bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Genesis 25
Genesis 25
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 24
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 26 →
1
Nampaka-bady indray i Abrahama ka Ketora no anaran’izy io.
2
Izy dia niteraka an’i Zimrana, i Joksana, i Medana, i Midiana, i Jisbaka ary i Soaha tamin’i Abrahama.
3
Ary i Joksana dia niteraka an’i Sheba sy i Dedana. Ary ny zanakalahin’i Dedana dia i Asorima sy i Letosima ary i Leomima.
4
Ary ny zanakalahin’i Midiana dia i Efaha, i Efera, i Hanoka, i Abida ary i Eldaha. Ireo rehetra ireo no taranak’i Ketora.
5
Dia natolotr’i Abrahama an’Isaka izay rehetra nananany.
6
Nefa samy notolorany fanomezana avy ireo zanak’i Abrahama tamin’ireo vady tsindranony hafa ka nampandehaniny hiala amin’Isaka zanany hiantsinanana ho any amin’ny tany atsinanana dieny mbola velona izy.
7
Dimy amby fitopolo amby zato taona ny andro niainan’i Abrahama.
8
Dia niala aina i Abrahama ka maty, rehefa fotsy volo tsara sady lahiantitra ela niainana; dia nangonina any amin’ny razany izy.
9
Nalevin’Isaka sy Ismaela zanany tao amin’ilay zohy ao Makpela izy; tao amin’ny sahan’i Efrona, zanak’i Zohara hetita, izay tandrifin’i Mamre izany.
10
Io ilay saha izay novidin’i Abrahama tamin’ireo taranak’i Heta. Tao no nandevenana an’i Abrahama sy i Saraha vadiny.
11
Taorianan’ny nahafatesan’i Abrahama dia notahin’Andriamanitra Isaka zanany. Ary nonina teo akaikin’i Bera-Lahay-Roỳ Isaka.
12
Ireto no taranak’Ismaela, zanakalahin’i Abrahama izay naterak’i Hagara, ilay Ejiptiana, mpanompovavin’i Saraha, tamin’i Abrahama.
13
Ireto avy no anaran’ny zanakalahin’Ismaela, araka ny anarany sy araka ny taranany: I Nebaiota, lahimatoan’i Ismaela, i Kedara, i Adbela, i Mibsama,
14
i Misma, i Doma, i Masa,
15
i Hadada, i Tema, i Jetora, i Nafisy ary i Kedema.
16
Ireo no zanakalahin’Ismaela, ary ireo no anarany, araka ny vohiny sy ny tobiny, dia andriana roa amby folo araka ny fireneny avy.
17
Fito amby telopolo amby zato taona ny andro niainan’Ismaela; dia niala aina izy ka maty ary nangonina any amin’ny razany.
18
Ary ny taranany dia nonina hatrany Havila ka hatrany Sora izay tandrifin’i Ejipta amin’ny lalana mankany Asiria; nifanandrify tamin’ny rahalahiny rehetra no nitoerany.
19
Ireto no taranak’Isaka, zanakalahin’i Abrahama:
20
I Abrahama dia niteraka an’Isaka. Efapolo taona Isaka raha nampakatra an’i Rebeka, zanakavavin’i Betoela arameana, avy tany Padana-Arama, sady anabavin’i Labana arameana.
21
Ary Isaka dia nangataka tamin’NY TOMPO ho an’ny vadiny, satria momba izy, dia nohenoin’NY TOMPO ny fangatahany ka nanana anaka i Rebeka vadiny.
22
Ary nifanosika ny zaza kambana tao an-kibony, dia hoy i Rebeka: Raha izany, nahoana re no dia toy izao aho? Sady lasa nanontany NY TOMPO izy.
23
Hoy NY TOMPO taminy: Firenena roa no ao an-kibonao, ary vahoaka roa toko no hisaraka hatrany an-kibonao; ny vahoaka iray toko dia hahery noho ny iray, koa ny zokiny dia hanompo ny zandriny.
24
Nony tonga ny andro hahaterahany, indreo nisy zaza kambana tao an-kibony.
25
Dia teraka ny voalohany ka mena; tahaka ny akanjo volom-biby ny tenany manontolo ka nataony hoe Esao ny anarany.
26
Taorianan’izay dia teraka koa ny rahalahiny, ary ny tanany nihazona ny voditongotr’i Esao, dia nataony hoe Jakoba ny anarany. Enimpolo taona Isaka raha niteraka azy mirahalahy ireo.
27
Dia nitombo ireo zaza ireo. I Esao dia lehilahy nahay nihaza, mpandehandeha any an-tsaha, fa i Jakoba kosa dia lehilahy tso-piaina sady mpitoetra an-tranolay.
28
Ary Isaka dia tia an’i Esao satria nankafy ny hazany izy; fa i Rebeka kosa dia tia an’i Jakoba.
29
Indray andro, raha nahandro sakafo i Jakoba, dia tonga avy tany an-tsaha i Esao ka reraka.
30
Hoy i Esao tamin’i Jakoba: Mba omeo amin’io mena io aho hohaniko, dia io mena io, fa reraka aho. Izany no nanaovana ny anarany hoe Edoma.
31
Hoy anefa ny navalin’i Jakoba azy: Amidio amiko ary aloha ny fizokianao.
32
Hoy kosa i Esao: Indro, ho faty ihany aho; koa misy antony inona amiko izay fizokiana?
33
Hoy i Jakoba: Mianiàna amiko ary aloha. Dia nianiana taminy izy ka namidiny tamin’i Jakoba ny fizokiany.
34
Ary nanome mofo sy voanemba masaka an’i Esao i Jakoba. Dia nihinana sy nisotro izy ary niainga ka lasa nandeha. Izany no nanamavoan’i Esao ny fizokiany.
← Chapter 24
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 26 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50