bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Genesis 27
Genesis 27
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 28 →
1
Rehefa antitra Isaka sady pahina ny masony ka tsy nahita intsony dia niantso an’i Esao lahimatoany izy ka niteny taminy hoe: Anaka! Ary hoy izy taminy: Inty aho!
2
Dia hoy izy: Indro, efa antitra aho ka tsy fantatro izay andro hahafatesako.
3
Koa ankehitriny, miangavy anao aho, raiso ny fiadianao, dia ny tranon-jana-tsipìkanao sy ny tsipìkanao, ary mankanesa any an-tsaha ka mitondrà haza ho ahy.
4
Anamboary sakafo matsiro araka ilay tiako iny aho, dia ento atỳ amiko hohaniko mba hitsofako rano anao, dieny tsy mbola maty aho.
5
Ren’i Rebeka ny tenin’i Isaka tamin’i Esao zanany lahy. Dia lasa nankany an-tsaha i Esao nitady haza hoentiny mody.
6
Ary niteny tamin’i Jakoba zanany i Rebeka hoe: Indro, reko ny rainao niteny tamin’i Esao rahalahinao hoe:
7
Itondray haza aho ka anamboary sakafo matsiro hohaniko; dia hitsodrano anao eo anatrehan’NY TOMPO aho, dieny tsy mbola maty.
8
Koa ankehitriny, anaka, araho ny teniko amin’izay asaiko ataonao:
9
Mankanesa any amin’ny ondry aman’osy ka akao zanak’osy roa tsara aho hanamboarako sakafo matsiro ho an’ny rainao, araka ilay tiany.
10
Hoentinao any amin’ny rainao hohaniny io mba hitsofany rano anao, dieny tsy mbola maty izy.
11
Hoy anefa i Jakoba tamin’i Rebeka reniny: Indro, i Esao rahalahiko dia lehilahy voloina, nefa izaho kosa dia lehilahy malambo hoditra.
12
Mety hitsapa ahy Ikaky, dia ho toy ny mpisandoka eo imasony aho ka hahatonga ozona amiko izany fa tsy tsodrano!
13
Hoy reniny taminy: Aoka ho amiko, anaka, ny ozona tokony ho anao, fa araho ihany ny teniko ka mandehana, ento atỳ amiko ny zanak’osy.
14
Dia nandeha izy ka naka izany ary noentiny teo amin’ny reniny; ny reniny kosa nanamboatra sakafo matsiro araka ilay tian’ny rainy.
15
Ary nalain’i Rebeka ny fitafian’i Esao lahimatoany, dia ny tsara indrindra izay notahiriziny tao an-trano, ka natafiny an’i Jakoba zanany faralahy.
16
Nofonosiny ny hoditry ny zanak’osy ny tanany sy ny malambolambo amin’ny vozony.
17
Dia natolony teo an-tanan’i Jakoba zanany ny sakafo matsiro sy ny mofo izay namboariny.
18
Ary nankeo amin’ny rainy i Jakoba ka niteny hoe: Ry Ikaky ô! Dia hoy izy: Inty aho! Iza moa ianao, anaka?
19
Hoy i Jakoba tamin’ny rainy: Izaho no Esao zanakao lahimatoa; efa nanatanteraka izay nasainao nataoko aho. Miangavy anao aho, miarena re, dia mipetraha ka hano ny hazako mba hitsofanao rano ahy.
20
Fa hoy Isaka tamin’ny zanany: Nanao ahoana, anaka, no dia nalaky nahazo toy izany ianao? Dia hoy izy: Satria NY TOMPO Andriamanitrao no nampahazo ahy.
21
Hoy ihany Isaka tamin’i Jakoba: Mba manatòna kely hoe hitsapako anao, anaka, hahafantarako na i Esao zanako tokoa ianao, na tsia.
22
Dia nanatona an’Isaka rainy i Jakoba; ary nitsapa azy izy ka niteny hoe: Ny feo dia feon’i Jakoba fa ny tanana dia tanan’i Esao.
23
Nefa tsy nahafantatra azy izy satria voloina tahaka ny tanan’i Esao rahalahiny ny tanany; dia notsofiny rano izy.
24
Ary hoy izy: Ianao tokoa moa no Esao zanako? Dia hoy izy: Izaho no izy.
25
Ary hoy kosa Isaka: Arosoy eto anoloako ary izato hazan’ny zanako hihinanako, mba hitsofako rano anao. Dia narosony teo anoloany izany ka nihinana izy; ary nitondrany divay izy dia nisotro.
26
Hoy indray Isaka rainy taminy: Mba manatòna kely hoe manoroka ahy, anaka!
