bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Genesis 46
Genesis 46
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 45
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 47 →
1
Ary niainga Israely nitondra izay rehetra nananany ka nankany Bery-Sheba, dia namono zavatra hatao fanatitra ho an’Andriamanitr’Isaka rainy izy.
2
Ary Andriamanitra niteny tamin’Israely tamin’ny fahitana nony alina hoe: Ry Jakoba, ry Jakoba ô! Dia hoy Israely: Inty aho!
3
Dia hoy Izy: Izaho no Andriamanitra, dia Andriamanitry ny rainao. Aza matahotra ny hidina any Ejipta ianao fa hataoko firenena lehibe any ianao.
4
Izaho no hiara-midina aminao ho any Ejipta ary Izaho koa no hitondra anao miakatra indray; ary ny tanan’i Josefa no hanirina ny masonao.
5
Dia niainga i Jakoba ka niala tao Bery-Sheba. Ary ireo zanak’Israely dia nitondra an’i Jakoba rainy sy ny zanany madinika ary ny vadiny tamin’ny sarety izay nalefan’i Farao hitondrana azy.
6
Noentin’izy ireo ny omby aman’ondriny sy ny fananany izay nohariny tany amin’ny tany Kanana. Tonga tany Ejipta i Jakoba sy ny zanany rehetra niaraka taminy.
7
Ny zanany lahy sy ny zafiny lahy niaraka taminy, ary ny zanany vavy sy ny zafiny vavy; eny, noentiny niaraka taminy ho any Ejipta avokoa ny zanany rehetra.
8
Ireto no anaran’ny zanak’Israely izay tonga tany Ejipta, dia Jakoba sy ny zanany lahy:
9
I Robena, lahimatoan’i Jakoba. Ny zanakalahin’i Robena dia i Hanoka, i Palo, i Hezrona ary i Karmy.
10
Ny zanakalahin’i Simeona dia i Jemoela, i Jamina, i Ohada, i Jakina, i Zohara ary i Saoly, zanakalahin’ny vehivavy Kananita.
11
Ny zanakalahin’i Levy dia i Gersona sy i Kehata ary i Merary.
12
Ny zanakalahin’i Joda dia i Era, i Onana, i Sela, i Fareza ary i Zera. I Era sy i Onana anefa dia maty tany amin’ny tany Kanana. Ny zanakalahin’i Fareza dia i Hezrona sy i Hamola.
13
Ny zanakalahin’Isakara dia i Tola, i Pova, i Joba ary i Simrona.
14
Ny zanakalahin’i Zebolona dia i Sereda sy i Elona ary i Jahalela.
15
Ireo no zanakalahin’i Lea izay naterany tamin’i Jakoba tany Padana-Arama, ary i Dina no zanany vavy. Ny isan’ny zanany lahy rehetra mbamin’ny zanany vavy dia telo amby telopolo.
16
Ny zanakalahin’i Gada dia i Zifiona, i Hagy, i Sony, i Ezbona, i Ery, i Aroda ary i Arely.
17
Ny zanak’i Asera dia i Jimna, i Jisva, i Jisvy, i Beria ary i Sera, anabavin’ireo. Ny zanakalahin’i Beria dia i Hebera sy i Malkiela.
18
Ireo no zanak’i Zilpa izay nomen’i Labana an’i Lea zanany vavy, ary ireo no naterany tamin’i Jakoba; enina amby folo no isan’izy rehetra.
19
Ny zanakalahin’i Rahely, vadin’i Jakoba, dia i Josefa sy i Benjamina.
20
Ny zanakalahin’i Asenata, zanakavavin’i Poty-Fera, mpisorona tao Ona, izay naterak’i Josefa tany amin’ny tany Ejipta, dia i Manase sy i Efraima.
21
Ny zanakalahin’i Benjamina dia i Bela, i Bekera, i Asbela, i Gera, i Namàna, i Ehy, i Rosy, i Mopima, i Hopima ary i Arda.
22
Ireo no zanakalahin’i Rahely naterany tamin’i Jakoba. Efatra amby folo no isan’izy rehetra.
23
Ary ny zanakalahin’i Dana dia i Hosima.
24
Ny zanakalahin’i Naftaly dia i Jaziela, i Gonỳ, i Jezera ary i Silema.
25
Ireo no zanakalahin’i Bila, izay nomen’i Labana an’i Rahely zanany vavy, ary ireo no naterak’i Jakoba. Fito no isan’izy rehetra.
26
Ny isan’izay rehetra nankany Ejipta niaraka tamin’i Jakoba, dia izay naloaky ny kibony, afa-tsy ny vadin’ny zanakalahin’i Jakoba, dia enina amby enimpolo.
27
Ny zanakalahin’i Josefa izay naterany tany Ejipta dia roa lahy. Ny isan’ny terak’i Jakoba rehetra izay tonga tany Ejipta dia fitopolo.
28
Ary nirahin’i Jakoba hialoha azy any amin’i Josefa i Joda mba hanoro lalana azy ho any Gosena. Dia tonga tany amin’ny tany Gosena izy.
29
Ary nampanamboatra ny kalesiny i Josefa dia niakatra hitsena an’Israely rainy tany Gosena. Raha vao hitan’Israely i Josefa dia namihina ny vozony ka nitomany ela teo.
30
Ary hoy Israely tamin’i Josefa: Aoka ho faty amin’izay aho, satria efa hitako ny tavanao, fa mbola velona ihany ianao!
31
Ary hoy i Josefa tamin’ny rahalahiny sy ny ankohonan’ny rainy: Hiakatra aho hilaza amin’i Farao ka hiteny aminy hoe: Ny rahalahiko sy ny ankohonan’ny raiko, izay tany amin’ny tany Kanana, dia tonga atỳ amiko.
32
Mpiandry ondry ireo lehilahy ireo, mpiompy omby aman’ondry izy ireo. Noentiny avokoa ny ondry aman’osiny sy ny ombiny mbamin’izay rehetra ananany.
33
Koa raha miantso anareo i Farao ka miteny hoe: Inona no raharaha fanaonareo,
34
dia valio hoe: Miompy omby aman’ondry no raharaha fanaon’ny mpanomponao. Hatry ny fony vao zaza ka mandraka ankehitriny, dia izahay sy ny razanay. Amin’izay dia hahazo honina ao amin’ny tany Gosena ianareo satria zava-maharikoriko amin’ny Ejiptiana ny mpiandry ondry rehetra.
← Chapter 45
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 47 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50