bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Genesis 12
Genesis 12
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 13 →
1
Ary hoy NY TOMPO tamin’i Abrama: Mandehana miala amin’ny taninao sy ny havanao ary ny tranon’ny rainao hankany amin’ny tany izay hasehoko anao.
2
Hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ho fitahiana tokoa ianao.
3
Hitahy izay manisy soa anao Aho, fa hanozona izay manozona anao. Aminao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.
4
Dia nandeha i Abrama, araka izay nolazain’NY TOMPO taminy, ary mba niaraka taminy koa i Lota. Efa dimy amby fitopolo taona i Abrama raha niala tao Harana.
5
Ary i Abrama dia nitondra an’i Saray vadiny sy i Lota zana-drahalahiny mbamin’ny fananan’izy rehetra izay noharìny sy ny olona izay azony tao Harana. Niainga izy ireo hankany amin’ny tany Kanana, dia tonga tany amin’ny tany Kanana.
6
Ary i Abrama dia nitety ny tany hatrany Sekema, hatreo amin’ny hazo terebintan’i More. Ny Kananita no tao amin’ny tany Kanana tamin’izany fotoana izany.
7
Ary NY TOMPO niseho tamin’i Abrama ka niteny hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity. Dia teo izy no nanorina alitara ho an’NY TOMPO izay niseho taminy.
8
Ary nifindra niala teo hankany amin’ny tendrombohitra atsinanan’i Betela izy ka nanorina ny tranolainy teo anelanelan’i Betela teo andrefany ary i Ay teo atsinanany. Nanorina alitara ho an’NY TOMPO teo koa izy ka niantso ny anaran’NY TOMPO.
9
Dia niainga indray i Abrama ka nandroso niandalana ho any Negeva.
10
Ary nisy mosary teo amin’ny tany; dia nidina nankany Ejipta i Abrama mba hivahiny any fa mafy ny mosary teo amin’ny tany.
11
Rehefa akaiky ho tonga tany Ejipta izy dia hoy izy tamin’i Saray vadiny: Indro, fantatro fa vehivavy tsara tarehy ianao,
12
koa raha hitan’ny Ejiptiana dia hataony hoe vadiny io! Dia hovonoiny aho fa ianao kosa dia hovelominy.
13
Miangavy anao aho, lazao fa anabaviko ianao mba hanisiany soa ahy noho ny aminao ka ho velona aho noho ny aminao.
14
Rehefa tonga tany Ejipta i Abrama dia hitan’ny Ejiptiana fa tsara tarehy tokoa Ravehivavy.
15
Nahita azy koa ireo tandapan’i Farao ka nidera azy tamin’i Farao; dia noentina tao an-tranon’i Farao izy.
16
Ary nasian’i Farao soa i Abrama noho ny amin’i Saray; nahazo ondry, omby, borikilahy, mpanompolahy, mpanompovavy, borikivavy ary rameva izy.
17
Nasian’NY TOMPO areti-mandoza anefa i Farao sy ny ankohonany noho ny amin’i Saray, vadin’i Abrama.
18
Dia nampaka an’i Abrama i Farao ka niteny hoe: Inona izao nataonao tamiko izao? Nahoana no tsy nambaranao tamiko fa vadinao izy?
19
Nahoana ianao no nilaza hoe: Anabaviko izy? Nefa noho izay no nakako azy ho vady. Koa ankehitriny, indro ny vadinao, ento any izy dia mandehana!
20
Dia nanome baiko ireo mpanompony i Farao handefa an’i Abrama sy ny vadiny mbamin’ny fananany rehetra.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50