bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Genesis 14
Genesis 14
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 15 →
1
Tamin’ny andron’i Amrafela, mpanjakan’i Sinara, i Arioka, mpanjakan’i Elasara, i Kedorlaomera, mpanjakan’i Elama, ary i Tidala, mpanjakan’ny Goima,
2
dia nandeha izy ireo ka nanafika an’i Bera, mpanjakan’i Sodoma, i Birsa, mpanjakan’i Gomora, i Sinaba, mpanjakan’i Adma, i Semebera, mpanjakan’i Zeboima, ary ny mpanjakan’i Bela, dia i Zoara izany.
3
Ireo rehetra ireo dia nifamotoana ka nivory tao an-dohasahan’i Sidima dia ny Ranomasina Maty izany.
4
Nanompo an’i Kedorlaomera roa amby folo taona ireo, fa tamin’ny taona fahatelo amby folo kosa izy ireo dia nikomy.
5
Tamin’ny taona fahefatra amby folo dia tonga i Kedorlaomera sy ireo mpanjaka niaraka taminy ka namely ny Refaita tany Astarota-Karnaima, ny Zozima tany Hama, ny Emima tany Save-Kiriataima,
6
ary ny Horita tany an-tendrombohitra Seìra hatrany El-Parana, izay eny anilan’ny tany efitra.
7
Dia niverina indray izy ireo ka nankany Eny-Mispata, dia Kadesy izany, ary namely ny tany rehetra izay an’ny Amalekita sady namely ny Amorita, izay nonina tany Hazazona-Tamara.
8
Dia niainga ny mpanjakan’i Sodoma, ny mpanjakan’i Gomora, ny mpanjakan’i Adma, ny mpanjakan’i Zeboima ary ny mpanjakan’i Bela, dia i Zoara izany, ka nilahatra hiady amin’ireo izay tao an-dohasahan’i Sidima,
9
dia tamin’i Kedorlaomera, mpanjakan’i Elama, sy i Tidala, mpanjakan’i Goima, ary i Amrafela, mpanjakan’i Sinara, sy i Arioka, mpanjakan’i Elasara; mpanjaka efatra izany no niady tamin’ny mpanjaka dimy.
10
Ny lohasahan’i Sidima dia feno lavaka godorao; koa rehefa nandositra ny mpanjakan’i Sodoma sy ny mpanjakan’i Gomora dia latsaka tao, ary ny sisa dia nandositra tany an-tendrombohitra.
11
Nobaboin’izy ireo ny fananana sy ny hanina rehetra tao Sodoma sy Gomora, dia lasa izy ireo nandeha.
12
Nobaboin’ireo niaraka tamin’ny fananany koa i Lota zana-drahalahin’i Abrama, dia lasa izy ireo nandeha. I Lota moa dia nonina tao Sodoma.
13
Nisy iray anefa afa-nandositra ka tonga nanambara izany tamin’i Abrama hebreo, izay nonina teo amin’ireo hazo terebintan’i Mamre amorita, rahalahin’i Eskola sy i Anera, satria ireo dia olona vita fanekena tamin’i Abrama.
14
Ary raha nahare i Abrama fa lasan-ko babo ny havany dia nitondra mpanompo valo amby folo sy telonjato izay teraka tao an-tranony sady efa nahay niady izy ka nanenjika azy hatrany Dana.
15
Dia nifampizara ho antokotokony izy sy ireo mpanompony nony alina ka namely azy ireo ary nanenjika azy hatrany Hoba, izay any avaratr’i Damaskosy.
16
Voaveriny ny fananana rehetra, ary i Lota havany sy ny fananany dia nampodiny koa niaraka tamin’ny vehivavy sy ny vahoaka.
17
Dia niainga ny mpanjakan’i Sodoma hitsena an’i Abrama teo an-dohasaha Save, na ny Lohasahan’ny mpanjaka, rehefa niverina avy nandresy an’i Kedorlaomera sy ireo mpanjaka niaraka taminy izy.
18
Ary tamy i Melkizedeka, mpanjakan’i Salema, nitondra mofo sy divay; izy io dia mpisoron’Andriamanitra Avo Indrindra.
19
Dia nitsodrano an’i Abrama izy ka niteny hoe: Hotahin’Andriamanitra Avo Indrindra anie i Abrama, dia Andriamanitra izay nahary ny lanitra sy ny tany!
20
Isaorana anie Andriamanitra Avo Indrindra, izay nanolotra ny fahavalonao teo an-tananao! Dia nomen’i Abrama azy ny ampahafolon’ny zavatra rehetra.
21
Ary hoy ny mpanjakan’i Sodoma tamin’i Abrama: Omeo ahy ny olona fa ny fananana ento ho anao.
22
Fa hoy i Abrama tamin’ny mpanjakan’i Sodoma: Efa nanangana ny tanako tamin’NY TOMPO, Andriamanitra Avo Indrindra, izay nahary ny lanitra sy ny tany, aho
23
fa tsy handray na taretra na fehin-kapa aza amin’izay rehetra mety ho anao, fandrao dia hataonao hoe: Izaho no nampanankarena an’i Abrama!
24
Eny, tsy handray aho afa-tsy izay nohanin’ireo zatovo sy ny anjaran’ny olona izay niaraka tamiko, dia i Anera sy i Eskola ary i Mamre; koa aoka horaisin’ireo ny anjarany.
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 15 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50