bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Genesis 4
Genesis 4
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 5 →
1
Ary nahalala an’i Eva vadiny i Adama; dia nanana anaka i Eva ka niteraka an’i Kaina, ary hoy izy: Nahazo zazalahy tamin’NY TOMPO aho.
2
Ary niteraka an’i Abela rahalahiny koa izy. Ary i Abela dia mpiandry ondry fa i Kaina kosa dia mpiasa tany.
3
Rehefa afaka elaela dia nitondran’i Kaina ho fanatitra ho an’NY TOMPO ny vokatry ny tany.
4
Ny an’i Abela kosa dia avy amin’izay matavy tamin’ny voalohan-teraky ny ondriny no nitondrany. Ary NY TOMPO nankasitraka an’i Abela mbamin’ny fanatiny;
5
fa i Kaina mbamin’ny fanatiny kosa dia tsy mba nankasitrahany. Dia tezitra indrindra i Kaina sady nanjombona ny tarehiny.
6
Hoy NY TOMPO tamin’i Kaina: Nahoana no tezitra ianao? Ary nahoana no manjombona ny tarehinao?
7
Raha tsara ny ataonao, moa tsy ho miramirana va ianao? Fa raha tsy tsara kosa ny ataonao dia mamitsaka eo am-baravarana ny ota; ary ianao no kendren’ny faniriany, kanefa ianao no tokony hanapaka aminy!
8
Ary niteny tamin’i Abela rahalahiny i Kaina hoe: Andeha isika ho any an-tsaha. Nony tany an-tsaha izy mirahalahy dia nitsangana nanatona an’i Abela rahalahiny i Kaina ka namono azy.
9
Ary hoy NY TOMPO tamin’i Kaina: Aiza i Abela rahalahinao? Fa hoy izy: Tsy fantatro! Moa mpitandrina ny rahalahiko va aho?
10
Hoy NY TOMPO: Inona moa no nataonao? Ny feon’ny ran’ny rahalahinao dia mitaraina Amiko avy amin’ny tany.
11
Ankehitriny dia voaozona ianao ka hiala amin’ny tany fonenana izay nisokatra hitelina ny ran’ny rahalahinao nalatsaky ny tananao.
12
Koa raha miasa ny tany ianao dia tsy hanome vokatra ho anao intsony izany ka ho mpanjenjena sy ho mpirenireny eny ambonin’ny tany ianao.
13
Dia hoy i Kaina tamin’NY TOMPO: Lehibe mihoatra noho izay zakako ny valin’ny heloko.
14
Indro, noroahinao hiala amin’ny tany fonenana aho androany, ary ho takona amiko ny tavanao ka ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin’ny tany aho; koa na iza na iza hahita ahy dia hamono ahy.
15
Hoy NY TOMPO taminy: Raha izany, na iza na iza hamono an’i Kaina dia hovalina fito heny izy. Ary NY TOMPO nanisy famantarana tamin’i Kaina mba tsy hisy hamono azy izay rehetra hahita azy.
16
Dia niala teo anatrehan’NY TOMPO i Kaina ka nonina tany amin’ny tany Noda, any atsinanan’i Edena.
17
Ary nahalala ny vadiny i Kaina dia nanana anaka Ravehivavy ka niteraka an’i Enoka. Ary nanorina tanàna i Kaina ka ny anaran’ilay tanàna dia nataony hoe Enoka, araka ny anaran’ny zanany lahy.
18
I Enoka dia niteraka an’Irada; Irada dia niteraka an’i Mehojaela; i Mehojaela dia niteraka an’i Metosaela; ary i Metosaela dia niteraka an’i Lameka.
19
I Lameka dia nampirafy roa: Ada no anaran’ny iray ary Zila kosa ny iray.
20
Ary i Ada dia niteraka an’i Jabala; izy no rain’ny mpitoetra an-tranolay, mpiandry omby aman’ondry.
21
Ny anaran’ny rahalahiny dia Jobala; izy no rain’ny mpitendry lokanga sy ny mpitsoka sodina rehetra.
22
I Zila dia niteraka an’i Tobala-Kaina, mpanefy fiasana maranitra, na varahina na vy. Ny anabavin’i Tobala-Kaina dia i Nama.
23
Hoy i Lameka tamin’ny vadiny: Ry Ada sy Zila ô, henoy ny feoko! Ry vadin’i Lameka, tandremo ny teniko! Nahafaty lehilahy iray aho noho ny feriko ary zaza iray noho ny ratrako.
24
Raha avo fito heny no amaliana an’izay mamono an’i Kaina dia avo fito amby fitopolo heny kosa ny ho an’izay mamono an’i Lameka!
25
Ary nahalala ny vadiny indray i Adama ka niteraka zazalahy Ravehivavy, ary ny anarany dia nataony hoe Seta; satria Andriamanitra, hoy izy, nanome ahy zanaka iray hafa ho solon’i Abela, izay novonoin’i Kaina.
26
I Seta koa dia niteraka zazalahy, ary ny anarany dia nataony hoe Enosy. Tamin’izany fotoana izany no nanombohana niantsoana ny anaran’NY TOMPO.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50