bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Genesis 39
Genesis 39
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 38
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 40 →
1
Ary i Josefa dia noentina nidina ho any Ejipta ka i Potifara, lehilahy ejiptiana, tandapan’i Farao sady lehiben’ny mpiambina, no nividy azy tamin’ireo Ismaelita izay nitondra azy nidina tany.
2
Ary NY TOMPO nomba an’i Josefa ka nambinina izy; nitoetra tao an-tranon’ilay Ejiptiana tompony izy.
3
Dia hitan’ny tompony fa nomban’NY TOMPO izy satria izay rehetra nataony dia nampahombiazin’NY TOMPO.
4
Ary i Josefa dia nahita fitia teo imason’ny tompony ka nanompo azy. Notendreny ho mpikarakara ny tao an-tranony izy ka izay rehetra nananany dia natolony ho andraikiny.
5
Ary hatramin’izay nanendren’ny tompony azy ho mpikarakara ny tao an-tranony, mbamin’izay rehetra nananany, dia notahin’NY TOMPO ny tranon’ilay Ejiptiana noho ny amin’i Josefa; ny fitahian’NY TOMPO dia tamin’izay rehetra nananany, na ny tao an-trano, na ny tany an-tsaha.
6
Dia navelany ho andraikitr’i Josefa izay rehetra nananany; ary satria nanana azy i Potifara dia tsy nihevitra zavatra hafa intsony afa-tsy ny sakafony ihany. Ary i Josefa dia bikana sady tsara tarehy.
7
Taorianan’izany ny vadin’ny tompony dia nanomboka nijery an’i Josefa ka niteny hoe: Avia handry amiko.
8
Nandà anefa izy ka niteny tamin’ny vadin’ny tompony hoe: Indro, satria manana ahy ny tompoko, dia tsy mihevitra na inona na inona ato an-trano izy, fa izay rehetra ananany dia natolony ho andraikitro avokoa.
9
Tsy misy lehibe noho izaho ato amin’ity trano ity, ary tsy misy zavatra narovany amiko afa-tsy ianao ihany satria vadiny ianao. Koa hataoko ahoana no hanao izany heloka lehibe izany ka hanota amin’Andriamanitra?
10
Ary na dia niteny tamin’i Josefa isanandro aza Ravehivavy dia tsy nety nanaiky azy handry aminy izy.
11
Indray andro, niditra hanatanteraka ny raharahany tao an-trano i Josefa, sendra tsy nisy mpanompo tao an-trano tamin’izay,
12
dia nisambotra azy tamin’ny akanjony Ravehivavy ka niteny hoe: Avia handry amiko! Navelan’i Josefa teny an-tanany anefa ny akanjony dia lasa nandositra tany alatrano izy.
13
Rehefa hitan-dRavehivavy fa navelany teny an-tanany ny akanjony sady lasa nandositra tany alatrano izy
14
dia niantso ireo olona tao an-tranony izy ka nilaza taminy hoe: Indro, nampiditra lehilahy hebreo tato amintsika izy hisangy antsika. Nanatona ahy mba handry amiko iny dia niantso tamin’ny feo mahery aho.
15
Nony reny fa nanandratra ny feoko aho ka niantsoantso dia navelany teto anilako ny akanjony ka lasa nandositra any alatrano izy.
16
Dia napetraky Ravehivavy teo anilany ilay akanjon’i Josefa, mandra-pahatongan’ny tompony tao an-trano.
17
Dia nilaza taminy araka ireo teny ireo izy hoe: Nanatona ahy ilay mpanompolahy hebreo izay noentinao ho eto amintsika mba hisangy ahy.
18
Rehefa nanandratra ny feoko aho ka niantsoantso dia navelany eto anilako ny akanjony ka lasa nandositra any alatrano izy.
19
Rehefa ren’ny tompony ny tenin’ny vadiny izay niteny taminy hoe: Araka izany voalazako izany no nataon’ilay mpanompolahinao tamiko, dia nirehitra ny fahatezerany.
20
Dia naka an’i Josefa ny tompony ka nampiditra azy tao amin’ny tranomaizina izay fitoeran’ny mpifatotra diso tamin’ny mpanjaka. Koa nitoetra tao an-tranomaizina izy.
21
Nomba an’i Josefa anefa NY TOMPO ka namindra fo taminy ary nampahita fitia azy teo imason’ny mpiambina ny tranomaizina.
22
Koa natolotry ny mpiambina ny tranomaizina ho andraikitr’i Josefa ny mpifatotra rehetra izay tao an-tranomaizina ary izy no tomponandraikitra tamin’izay rehetra nataon’ireo tao.
23
Tsy mba nikarakara na inona na inona intsony tamin’izay teo am-pelatanany ny mpiambina ny tranomaizina, satria NY TOMPO nomba an’i Josefa, ary izay nataony dia nambinin’NY TOMPO.
← Chapter 38
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 40 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50