bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Genesis 15
Genesis 15
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 16 →
1
Rehefa afaka izany dia tonga tamin’i Abrama tamin’ny fahitana ny tenin’NY TOMPO hoe: Aza matahotra, ry Abrama! Izaho no ampinganao, ary ho lehibe indrindra ny valim-pitianao.
2
Ary hoy i Abrama: Andriamanitra TOMPO ô, inona no homenao ahy? Izaho ity efa mandroso fahanterana nefa tsy manan-janaka, koa ny ho mpandova ny fananako dia ilay Eliezera avy any Damaskosy.
3
Hoy koa i Abrama: Indro aho tsy nomenao fara handimby ahy ka indro, ny iray amin’ny ato an-tranoko no handova ahy.
4
Ary indro, tonga taminy ny tenin’NY TOMPO hoe: Tsy handova anao izy, fa izay haterakao ihany no handova anao.
5
Dia nitondra azy nankeo ivelan’ny tranolay Izy ka niteny hoe: Jereo ange ny lanitra ka isao ireo kintana raha mahaisa azy ianao. Dia hoy Izy taminy: Ho tahaka ireo ny taranakao.
6
Ary nino NY TOMPO izy, koa nisainy ho fahamarinany izany.
7
Ary hoy Izy taminy: Izaho no TOMPO izay nitondra anao niala avy tany Oran’ny Kaldeana mba hanomezako anao ity tany ity ho lovanao.
8
Dia hoy i Abrama: Andriamanitra TOMPO ô, ahoana no hahafantarako fa handova ity tany ity aho?
9
Fa hoy Izy taminy: Itondray ombivavy kely izay telo taona Aho, osivavy izay telo taona, ondrilahy izay telo taona ary domohina sy zana-boromailala.
10
Dia noentiny teo Aminy izany rehetra izany; nosasahiny ireny ka nampifanandrifiny avy ny tapany, fa ny vorona kosa dia tsy mba nosasahiny.
11
Ary nisy vorona mpiremby nidina teo amin’ny fatin’ireo, fa noroahin’i Abrama ireo.
12
Rehefa hilentika ny masoandro dia sondrian-tory i Abrama; ary indro, nisy haizimbe mahatahotra tonga taminy.
13
Ary hoy NY TOMPO tamin’i Abrama: Aoka ho fantatrao marina fa ho vahiny any amin’ny tany izay tsy azy ny taranakao, ary hanompo ny olona any ka hampahoriny efajato taona izy.
14
Fa izany firenena izany kosa, izay hotompoiny, dia hotsaraiko; ary rehefa afaka izany dia hiala avy any mitondra fananana be dia be ny taranakao.
15
Nefa ianao kosa ho any amin’ny razanao amin’ny fiadanana; ho tratra antitra indrindra ianao vao hodimandry.
16
Fa amin’ny andron’ny zafiafy dia hiverina atỳ izy ireo; satria mbola tsy feno ny heloky ny Amorita hatramin’izao.
17
Ary rehefa maty ny masoandro ka maizina be ny andro dia indro, nisy fatana fandoroana mivoa-tsetroka niaraka tamin’ny fanilo mirehitra, nandeha namakivaky teo anelanelan’ireo zavatra voasasaka ireo.
18
Tamin’izany andro izany no nanaovan’NY TOMPO fanekena tamin’i Abrama hoe: Ny taranakao no nomeko ity tany ity, hatrany amin’ny onin’i Ejipta ka hatrany amin’ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata,
19
dia ny Kenita, ny Kenizita, ny Kadmonita,
20
ny Hetita, ny Perizita, ny Refaìta,
21
ny Amorita, ny Kananita, ny Girgasita ary ny Jebosita.
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 16 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50