bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Genesis 13
Genesis 13
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 14 →
1
Ary niakatra niala tany Ejipta ho any Negeva i Abrama, dia izy sy ny vadiny mbamin’ny fananany rehetra. Ary niaraka taminy koa i Lota.
2
Ary nanana harena be i Abrama, dia omby aman’ondry sy volafotsy ary volamena.
3
Ary mbola nandeha ihany izy ka nifindrafindra, hatrany Negeva ka hatrany Betela izay niorenan’ny tranolainy tamin’ny voalohany, teo anelanelan’i Betela sy i Ay,
4
teo amin’ny tany izay nisy ilay alitara nataony tamin’ny voalohany; ary niantso ny anaran’NY TOMPO teo i Abrama.
5
Ary i Lota koa, izay niara-nandeha tamin’i Abrama, dia mba nanana ondry sy omby ary tranolay.
6
Ary tsy omby azy roa lahy hiarahany monina ny tany satria be loatra ny fananany avy ka tsy afaka niara-monina intsony izy ireo.
7
Dia niady ny mpiandry ombin’i Abrama sy ny mpiandry ombin’i Lota. Ny Kananita sy ny Perizita no nonina tao Kanana tamin’izany fotoana izany.
8
Ary hoy i Abrama tamin’i Lota: Aoka re mba tsy hisy ady amiko sy aminao, na amin’ny mpiandry ombiko sy ny mpiandry ombinao, fa mpihavana isika.
9
Moa tsy eo anoloanao va ny tany rehetra? Miangavy anao aho, aoka hisara-dalana isika: Raha mianavaratra ianao dia hianatsimo aho, fa raha mianatsimo kosa ianao dia hianavaratra aho.
10
Dia nanopy ny masony i Lota ka nitazana ny tany rehetra teny amoron’i Jordana hatrany akaikin’i Zoara fa azon-drano avokoa izy ireo, tahaka ny sahan’NY TOMPO sy tahaka ny tany Ejipta. Talohan’ny nandravan’NY TOMPO an’i Sodoma sy i Gomora izany.
11
Dia nifidy ny tany rehetra teo amoron’i Jordana i Lota ary niainga niantsinanana; toy izany no nisarahan’izy roa lahy.
12
I Abrama dia nonina tao amin’ny tany Kanana, fa i Lota kosa dia nonina tany amin’ireo tanàna amin’ny faritra manamorona an’i Jordana ka namindrafindra ny tobiny hatrany Sodoma.
13
Ary ny mponina tao Sodoma dia tena ratsy fanahy sady tena mpanota teo imason’NY TOMPO.
14
Taorianan’ny nisarahan’i Lota tamin’i Abrama dia niteny taminy NY TOMPO hoe: Atopazy avy eto amin’ity toerana misy anao ity ny masonao ka mitazàna mianavaratra sy mianatsimo, ary miantsinanana sy miankandrefana,
15
fa ny tany rehetra izay tazanao dia homeko anao sy ny taranakao mandrakizay.
16
Hataoko maro tahaka ny vovo-tany ny taranakao; koa raha misy olona mahaisa ny vovo-tany dia ho azo isaina koa ny taranakao.
17
Mitsangàna ianao ka mandehana mitety ny tany amin’ny lavany sy ny sakany fa homeko anao izany.
18
Ary namindrafindra ny tobiny i Abrama dia nandeha ka nonina teo amin’ireo hazo terebintan’i Mamre izay any Hebrona. Teo izy no nanorina alitara ho an’NY TOMPO.
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50