bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Genesis 30
Genesis 30
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 29
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 31 →
1
Rehefa hitan’i Rahely fa tsy mba niteraka tamin’i Jakoba izy dia nialona ny rahavaviny izy ka hoy izy tamin’i Jakoba: Mba omeo zaza aho fa raha tsy izany dia ho faty!
2
Dia nirehitra tamin’i Rahely ny fahatezeran’i Jakoba ka hoy izy: Solon’Andriamanitra izay nahamomba anao tsy hiteraka va aho?
3
Ary hoy Rahely: Indro i Bila mpanompovaviko, vadio izy; dia hiteraka eo ampofoako izy, mba hahazoako zaza amin’ny alalany.
4
Dia nomeny azy i Bila mpanompovaviny ho vadiny dia novadin’i Jakoba koa.
5
Dia nanana anaka i Bila ka niteraka zazalahy tamin’i Jakoba.
6
Ary hoy Rahely: Andriamanitra nanome rariny ahy sady nihaino ny feoko ka nomeny zazalahy aho. Izany no nanaovany ny anarany hoe Dana.
7
Dia nanana anaka indray i Bila, mpanompovavin’i Rahely, ka niteraka zazalahy faharoa tamin’i Jakoba.
8
Ary hoy Rahely: Fitolomana faran’izay mafy no nitolomako tamin’ny rahavaviko ka nahery aho. Dia nataony hoe Naftaly ny anarany.
9
Rehefa hitan’i Lea fa nitsaha-jaza izy tenany dia naka an’i Zilpa mpanompovaviny izy ka nomeny ho vadin’i Jakoba koa io.
10
Ary i Zilpa, mpanompovavin’i Lea, dia niteraka zazalahy tamin’i Jakoba.
11
Ary hoy i Lea: Manan-jara re aho! Dia nataony hoe Gada ny anarany.
12
Ary i Zilpa, mpanompovavin’i Lea, dia niteraka zazalahy faharoa tamin’i Jakoba.
13
Ary hoy i Lea: Sambatra aho, fa hataon’ny zanakavavin’ny olona hoe Sambatra aho. Dia nataony hoe Asera ny anarany.
14
Ary nandeha nitsangantsangana i Robena tamin’ny fotoana fijinjam-barimbazaha dia nahita dodaima tany an-tsaha ka nitondra azy ho any amin’i Lea reniny. Ary hoy Rahely tamin’i Lea: Mba anomezo amin’ny dodaiman’ny zanakao re aho!
15
Fa hoy i Lea taminy: Tsy ampy anao va ny nakanao ny vadiko no halainao koa ny dodaiman’ny zanako? Dia hoy Rahely: Aoka ary izy handry aminao ihany anio alina ho takalon’ny dodaiman’ny zanakao.
16
Nony hariva, rehefa tonga avy tany an-tsaha i Jakoba, dia avy nitsena azy i Lea ka niteny hoe: Atỳ amiko no halehanao; fa karamako tamin’ny dodaiman’ny zanako tokoa ianao. Dia nandry taminy izy tamin’iny alina iny.
17
Ary Andriamanitra nihaino an’i Lea ka nanana anaka izy ka niteraka zazalahy fahadimy tamin’i Jakoba.
18
Dia hoy i Lea: Efa nomen’Andriamanitra ny karamako, satria nomeko hovadin’ny vadiko ny mpanompovaviko. Dia nataony hoe Isakara ny anarany.
19
Dia nanana anaka indray i Lea ka niteraka zazalahy fahenina tamin’i Jakoba.
20
Ary hoy i Lea: Notoloran’Andriamanitra fanomezana soa aho; amin’izao vao hitoetra amiko ny vadiko fa niteraka enin-dahy taminy aho. Dia nataony hoe Zebolona ny anarany.
21
Rehefa afaka izany dia niteraka zazavavy izy ka nataony hoe Dina ny anarany.
22
Ary Andriamanitra nahatsiaro an’i Rahely ka nihaino azy ary nampanana anaka azy.
23
Nanana anaka izy ka niteraka zazalahy. Dia hoy izy: Nahafa-tondro-maso ahy Andriamanitra.
24
Dia nataony hoe Josefa ny anarany, fa hoy izy: NY TOMPO anie mbola hanampy zazalahy iray ho ahy koa.
