bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Genesis 40
Genesis 40
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 39
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 41 →
1
Taorianan’izany dia nahavita fahadisoana tamin’ny mpanjakan’i Ejipta tompony ny mpitondra kapoakan’ny mpanjakan’i Ejipta sy ny mpanao mofony.
2
Dia nisafoaka tamin’ireo tandapany roa lahy ireo i Farao, dia tamin’ny lehiben’ny mpitondra kapoaka sy ny lehiben’ny mpanao mofo.
3
Nataony tao an-tranomaizina izy roa lahy, tao an-tranon’ny lehiben’ny mpiambina, tao anatin’ilay tranomaizina izay nifatoran’i Josefa.
4
Notendren’ny lehiben’ny mpiambina ho eo amin’izy roa lahy i Josefa ka nanompo azy ireo izy. Ary nitoetra andro maromaro tao amin’ny tranomaizina izy roa lahy.
5
Indray alina, nanonofy izy roa lahy, dia ilay mpitondra kapoaka sy ilay mpanao mofon’ny mpanjakan’i Ejipta, izay nifatotra tao an-tranomaizina. Samy nanana ny nofiny izay samy nanana ny heviny avy izy roa lahy ireo.
6
Nony maraina ny andro dia nankao amin’izy ireo i Josefa ka nahita azy ireo nalahelo tarehy.
7
Dia nanontanian’i Josefa ireo tandapan’i Farao izay niara-nifatotra taminy tao an-tranon’ny tompony; hoy izy: Nahoana no malahelo tarehy izato ianareo?
8
Hoy izy roa lahy taminy: Nanonofy izahay ary tsy misy mahalaza ny heviny. Dia hoy i Josefa: Tsy avy amin’Andriamanitra va ny filazana ny hevitry ny nofy? Miangavy anareo aho, lazao amiko izany nofinareo izany!
9
Dia nambaran’ny lehiben’ny mpitondra kapoaka tamin’i Josefa ny nofiny; hoy izy: Nofiko fa indro, hono, nisy tahom-boaloboka teo anatrehako.
10
Ilay tahom-boaloboka dia nisampana telo. Nony nitsimoka izy dia niposaka ny voniny ary ny sampahony dia nahavanona voaloboka masaka.
11
Teny an-tanako ny kapoakan’i Farao. Nalaiko ny voaloboka ka nofiazako ho ao amin’ny kapoakan’i Farao, dia natolotro teo an-tanan’i Farao ny kapoaka.
12
Dia hoy i Josefa taminy: Izao no hevitr’izany: Ny sampany telo dia hateloana.
13
Ato anatin’ny hateloana dia hasandratr’i Farao ny lohanao ka hampodiny ho ao amin’ilay nipetrahanao ianao; hanolotra ny kapoakan’i Farao ho eo an-tanany indray ianao, tahaka ilay fanao fahiny fony ianao mpitondra kapoakany.
14
Fa mba tsarovy aho rehefa mahita soa ianao, koa trara antitra ianao, iantrao aho, dia lazao amin’i Farao aho ka avoahy amin’ity trano ity.
15
Fa nangalarina avy tany amin’ny tanin’ny Hebreo aho, nefa ange tsy nanao na inona na inona izay tokony ho nametrahana ahy ato amin’ity lavaka ity.
16
Rehefa hitan’ny lehiben’ny mpanao mofo fa tsara ny fanazavany ny hevitry ny nofy dia hoy izy tamin’i Josefa: Izaho koa dia nanonofy ka indro, hono, niloloha harona telo feno mofo fotsy aho.
17
Tao anatin’ilay harona ambony indrindra dia nisy ny karazana sakafo rehetra nataon’ny mpanao mofo ho an’i Farao. Nefa lanin’ny vorona tao anatin’ny harona izay nololohaviko izany.
18
Dia hoy i Josefa: Izao kosa no hevitr’izany: Ny harona telo dia hateloana.
19
Ato anatin’ny hateloana dia hasandratr’i Farao ho afaka aminao ny lohanao ka hahantony amin’ny hazo ianao dia hohanin’ny vorona ny nofonao.
20
Ary tamin’ny andro fahatelo, izay nitsingerenan’ny taona nahaterahany, dia nanao fanasana ho an’ny mpanompony rehetra i Farao, ka nasandrany ny lohan’ny lehiben’ny mpitondra kapoaka sy ny lohan’ny lehiben’ny mpanao mofo teo amin’ny mpanompony.
21
Ny lehiben’ny mpitondra kapoaka dia nampodiny ho amin’ny fitondrany kapoaka indray ka nanolotra ny kapoaka ho eo an-tanan’i Farao.
22
Fa ny lehiben’ny mpanao mofo kosa dia nahantony, araka izay nolazain’i Josefa tamin’izy roa lahy avy.
23
Kanjo tsy mba nahatsiaro an’i Josefa ilay lehiben’ny mpitondra kapoaka fa nanadino azy.
← Chapter 39
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 41 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50