bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Genesis 18
Genesis 18
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 19 →
1
Ary NY TOMPO niseho tamin’i Abrahama teo amin’ireo hazo terebinta n’i Mamre, raha izy nipetraka teo am-baravaran’ny tranolainy, tamin’ny fotoana nampafana ny andro.
2
Dia nanopy ny masony izy ka nijery ary indreo, nisy telo lahy nijoro tandrifiny. Nony nahita ireo izy dia niala teo am-baravaran’ny tranolainy ka nihazakazaka hitsena azy ireo, dia niankohoka tamin’ny tany
3
ary niteny hoe: Tompo ô, raha mahita fitia eto imasonao aho, miangavy anao aho, aza dia andalovana fotsiny ny mpanomponao.
4
Aoka hakana rano kely ianareo hanasana ny tongotrareo, ary aoka mba hiala sasatra kely eo am-pototry ny hazo ianareo!
5
Dia haka mofo kely aho hataonareo ody am-bavafo; rehefa afaka izany dia handeha ihany ianareo; fa tonga atỳ amin’ny mpanomponareo ianareo. Hoy izy telo lahy: Eny ary, ataovy araka izay lazainao.
6
Dia nandeha haingana i Abrahama nankany an-day tany amin’i Saraha ka niteny hoe: Faingàna ianao ka makà koba tsara toto intelon’ny famarana, dia fetafetao ka anamboary mofo.
7
Nihazakazaka kosa i Abrahama nankany amin’ny omby, dia naka zanak’omby tanora sady tsara ka nanolotra azy tamin’ny zatovo, izay lasa haingana hanamboatra izany.
8
Ary naka rononomandry sy ronono ary ilay zanak’omby namboariny izy, dia narosony teo anoloan’izy telo lahy; nijoro teo anilan’izy telo lahy teo ambanin’ny hazo izy raha mbola nisakafo ireo.
9
Ary hoy izy telo lahy tamin’i Abrahama: Aiza i Saraha vadinao? Dia hoy izy: Indro, ao an-day izy.
10
Ary hoy Izy: Hiverina atỳ aminao tokoa Aho amin’ny herintaona toy izao; ary indro, hiteraka zazalahy i Saraha vadinao. Ary i Saraha dia nihaino teo am-baravaran’ny tranolay izay tao ambadik’Ilay niteny.
11
I Abrahama sy i Saraha dia samy efa zokiolona ary nandroso fahanterana, sady efa nitsahatra tamin’ny fombam-behivavy i Saraha.
12
Koa nihomehy anakampo i Saraha hoe: Moa mbola hanana fahafinaretana ihany va aho na dia efa tratra antitra toy izao aza sady efa antitra koa ity ny tompoko?
13
Dia hoy NY TOMPO tamin’i Abrahama: Nahoana no nihomehy i Saraha ka niteny hoe: Hiteraka tokoa va aho, kanefa izao efa antitra izao?
14
Fa moa misy zava-mahagaga izay tsy hain’NY TOMPO va? Amin’ny fotoana voatendry, amin’ny herintaona toy izao, dia hiverina atỳ aminao Aho, ary hiteraka zazalahy i Saraha.
15
Dia nandà i Saraha satria natahotra ka hoy izy hoe: Tsy nihomehy izany aho! Fa hoy Ilay niteny teo hoe: Tsia; nihomehy ianao!
16
Dia nitsangana ireo lehilahy ireo ka niala teo dia nitodi-doha ho any Sodoma; ary niaraka tamin’izy ireo i Abrahama mba hanatitra azy.
17
Ary hoy NY TOMPO hoe: Hafeniko amin’i Abrahama va izay hataoko?
18
Fa ho tonga firenena lehibe sy mahery tokoa i Abrahama, ary aminy no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ny tany.
19
Fa nifidy azy Aho mba handidy ny zanany sy ny taranany mandimby azy hitandrina ny lalan’NY TOMPO ka hanao izay marina sy mahitsy izy ireo, dia hotanterahin’NY TOMPO amin’i Abrahama izay nolazainy momba azy.
20
Hoy ihany NY TOMPO: Ny fitarainana momba an’i Sodoma sy i Gomora dia be tokoa, ary ny fahotany dia tena mavesatra.
21
Hidina Aho ka hizaha na tena nahavita izany tokoa, araka ny fitarainan’ny tany, izay tonga atỳ Amiko, izy ireo na tsia; raha tsy izany dia ho fantatro ihany.
22
Dia nihodina niala teo ireo lehilahy ireo ka nandroso ho any Sodoma. I Abrahama kosa dia mbola nijanona teo anatrehan’NY TOMPO.
23
Dia nanatona i Abrahama ka niteny hoe: Haringanao miaraka amin’ny meloka va ny marina?
24
Angamba misy olona marina dimampolo ao an-tanàna; haringanao koa va ireo fa tsy mba hamindranao fo ny tanàna noho ny dimampolo marina izay ao?
25
Sanatria Anao ny hahavita izany ka hamono ny marina miaraka amin’ny meloka, koa ny marina dia hatao tahaka ny meloka; sanatria Anao izany! Tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra?
26
Hoy NY TOMPO: Raha mahita olona marina dimampolo ao an-tanànan’i Sodoma Aho dia hamindra fo amin’io toerana io manontolo noho ireny.
27
Dia hoy i Abrahama: Indro, sahy miteny amin’ny Tompo aho nefa vovoka sy lavenona:
28
Angamba ho latsaka dimy ny olona marina dimampolo. Moa haringanao va ny tanàna manontolo noho ny dimy? Hoy Izy: Tsy handringana Aho raha mahita olona marina dimy amby efapolo ao.
29
Dia mbola niteny Taminy indray izy hoe: Angamba olona marina efapolo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba hahavita izany Aho noho ny olona marina efapolo.
30
Hoy indray i Abrahama: Aoka anie mba tsy ho tezitra ny Tompo fa mbola hiteny aho: Angamba olona marina telopolo no ho hita ao. Ary hoy NY TOMPO: Tsy mba hahavita izany Aho raha mahita olona marina telopolo ao.
31
Dia hoy ihany i Abrahama: Indro, sahy miteny amin’ny Tompo aho: Angamba olona marina roapolo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba handringana azy Aho noho ny olona marina roapolo.
32
Dia nanohy indray i Abrahama: Aoka anie mba tsy ho tezitra Ianao, Tompo ô, fa hiteny izao indray mandeha izao ihany aho: Angamba folo no ho hita ao. Ary hoy NY TOMPO: Tsy mba handringana Aho noho ny folo.
33
Dia lasa nandeha NY TOMPO rehefa vita ny teny nataony tamin’i Abrahama, ary niverina ho any amin’ny fonenany i Abrahama.
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 19 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50