bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Genesis 21
Genesis 21
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 22 →
1
Ary NY TOMPO namangy an’i Saraha araka ilay efa nolazainy. Araka izay rehetra efa noteneniny no nataon’NY TOMPO tamin’i Saraha.
2
Dia nanana anaka i Saraha ka niteraka zazalahy tamin’i Abrahama na dia antitra aza izy, tamin’ny fotoana izay nolazain’Andriamanitra taminy.
3
Ary ny anaran’ny zanany vao teraka, ilay naterak’i Saraha taminy, dia nataon’i Abrahama hoe Isaka.
4
Dia noforan’i Abrahama Isaka zanany rehefa valo andro, araka ny didy nomen’Andriamanitra azy.
5
Zato taona i Abrahama raha niteraka an’Isaka zanany.
6
Dia hoy i Saraha: Nampihomehezin’Andriamanitra aho; izay rehetra mandre dia hiara-mihomehy amiko.
7
Hoy koa izy: Iza moa no nanampo hilaza amin’i Abrahama fa hampinono zaza i Saraha? Kanjo niteraka zazalahy taminy ihany aho na dia efa antitra aza izy!
8
Rehefa lehibe ny zaza dia nosarahina nono. Nanao fanasana lehibe tamin’ny andro nanasarahana nono an’Isaka i Abrahama.
9
Ary hitan’i Saraha fa nihomehy azy ny zanak’i Hagara ejiptiana, izay naterany tamin’i Abrahama.
10
Dia hoy izy tamin’i Abrahama: Roahy io mpanompovavy io sy ny zanany, fa ny zanak’io mpanompovavy io dia tsy hiray lova amin’Isaka zanako!
11
Nahatezitra be an’i Abrahama anefa izany teny izany noho ny amin’ny zanany.
12
Hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: Aza atao mahatezitra anao ny amin’ny zaza sy ny mpanompovavinao. Fa na inona lazain’i Saraha aminao na inona dia ekeo ny teniny; fa avy amin’Isaka no hisy taranaka hantsoina amin’ny anaranao.
13
Nefa ny zanak’ilay mpanompovavy koa dia hataoko firenena satria naterakao ihany izy.
14
Dia nifoha vao maraina i Abrahama ka naka mofo sy siny hoditra iray feno rano; nomeny an’i Hagara ireo ka napetrany teo an-tsorony, dia natolony azy koa ny zaza ary nampandehaniny izy mianaka. Lasa nandeha izy ireo ka nirenireny tany an-tany efitr’i Bery-Sheba.
15
Rehefa lany ny rano tao amin’ny siny hoditra dia nariany teo am-pototry ny hazo iray ny zaza.
16
Dia lasa izy nipetraka terỳ lavidavitra tandrifiny, tokony ho tratran’ny zana-tsipìka, fa hoy izy: Aoka mba tsy ho hitako izay hahafatesan’ny zaza! Ary nipetraka tandrifiny izy dia nanandratra ny feony nitomany.
17
Ren’Andriamanitra ny feon’ny zaza ka niantso an’i Hagara avy tany an-danitra ilay Anjelin’Andriamanitra niteny taminy hoe: Inona izato manjo anao, ry Hagara? Aza matahotra fa efa ren’Andriamanitra ny feon’ny zaza eo amin’izay misy azy.
18
Mitsangàna, areno ny zaza ka hazòny mafy amin’ny tananao; fa hataoko firenena lehibe izy.
19
Dia nampahiratin’Andriamanitra ny mason’i Hagara ka nahita lavaka fantsakana izy; lasa nankeo izy, nameno rano ny siny hoditra ka nampisotro rano ny zaza.
20
Ary nomban’Andriamanitra ny zaza ka nitombo; nonina tany an-tany efitra izy ka nony efa lehibe dia tonga mpandefa tsipìka.
21
Nonina tany an-tany efitra Parana izy ka nakan’ny reniny vady avy tany amin’ny tany Ejipta.
22
Tamin’izany andro izany i Abimeleka sy i Pikola, komandin’ny miaramilany, dia niteny tamin’i Abrahama hoe: Omban’Andriamanitra ianao amin’izay rehetra ataonao.
23
Koa ankehitriny, ianiano amin’Andriamanitra aho fa tsy hamitaka ahy na ny zanako na ny taranako ianao; fa araka ny soa izay nataoko taminao no mba hataonao amiko sy amin’ny tany izay ivahiniananao.
24
Dia hoy i Abrahama: Mianiana aho.
25
Ary nananatra an’i Abimeleka i Abrahama noho ny lavaka fantsakana iray izay nalain’ny mpanompon’i Abimeleka an-keriny.
26
Dia hoy i Abimeleka: Tsy fantatro izay nahavita izany satria tsy mbola nanambara tamiko ianao ary tsy mbola nahare koa aho raha tsy vao izao.
27
Ary naka ondry aman’osy i Abrahama ka nomeny an’i Abimeleka; dia nanao fanekena izy roa lahy.
28
Nanokana ondrivavy kely fito navahana tamin’ny andiany koa i Abrahama.
29
Dia hoy i Abimeleka taminy: Hatao inona ireo ondrivavy fito natokanao ireo?
30
Hoy ny navaliny: Mba horaisinao avy amin’ny tanako ireo ondrivavy fito ireo ho vavolombelona amiko fa izaho no nihady io lavaka fantsakana io.
31
Izany no nanaovana io toerana io hoe Bery-Sheba, satria teo no nianianan’izy roa lahy.
32
Dia nanao fanekena tany Bery-Sheba izy roa lahy. Ary niainga i Abimeleka sy i Pikola, komandin’ny miaramilany, ka niverina ho any amin’ny tanin’ny Filistina.
33
Namboly hazo tamarisika tany Bery-Sheba i Abrahama ka tao no niantsoany ny anaran’NY TOMPO, dia Andriamanitra Mandrakizay.
34
Ary nivahiny naharitra tany amin’ny tanin’ny Filistina i Abrahama.
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 22 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50