bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Genesis 32
Genesis 32
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 31
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 33 →
1
Ary nifoha vao maraina i Labana dia nanoroka ny zanany lahy sy ny zanany vavy ka nitsodrano azy, dia lasa nandeha nody any amin’ny fonenany.
2
I Jakoba kosa raha nizotra tamin’ny lalan-kalehany dia indreo, nisy anjelin’Andriamanitra nitsena azy.
3
Ary hoy i Jakoba raha nahita azy ireo: Tobin’Andriamanitra ity! Ary ny anaran’izany toerana izany dia nataony hoe Mahanaima.
4
Ary nandefa iraka hialoha azy ho any amin’i Esao rahalahiny, any Seìra, tanin’i Edoma i Jakoba.
5
Nanome teny azy ireo anefa izy hoe: Izao no holazainareo amin’i Esao tompoko: Izao no tenin’i Jakoba mpanomponao: Nivahiny tany amin’i Labana aho ka nitoetra tany mandraka ankehitriny;
6
manana omby, boriky, ondry aman’osy ary mpanompolahy aho; mandefa iraka hanambara aminao aho, tompokolahy, mba hahitako fitia eo imasonao.
7
Rehefa niverina tany amin’i Jakoba ireo iraka dia niteny hoe: Tafahaona tamin’i Esao rahalahinao izahay, ary izy koa dia avy hitsena anao mitondra olona efajato lahy.
8
Dia natahotra indrindra i Jakoba ary nangitakitaka. Nozarainy roa toko ny olona izay nomba azy mbamin’ny ondry aman’osy sy ny omby ary ny rameva.
9
Fa hoy izy: Raha tafahaona amin’ny antokony iray i Esao ka mamely azy dia handositra kosa ny antokony iray.
10
Ary hoy i Jakoba: E! Andriamanitr’i Abrahama raiko sady Andriamanitr’Isaka raiko, dia NY TOMPO izay nilaza tamiko hoe: Modia any amin’ny taninao sy any amin’ny havanao dia hanao soa aminao Aho!
11
Tsy mendrika ho nahazo na kely akory aza tamin’ny famindrampo rehetra sy ny fahamarinana rehetra izay nataonao tamiko mpanomponao aho; tsy nitondra na inona na inona afa-tsy ny tehiko ihany aho fony nita ity Jordana ity, nefa ankehitriny, efa tonga toby roa aho.
12
O! Vonjeo amin’ny tanan’ny rahalahiko aho, dia amin’ny tanan’i Esao! Fa matahotra azy aho, fandrao avy hamely ahy sy ny vady aman-janako izy.
13
Fa Ianao no efa niteny hoe: Hanisy soa anao tokoa Aho ka hataoko maro ny taranakao tahaka ny fasika any an-dranomasina izay tsy azo isaina noho ny hamaroany.
14
Dia nitoetra teo izy tamin’iny alina iny. Naka tamin’izay teo an-tanany izy mba hampanaterina ho an’i Esao rahalahiny,
15
dia osivavy roanjato sy osilahy roapolo, ondrivavy roanjato sy ondrilahy roapolo,
16
rameva telopolo mampinono, vantotra ombivavy efapolo sy vantotra ombilahy folo, borikivavy roapolo ary zana-boriky folo.
17
Dia natolony teo an-tanan’ny mpanompony ireny, notsinjarainy isan-toko; sady hoy izy tamin’ny mpanompony: Mandehana eo alohako ary asio elanelany isaky ny toko.
18
Dia nanome teny ny voalohany izy hoe: Raha mifanena aminao i Esao rahalahiko ka manontany anao hoe: An’iza ianao ary hankaiza moa? Ary an’iza ireo alohanao ireo?
19
Dia lazao hoe: An’i Jakoba mpanomponao ireo, dia zavatra nampanaterina ho an’ny tompokolahy Esao; ary indro koa izy ao aoriananay ao.
20
Ary nanome teny ny faharoa sy ny fahatelo koa izy sy izay rehetra nandeha nanaraka ny isan-toko hoe: Araka izany teny izany no lazao amin’i Esao rehefa hitanareo izy.
21
Ary lazao koa hoe: Indro i Jakoba mpanomponao ao aoriananay ao. Fa hoy ny eritreriny: Hampionona ny fahatezerany aho amin’ireo zavatra nampialohaviko ireo ka aorianan’izany vao hahita ny tavany aho; koa angamba hahazo fitia aminy aho!
22
Dia lasa nialoha azy ireny zavatra nampanateriny ireny, fa izy dia mbola nitoetra teo amin’ny toby ihany tamin’io alina io.
23
Dia nitsangana tamin’iny alina iny ihany izy ka nitondra ny vadiny roa sy ny mpanompovaviny roa ary ny zanany lahy iraika amby folo, dia nita tamin’ny fitàna tao Jaboka.
24
Naka azy ireo izy, dia nampita azy tamin’ny renirano ary nampitainy koa ny fananany.
25
Ary i Jakoba irery no sisa nitoetra teo. Dia nisy lehilahy iray nitolona taminy mandra-pahatongan’ny andro ho mazava ratsy.
26
Rehefa hitan’ilay lehilahy fa tsy naharesy an’i Jakoba Izy dia nokapohiny ny foto-pen’i Jakoba ka nivika, tamin’izy nitolona Taminy iny.
27
Dia hoy Izy: Avelao Aho handeha fa efa mazava ratsy ny andro. Fa hoy kosa i Jakoba: Tsy avelako handeha Ianao raha tsy tahinao aho.
28
Ary hoy Izy taminy: Iza moa no anaranao? Dia hoy izy: Jakoba.
29
Hoy indray Izy: Tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao fa Israely satria nitolona tamin’Andriamanitra sy tamin’ny olona ianao ka nahery.
30
Dia nanontany i Jakoba hoe: Miangavy Anao aho, mba lazao izay anaranao! Ary hoy Izy: Nahoana no anontanianao ny anarako? Dia nitahy azy teo Izy.
31
Ary ny anaran’izany toerana izany dia nataon’i Jakoba hoe Peniela fa hoy izy: Nahita an’Andriamanitra nifanatrika tamiko aho, nefa voavonjy ny aiko.
32
Dia niposaka taminy ny masoandro raha niala teo Peniela izy, ary nandringa izy noho ny feny.
33
Izany no tsy ihinanan’ny Zanak’Israely ny hozatry ny tonon-taolam-pe mandraka androany satria nikapoka ny foto-pen’i Jakoba teo amin’ny hozatry ny tonon-taolany Izy.
← Chapter 31
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 33 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50