bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Genesis 26
Genesis 26
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 27 →
1
Ary nisy mosary indray teo amin’ny tany, ankoatra ilay mosary voalohany fony fahavelon’i Abrahama. Ary Isaka dia nankany amin’i Abimeleka, mpanjakan’ny Filistina, tany Gerara.
2
Niseho taminy NY TOMPO ka niteny hoe: Aza midina any Ejipta ianao fa mitoera eo amin’ny tany izay holazaiko aminao.
3
Mivahinia eto amin’ity tany ity ianao, dia homba anao sy hitahy anao Aho. Fa ianao sy ny taranakao no homeko ireto tany rehetra ireto ka hotanako ny fianianana izay nataoko tamin’i Abrahama rainao.
4
Hahamaro ny taranakao ho tahaka ny kintana eny amin’ny lanitra Aho ka homeko ny taranakao ireto tany rehetra ireto. Ary amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany,
5
satria i Abrahama dia nihaino ny feoko ka nitandrina ny didiko sy ny fitsipiko ary ny lalànako izay nasaiko notandremany.
6
Dia nitoetra tany Gerara Isaka.
7
Ary nanontany azy ny amin’ny vadiny ny lehilahy tompon-tany ka hoy izy: Anabaviko izy. Fa natahotra izy hilaza hoe Vadiko izy, fandrao hamono azy ny lehilahy tompon-tany noho i Rebeka, satria tsara tarehy Ravehivavy.
8
Rehefa nitoetra ela teo izy dia nitsirika teo am-baravarankely i Abimeleka, mpanjakan’ny Filistina, ka nahita fa indro, nisangy tamin’i Rebeka vadiny Isaka.
9
Dia niantso an’Isaka i Abimeleka ka niteny hoe: Hita mihitsy fa vadinao izy, koa nahoana no nolazainao hoe Anabaviko izy? Dia hoy Isaka taminy: Satria hoy aho anakampo hoe: Fandrao ho faty noho ny aminy aho.
10
Hoy i Abimeleka: Inona izao nataonao taminay izao? Saiky nisy nandry tamin’ny vadinao ny olona, dia ho nahatonga heloka taminay ianao!
11
Dia nandidy ny vahoaka rehetra i Abimeleka hoe: Izay mikasika an’io lehilahy io na ny vadiny dia hovonoina ho faty!
12
Ary Isaka dia namafy tamin’izany tany izany ka nahazo zato heny satria notahin’NY TOMPO izy.
13
Dia tonga nanankarena Ralehilahy ka nitombo harena hatrany ka tena tonga mpanankarena be.
14
Nahangona fananana be izy, dia ondry aman’osy sy omby ary mpanompo maro, hany ka nialona azy ny Filistina.
15
Ary ny lavaka fantsakana rehetra izay nohadin’ny mpanompon’ny rainy fony fahavelon’i Abrahama rainy, dia notampenan’ny Filistina ka nototofany tany avokoa.
16
Ary hoy i Abimeleka tamin’Isaka: Mialà eto aminay fa mahery lavitra noho izahay ianao.
17
Dia niala teo Isaka ka nanorina ny tranolainy tao an-dohasahan’i Gerara ary nonina tao.
18
Nolavahan’Isaka indray ny lavaka fantsakana izay voahady fony fahavelon’i Abrahama rainy, satria notampenan’ny Filistina ireny nony maty i Abrahama. Nomeny anarana araka ny anarana izay nomen’ny rainy azy ihany ireny.
19
Dia mbola nihady lavaka teo amin’ny lohasaha ihany koa ny mpanompon’Isaka ka nahita loharano velona tao.
20
Kanjo niady tamin’ny mpiandry ondrin’Isaka ny mpiandry ondry tao Gerara ka niteny hoe: Anay ny rano! Noho izany dia nataon’Isaka hoe Eseka, ny anaran’ilay lavaka fantsakana, satria nifandìtra taminy izy ireo.
21
Nihady lavaka fantsakana hafa indray koa izy, nefa niadiana indray io; koa nataony hoe Sitna ny anarany.
22
Dia nifindra niala teo izy ka nihady lavaka fantsakana hafa indray, fa io kosa tsy mba niadiana; koa ny anarany dia nataony hoe Rehobota; fa hoy izy: Nomen’NY TOMPO toerana malalaka isika ankehitriny, dia hihamaro eto amin’ny tany.
23
Dia niakatra niala teo Isaka ka nankany Bery-Sheba.
24
Ary NY TOMPO niseho taminy tamin’iny alina iny ka niteny hoe: Izaho no Andriamanitr’i Abrahama rainao; aza matahotra fa momba anao Aho ka hitahy anao sy hahamaro ny taranakao, noho ny amin’i Abrahama mpanompoko.
25
Dia nanorina alitara teo izy ary niantso ny anaran’NY TOMPO sady nanorina ny tranolainy teo koa; dia nihady lavaka fantsakana teo ny mpanompon’Isaka.
26
I Abimeleka mbamin’i Ahozata sakaizany sy i Pikola, mpitarika ny miaramilany, dia niala tao Gerara hankany amin’Isaka.
27
Nefa hoy Isaka taminy: Nahoana indray ianareo no mankaty amiko, kanefa mankahala ahy ianareo ka nandroaka ahy hiala teo aminareo?
28
Dia hoy izy ireo: Hitanay marimarina fa momba anao NY TOMPO, koa hoy izahay: Aoka samy hanao fianianana isika, dia izahay sy ianao, ary aoka izahay hanao fanekena aminao
29
fa tsy hanisy ratsy anay ianao, tahaka ny tsy nikasihanay anao akory sy tahaka ny tsy nanaovanay na inona na inona taminao afa-tsy ny soa ihany, satria navelanay handeha soa amantsara ianao. Efa notahin’NY TOMPO ianao ankehitriny.
30
Dia nanao fanasana ho azy Isaka ka nihinana sy nisotro izy ireo.
31
Avy eo dia nifoha vao maraina izy ireo ka nifampianiana. Dia navelan’Isaka handeha izy ireo ka lasa nody soa amantsara.
32
Tamin’izany andro izany dia avy ny mpanompon’Isaka ka nanambara taminy ny amin’ny lavaka fantsakana izay nohadiny sady niteny taminy hoe: Nahita rano izahay!
33
Nataony hoe Sheba ny anaran’io toerana io. Izany no niantsoana ny anaran’ny tanàna hoe Bery-Sheba mandraka androany.
34
Efapolo taona i Esao raha nampakatra an’i Jodita, zanakavavin’i Bery hetita, sy i Basemata, zanakavavin’i Elona hetita.
35
Nangidy tamin’Isaka sy i Rebeka loatra anefa izany.
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 27 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50