bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Genesis 9
Genesis 9
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 10 →
1
Nitahy an’i Noa sy ny zanany Andriamanitra ka niteny hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany.
2
Hanan-tahotra sy hihorohoro aminareo ny bibidia rehetra sy ny voromanidina rehetra; ireny mbamin’izay rehetra mandady na mikisaka amin’ny tany sy ny hazandrano rehetra ao amin’ny ranomasina dia efa natolotra ho eo an-tananareo.
3
Ny biby mihetsiketsika rehetra izay miaina dia ho fihinanareo; omeko anareo toy ny zava-maitso koa izy rehetra.
4
Kanefa ny nofo izay mbola misy aina, dia ny rany izany, no aza haninareo.
5
Fa hampamoahiko kosa ny ranareo satria ainareo izany; eo amin’ny tanan’ny mananaina rehetra no hampamoahako azy; ary eo amin’ny tanan’ny olona, dia eo amin’ny tanan’ny olona tsirairay, no hampamoahiko ny ain’ny olona.
6
Izay mandatsaka ny ran’olona dia mba halatsak’olona kosa ny rany, satria tahaka ny endrik’Andriamanitra no nanaovany ny olona.
7
Koa ny aminareo dia maroa fara sy mihabetsaha; aoka ho marobe eny ambonin’ny tany ianareo ary mihabetsaha eny.
8
Ary Andriamanitra mbola niteny tamin’i Noa sy tamin’ireo zanany izay niaraka taminy hoe:
9
Raha ny Amiko dia indro, manorina ny fanekeko aminareo sy amin’ny taranakareo handimby anareo Aho,
10
ary amin’ny zavamananaina rehetra eo aminareo, na ny vorona na ny biby fiompy na ny bibidia rehetra eo aminareo, izay rehetra nivoaka avy tao anatin’ny sambofiara, dia ny biby samihafa rehetra.
11
Dia aoriko ny fanekeko aminareo ka tsy haringako amin’ny safodrano intsony ny nofo rehetra, ary tsy hisy safodrano hanimba ny tany intsony.
12
Ary hoy ihany Andriamanitra: Izao no famantarana ny fanekena izay ataoko Amiko sy aminareo mbamin’ny zavamananaina rehetra eo aminareo hatramin’ny taranaka fara aman-dimby:
13
Ny avako dia apetrako eo amin’ny rahona ho famantarana ny fanekena Amiko sy amin’ny tany.
14
Rehefa mampiangona rahona eo ambonin’ny tany Aho ka hita eo amin’ny rahona ny avana
15
dia hotsarovako ny fanekeko izay Amiko sy aminareo mbamin’ny zavamananaina, dia ny nofo rehetra; tsy hisy safodrano handringana ny nofo rehetra intsony.
16
Ho eo amin’ny rahona ny avana; hitsinjo azy Aho mba hahatsiarovako ny fanekena mandrakizay izay amin’Andriamanitra sy amin’ny zavamananaina rehetra, dia ny nofo rehetra ambonin’ny tany.
17
Ary hoy Andriamanitra tamin’i Noa: Izany no famantarana ny fanekena izay naoriko Amiko sy amin’ny nofo rehetra etỳ ambonin’ny tany.
18
Ny zanakalahin’i Noa nivoaka avy tamin’ny sambofiara dia i Sema sy i Hama ary i Jafeta. I Hama no rain’i Kanana.
19
Ireo telo lahy ireo no zanak’i Noa. Avy tamin’ireo no nielezan’ny olona tetỳ ambonin’ny tany rehetra.
20
Ary tonga mpamboly i Noa ka namboly voaloboka.
21
Ary nisotro divay izy ka mamo; dia nanary lamba izy ka nitanjaka tao anatin’ny tranolainy.
22
Ary hitan’i Hama, rain’i Kanana, ny fitanjahan’ny rainy ka nambarany tamin’ny rahalahiny roa lahy teo ivelany izany.
23
Fa naka lamba i Sema sy i Jafeta ka noentin’izy mirahalahy teo an-tsorony io, ary nanao dia mianòtra izy ka nandrakotra ny fitanjahan’ny rainy; ary ny tavany dia tsy nanatrika ka tsy hitany ny fitanjahan’ny rainy.
24
Dia nahatsiaro i Noa rehefa afaka ny hamamoany ka nahafantatra izay nataon’ny zanany faralahy taminy.
25
Dia hoy izy: Ho voaozona anie i Kanana! Ho tena mpanompon’ny rahalahiny anie izy!
26
Ary hoy koa izy: Isaorana anie NY TOMPO, Andriamanitr’i Sema, ary aoka i Kanana ho mpanompony!
27
Hataon’Andriamanitra malalaka anie ny toeran’i Jafeta, aoka honina ao an-dain’i Sema izy; ary aoka i Kanana ho mpanompony!
28
Ny andro niainan’i Noa taorianan’ny safodrano dia dimampolo sy telonjato taona.
29
Ary ny andro rehetra niainan’i Noa dia dimampolo sy sivinjato taona; dia maty izy.
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 10 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50