27
Dia nanatona izy ka nanoroka azy. Ary nandre ny fofon’ny fitafiany Isaka dia nitsodrano azy hoe: E! Ny fofon’ny zanako dia tahaka ny fofon’ny saha izay notahin’NY TOMPO.
28
Hanomezan’Andriamanitra anao anie ny andon’ny lanitra sy ny tsiron’ny tany ary vary sy ranom-boaloboka betsaka!
29
Hanompo anao anie ny firenena maro ary hiankohoka eo anatrehanao ny firenena samihafa! Ho tompo amin’ny rahalahinao anie ianao ary aoka hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny reninao! Ho voaozona anie izay rehetra manozona anao ary hohasoavina anie izay manisy soa anao!
30
Rehefa vita ny fitsofan-drano nataon’Isaka an’i Jakoba ka vao nidify teo anatrehan’Isaka rainy izy dia niditra kosa i Esao rahalahiny avy nihaza.
31
Izy koa dia efa nanamboatra sakafo matsiro ka nitondra izany teo amin’ny rainy. Dia hoy izy tamin’ny rainy: Aoka hiarina ny raiko ka hihinana amin’ny hazan’ny zanany mba hitsofanao rano ahy!
32
Fa hoy Isaka rainy taminy: Fa iza indray moa ianao? Hoy izy: Izaho no i Esao zanakao lahimatoa!
33
Toran-kovitra be Isaka ka niteny hoe: Iza ary ilay naka haza ka nitondra izany teto amiko teo? Nihinana tamin’izany rehetra izany aho fony tsy mbola tonga ianao ka efa notsofiko rano izy; eny, hotahina tokoa izy!
34
Raha vao ren’i Esao ny tenin’ny rainy dia niantsoantso mafy dia mafy izy sady niteny taminy hoe: Mba tsofy rano re aho, eny, izaho koa, ry Ikaky ô!
35
Hoy rainy: Tonga teo ny rahalahinao nisandoka ka nahalasa ny tsodranonao.
36
Dia hoy i Esao: Moa tsy Jakoba va no anarany? Efa namingana ahy indroa izy izao: Ny fizokiako dia nalainy; ary indro, ankehitriny, lasany koa ny tsodranoko! Hoy ihany izy: Tsy mba nahatahiry tsodrano ho ahy va ianao?
37
Namaly Isaka ka niteny tamin’i Esao hoe: Indro, efa nataoko ho tomponao izy, fa ny rahalahiny rehetra dia nataoko ho mpanompony; vary sy ranom-boaloboka no namelomako azy; koa inona indray no azoko atao aminao, anaka?
38
Hoy i Esao tamin’ny rainy: Tsy manana afa-tsy tsodrano tokana va ianao, ry Ikaky? Mba tsofy rano re aho, izaho koa, ry Ikaky ô! Sady nidradradradra nitomany i Esao.
39
Nefa namaly azy Isaka rainy hoe: Indro, ho lavitry ny tsiron’ny tany ny fonenanao, ary ho lavitry ny andon’ny lanitra avy any ambony.
40
Ny sabatrao no hivelomanao, ary ny rahalahinao no hotompoinao; kanefa, raha tonga amin’izay andro hahafahanao, dia hotapahinao ny ziogany hiala amin’ny vozonao.
41
Ary nankahala an’i Jakoba i Esao noho ny tsodrano izay nomen’ny rainy azy. Dia hoy i Esao anakampo: Efa antomotra ny andro hisaonana an’Ikaky ka hovonoiko i Jakoba rahalahiko.
42
Nisy nanambara tamin’i Rebeka izany tenin’i Esao zanany lahimatoa izany, koa nandefa iraka haka an’i Jakoba zanany faralahy izy hiteny aminy hoe: Indro, mikasa hamaly faty anao i Esao rahalahinao ka hamono anao.
43
Koa ankehitriny, anaka, araho ny teniko: Mandehana mandositra ho any Harana, any amin’i Labana anadahiko.
44
Mitoera andro vitsivitsy any aminy mandra-pahafaka ny fahatezeran’ny rahalahinao;
45
eny, rehefa afaka ny fahatezeran’ny rahalahinao aminao ka hadinony izay nataonao taminy, dia handefa iraka hampaka anao any aho. Fa hataoko ahoana no ho famoy anareo mirahalahy indray andro?
46
Ary hoy i Rebeka tamin’Isaka: Tsy te ho velona aho noho ireny zanakavavin’ny Hetita ireny. Koa raha maka vady amin’ny zanakavavin’ny Hetita, tahaka ireto zazavavy tompon-tany ireto i Jakoba, dia inona indray no anton’ny hahavelomako?
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 28 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50