bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Genesis 33
Genesis 33
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 32
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 34 →
1
Ary nanopy ny masony i Jakoba ka nahatazana fa indro tamy i Esao, mitondra efajato lahy. Dia notsinjarainy ny zaza ho amin’i Lea sy Rahely ary ho amin’ny mpanompovavy roa.
2
Nataony lohalalana ny mpanompovavy roa sy ny zanany, ary i Lea sy ny zanany no nanarakaraka, ary Rahely sy i Josefa no vodilalana.
3
Ary nandeha teo alohan’izy rehetra i Jakoba ka niankohoka impito tamin’ny tany mandra-pahatongany teo akaikin’ny rahalahiny.
4
Dia nihazakazaka nitsena azy i Esao ary nisakambina ny vozony, dia namihina sy nanoroka azy, ary samy nitomany izy mirahalahy.
5
Rehefa nanopy ny masony i Esao ka nahita ny zaza amam-behivavy dia niteny hoe: Iza moa ireto miaraka aminao ireto? Ary hoy kosa i Jakoba: Ny zaza izay nomen’Andriamanitra ny mpanomponao noho ny fahasoavany.
6
Dia nanatona ny mpanompovavy sy ny zanany ka niankohoka.
7
Nanatona koa i Lea sy ny zanany ka niankohoka; ary farany, nanatona i Josefa sy Rahely ka niankohoka.
8
Ary hoy i Esao: Inona moa no hevitr’ireny antokony rehetra nifanena tamiko ireny? Dia hoy izy: Mba hahitako fitia eto imason’ny tompokolahy.
9
Dia hoy i Esao: Manam-be ihany aho, ry rahalahiko! Aoka ihany ho anao ny anao.
10
Hoy i Jakoba: Trara antitra ianao, aza miteny an’izany! Raha mba mahita fitia eto imasonao aho dia raiso avy amiko ny zavatra nampanateriko; fa efa nahita ny tavanao tahaka ny mahita ny tavan’Andriamanitra aho sady efa nahita sitraka taminao.
11
Trara antitra ianao, raiso re ny saotra avy amiko izay nampanaterina ho anao; fa efa nanisy soa ahy Andriamanitra ka manana ny zavatra rehetra aho. Dia nanery azy i Jakoba ka nandray ihany i Esao.
12
Ary hoy i Esao: Aoka hiainga isika ka handeha eo anilanao aho.
13
Hoy anefa i Jakoba taminy: Fantatrao, tompokolahy, fa mbola osa ny zaza sady mbola mampinono ny ondry aman’osy sy ny omby ato amiko; koa raha hoterena handeha mandritra ny indray andro ihany izy ireo dia ho faty avokoa ny ondry aman’osy rehetra.
14
Trara antitra ianao, aoka Itompokolahy hialoha ny mpanompony; ary izaho kosa dia handeha miadana, araka izay dian’ny omby aman’ondry izay ho eo alohako sy ny dian’ny zaza, mandra-pahatongako any amin’ny tompokolahy any Seìra.
15
Dia hoy i Esao: Miangavy anao aho, aoka ary mba hisy havelako hiaraka aminao ny olona izay miaraka amiko. Hoy anefa i Jakoba: Inona no anton’izany? Aoka hahita fitia eto imason’Itompokolahy aho.
16
Dia niverina androtr’izay ihany tamin’ny lalany ho any Seìra i Esao.
17
Ary nifindra nankany Sokota i Jakoba ka nanorina trano ho an’ny tenany ary trano rantsan-kazo maromaro ho an’ny omby aman’ondriny. Izany no niantsoana ny anaran’io toerana io hoe Sokota.
18
Tonga soa amantsara tao an-tanànan’i Sekema, izay eo amin’ny tany Kanana, i Jakoba, rehefa avy tany Padana-Arama. Dia nitoby tandrifin’ny tanàna izy.
19
Dia novidiny kesita zato tamin’ny zanak’i Hamora, rain’i Sekema, ny tany izay nanorenany ny tranolainy.
20
Ary nanorina alitara teo izy ka nataony hoe El-Elohe-Israely ny anarany.
← Chapter 32
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 34 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50