafy indrindra teo. Nisaona ny rainy hafitoana i Josefa.
11
Rehefa hitan’ny Kananita tompon-tany ny fisaonana teo Gorena-Atada dia hoy izy ireo: Fisaonana lehibe amin’ny Ejiptiana izao! Izany no nanaovany ny anarany hoe Abela-Ejiptiana, any andafin’i Jordana.
12
Ary nanatanteraka taminy izay rehetra nandidiany azy ny zanakalahin’i Jakoba,
13
dia nitondra azy tany amin’ny tany Kanana ka nandevina azy tao amin’ny zohy ao amin’ny saha Makpela, tandrifin’i Mamre, dia ilay novidin’i Abrahama niaraka tamin’ny saha, tamin’i Efrona hetita, ho tany fandevenana.
14
Rehefa voalevina ny rainy dia niverina tany Ejipta i Josefa sy ny rahalahiny mbamin’izay rehetra niara-niakatra taminy handevina ny rainy.
15
Rehefa hitan’ny rahalahin’i Josefa fa maty ny rainy dia hoy izy ireo: Sao dia hankahala antsika i Josefa ka hamaly antsika tokoa noho ny ratsy rehetra nataontsika taminy!
16
Koa nandefa iraka nankany amin’i Josefa izy ireo ka niteny hoe: Nanafatra ny rainao, fony izy tsy mbola maty,
17
hoe: Izao no holazainareo amin’i Josefa: Mamelà re ny fahadisoan’ny rahalahinao sy ny fahotany fa nanao ratsy taminao izy! Eny, mamelà ankehitriny ny fahadisoan’ny mpanompon’ny Andriamanitry ny rainao! Nitomany i Josefa rehefa niteny izany taminy izy ireo.
18
Koa nanatona azy ny rahalahiny ka niankohoka teo anatrehany sady niteny hoe: Indreto izahay ho mpanomponao.
19
Fa hoy i Josefa tamin’izy ireo: Aza matahotra! Moa solon’Andriamanitra va aho?
20
Ianareo no nisaina hanisy ratsy ahy fa Andriamanitra kosa nisaina izany ho soa, mba hahatonga izany ho tahaka ny amin’izao anio izao, hamelona olona betsaka.
21
Ankehitriny, aza matahotra ianareo, fa izaho no hiantoka anareo sy ny zanakareo madinika. Dia nampionona azy sy nilaza teny malefaka taminy izy.
22
Ary i Josefa sy ny ankohonan’ny rainy dia nonina tany Ejipta. Folo amby zato taona ny andro niainan’i Josefa.
23
Hitan’i Josefa ny zafiafin’i Efraima; ny zanak’i Makira, zanakalahin’i Manase koa dia naterak’i Josefa teo am-pofoany.
24
Ary hoy i Josefa tamin’ny rahalahiny: Ho faty aho nefa hamangy anareo tokoa Andriamanitra ka hitondra anareo hiala amin’ity tany ity ho any amin’ny tany izay nianianany tamin’i Abrahama sy Isaka ary i Jakoba mba homena azy ireo.
25
Ary nampianiana ny zanak’Israely i Josefa ka niteny hoe: Hamangy anareo tokoa Andriamanitra ka hitondra ny taolako hiala eto ianareo.
26
Dia maty i Josefa rehefa folo amby zato taona. Nohosorana zava-manitra izy ka napetraka tao anatin’ny vata iray tany Ejipta.
← Chapter 49
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50