25
Rehefa niteraka an’i Josefa Rahely dia hoy i Jakoba tamin’i Labana: Avelao aho handeha any amin’ny fonenako sy ny taniko.
26
Omeo ahy ny vady aman-janako izay nanompoako anao fa handeha aho; fantatrao ny fanompoana izay nefaiko ho anao.
27
Dia hoy i Labana taminy: Miangavy anao re, aoka mba hahita fitia eo imasonao aho. Nitady famantarana aho ka fantatro fa avy taminao no nitahian’NY TOMPO ahy.
28
Hoy koa izy: Tonòny izay ho karamanao, dia homeko anao.
29
Hoy i Jakoba taminy: Fantatrao ny nanompoako anao sy ny nitomboan’ny omby aman’ondrinao teo am-pelatanako,
30
fa kely ny fanananao fony tsy mbola tonga aho, nefa nitombo be dia be izany; ary efa nitahy anao NY TOMPO tamin’ny diako rehetra. Koa ankehitriny, rahoviana kosa aho no mba hihary ho an’ny ao an-tranoko?
31
Hoy i Labana: Inona ary no homeko anao? Dia hoy i Jakoba: Aza manome ahy na inona na inona ianao. Raha ataonao amiko izao zavatra manaraka izao dia mbola hanohy hiandry sy hitandrina ny ondry aman’osinao ihany aho:
32
Handeha hitety ny ondry aman’osinao rehetra aho anio ka hanavaka ny mara sy ny sada rehetra, ary ny mainty rehetra eo amin’ny ondry kely ary ny sada sy ny mara amin’ny osy. Ireny no ho karamako.
33
Ny fahamarinako no ho vavolombeloko amin’ny ho avy rehefa tonga ianao handinika ny karamako: Izay rehetra tsy mara sy tsy sada eo amin’ny osy, ary izay tsy mainty eo amin’ny zanak’ondry, dia ho nangalariko.
34
Dia hoy i Labana: Eny ary, aoka ho araka ny teninao.
35
Dia navahany tamin’izany andro izany ny osilahy vandana sy sada, ary izay osivavy rehetra mara sy sada, dia izay rehetra nisy fotsy, ary ny mainty rehetra tamin’ny ondry, dia natolony teo an-tanan’ireo zanany lahy.
36
Ary nasiany lalan-kateloana teo anelanelan’izy sy i Jakoba izay mbola niandry ny ondry aman’osin’i Labana sisa.
37
Ary naka tsorakazo maro tamin’ny hazo kesika mbola maitso sy tamin’ny hazo amanda sy tamin’ny hazo platana i Jakoba ka nataony ofy vandana ireny hisehoan’ny fotsy izay tamin’ny tsorakazo.
38
Dia napetrany teo anoloan’ny ondry aman’osy, tao anatin’ny fampisotroan-drano, ireny tsorakazo voavaofiny ireny, tao anatin’ny fampisotroan-drano izay nalehan’ny ondry aman’osy hisotro; nikambana teo ny lahy sy ny vavy raha avy hisotro rano.
39
Nikambana tandrifin’ny tsorakazo ny ondry aman’osy ka niteraka vandana sy mara ary sada.
40
Dia navahan’i Jakoba ny zanak’ondry, fa ny ondry sisa dia nataony manatrika ny sadika sy ny mainty rehetra teo amin’ny ondry aman’osin’i Labana; avy eo natokany izay ondry aman’osy ho azy ka tsy navelany hiharo tamin’ny ondry aman’osin’i Labana.
41
Isaky ny miray ny ondry aman’osy matanjaka dia napetrak’i Jakoba tao anatin’ny fampisotroan-drano teo anoloan’ny mason’ny ondry aman’osy ireny tsorakazo ireny mba hiraisany eo anilan’ny tsorakazo.
42
Fa raha osaosa kosa ny ondry aman’osy dia tsy mba napetrany teo ireny, koa ny osaosa no an’i Labana fa ny matanjaka kosa an’i Jakoba.
43
Nitombo harena aoka izany Ralehilahy ka nanana ondry aman’osy betsaka ary mpanompovavy sy mpanompolahy ary rameva sy boriky.
← Chapter 29
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 31 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50