bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Genesis 11
Genesis 11
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 12 →
1
Ny tany manontolo dia nampiasa fiteny tokana sy voambolana mitovy.
2
Ary raha niainga avy any atsinanana ny olona dia nahita lohasaha tany amin’ny tany Sinara ka nonina tao.
3
Dia nifampiresaka izy ireo hoe: Andeha isika hanao biriky dia hodorana tsara. Ary nataony solom-bato ny biriky, ary nataony solon-drihitra ny godorao.
4
Sady hoy izy: Andeha isika hanorina tanàna sy tilikambo ka hahatakatra ny lanitra ny tampony, dia hanao izay hahazoantsika laza mba tsy hielezantsika eny ambonin’ny tany rehetra!
5
Dia nidina NY TOMPO hijery ny tanàna sy ny tilikambo izay nataon’ny zanak’olombelona.
6
Ary hoy NY TOMPO: Indro, firenena tokana ny olona, sady iray fiteny izy rehetra, ary ity vao fiandohan’ny hataony. Koa ankehitriny dia tsy misy azo sakanana izay kasainy hatao na inona na inona.
7
Aoka Isika hidina ka eny no hampisavorovoroantsika ny fiteniny mba tsy hifankahalala teny izy ireo.
8
Avy tao no nampielezan’NY TOMPO azy ireo manerana ny tany manontolo; dia nitsahatra tsy nanorina ilay tanàna intsony izy.
9
Koa izany no nanaovana ny anarany hoe Babela satria tao NY TOMPO no nampisavorovoro ny fitenin’ny tany rehetra, ary avy tao no nampielezan’NY TOMPO ny olona ho eny ambonin’ny tany rehetra.
10
Ireto no taranak’i Sema: Zato taona i Sema raha niteraka an’i Arpaksada, roa taona taorianan’ny safodrano.
11
Ny andro niainan’i Sema taorianan’ny niterahany an’i Arpaksada dia dimanjato taona; niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
12
Dimy amby telopolo taona i Arpaksada raha niteraka an’i Sela.
13
Ny andro niainan’i Arpaksada taorianan’ny niterahany an’i Sela dia telo sy efajato taona; niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
14
Telopolo taona i Sela raha niteraka an’i Ebera.
15
Ny andro niainan’i Sela taorianan’ny niterahany an’i Ebera dia telo sy efajato taona; niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
16
Efatra amby telopolo taona i Ebera raha niteraka an’i Pelega.
17
Ny andro niainan’i Ebera taorianan’ny niterahany an’i Pelega dia telopolo sy efajato taona; niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
18
Telopolo taona i Pelega raha niteraka an’i Reo.
19
Ny andro niainan’i Pelega taorianan’ny niterahany an’i Reo dia sivy sy roanjato taona; niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
20
Roa amby telopolo taona i Reo raha niteraka an’i Seroga.
21
Ny andro niainan’i Reo taorianan’ny niterahany an’i Seroga dia fito sy roanjato taona; niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
22
Telopolo taona i Seroga raha niteraka an’i Nahora.
23
Ny andro niainan’i Seroga taorianan’ny niterahany an’i Nahora dia roanjato taona; niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
24
Sivy amby roapolo taona i Nahora raha niteraka an’i Tera.
25
Ny andro niainan’i Nahora taorianan’ny niterahany an’i Tera dia sivy amby folo amby zato taona; niteraka zazalahy sy zazavavy izy.
26
Fitopolo taona i Tera raha niteraka an’i Abrama sy i Nahora ary i Harana.
27
Ary izao no taranak’i Tera: I Tera dia niteraka an’i Abrama sy i Nahora ary i Harana. I Harana dia niteraka an’i Lota.
28
Mbola velona i Tera rainy tamin’ny nahafatesan’i Harana tao amin’ny tany nahaterahany, tao Oran’ny Kaldeana.
29
Samy naka vady i Abrama sy i Nahora; ny anaran’ny vadin’i Abrama dia Saray, ary ny anaran’ny vadin’i Nahora dia Milka, zanakavavin’i Harana, rain’i Milka sy rain’Iska.
30
Ary momba i Saray; tsy nanan-janaka izy.
31
Ary i Tera dia nitondra an’i Abrama zanany sy i Lota zafiny, zanak’i Harana, ary i Saray vinantovaviny, vadin’i Abrama zanany. Niara-niala taminy tao Oran’ny Kaldeana hankany amin’ny tany Kanana ireo. Tonga tao Harana izy ireo ka nonina tao.
32
Dimy sy roanjato taona ny andro niainan’i Tera raha maty tao Harana izy.
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50