bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Genesis 23
Genesis 23
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 24 →
1
Ny andro niainan’i Saraha dia fito amby roapolo amby zato taona; izany no taona niainan’i Saraha.
2
Ary maty tao Kiriata-Arba na Hebrona, tany amin’ny tany Kanana, i Saraha. Dia tonga i Abrahama hisaona an’i Saraha sy hitomany azy.
3
Ary nitsangana niala avy teo anilan’ny fatin’ny vadiny i Abrahama dia niteny tamin’ireo taranak’i Heta hoe:
4
Vahiny sy mpivahiny eto aminareo aho; omeo tany fandevenana eto aminareo aho mba handevenako ny fatin’ny vadiko izay nandao ahy.
5
Dia namaly an’i Abrahama ireo taranak’i Heta hoe:
6
Mihainoa anay, tompokolahy: Andrian-dehibe eto aminay ianao; koa izay tsara indrindra amin’ny fasanay no andeveno ny fatin’ny vadinao; tsy misy aminay tsy hanome ny fasany ho anao mba handevenanao ny fatin’ny vadinao.
7
Dia nitsangana i Abrahama ka niankohoka teo anatrehan’ireo taranak’i Heta tompon-tany,
8
ary hoy izy tamin’ireo: Raha sitrakareo ary ny handevenako ny fatin’ny vadiko izay nandao ahy dia mihainoa ahy, koa iangavio kely i Efrona, zanak’i Zohara,
9
mba homeny ahy ilay zohiny ao Makpela, dia ilay eo amin’ny sisin’ny sahany; koa amin’izay vola tokony ho vidiny no aoka hanomezany azy ho ahy eto aminareo ho tany fandevenana.
10
Ary i Efrona dia niara-nipetraka tamin’ireo taranak’i Heta. Namaly an’i Abrahama i Efrona hetita teo anatrehan’ireo taranak’i Heta, dia izay rehetra niditra teo am-bavahadin’ny tanànany, ka niteny hoe:
11
Tsia, tompokolahy fa mihainoa ahy! Ny saha dia omeko anao ary ny zohy izay ao anatiny koa dia omeko anao. Eto imason’ny zanaky ny fireneko no anomezako azy ho anao; aleveno ny fatin’ny vadinao.
12
Dia niankohoka teo anatrehan’ireo tompon-tany i Abrahama
13
ka niteny tamin’i Efrona teo anatrehan’ireo tompon-tany hoe: Raha mba hihaino ahy ihany anefa ianao dia homeko ny vidin’ny saha; raiso avy amiko izany dia haleviko ao ny fatin’ny vadiko.
14
Fa hoy ny navalin’i Efrona an’i Abrahama:
15
Tompokolahy, mihainoa ahy! Raha izay tany tokony ho lafo sekela volafotsy efajato io, inona anefa moa izany amintsika roa lahy, fa aleveno ny fatin’ny vadinao.
16
Neken’i Abrahama ny tenin’i Efrona ka nolanjainy ho azy teo anatrehan’ireo taranak’i Heta ny vola izay voalazany, dia sekela volafotsy efajato araka ny sandany eo amin’ny mpivarotra.
17
Araka izany, ny sahan’i Efrona, izay teo Makpela, tandrifin’i Mamre, dia ny saha sy ny zohy izay tao anatiny mbamin’ny hazo rehetra izay tao amin’ny saha, izay teo amin’ny sisiny rehetra manodidina,
18
dia natao varo-maty tamin’i Abrahama ho fananany, teo imason’ireo taranak’i Heta, dia izay rehetra niditra teo am-bavahadin’ny tanànany.
19
Rehefa vita izany dia nandevina an’i Saraha vadiny tao amin’ny zohy tao amin’ny saha Makpela tandrifin’i Mamre na Hebrona, ao amin’ny tany Kanana, i Abrahama.
20
Koa ny saha mbamin’ny zohy izay ao anatiny dia nataon’ireo taranak’i Heta varo-maty tamin’i Abrahama ho tany fandevenana.
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 24 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50