bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Genesis 44
Genesis 44
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 43
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 45 →
1
Ary i Josefa dia nanome teny ny mpikarakara ny tao an-tranony hoe: Fenoy hanina, araka izay zakany hoentina, ny lasakan’ireo lehilahy ireo ary ataovy eo am-bavan’ny lasakany avy ny volan’ny tsirairay.
2
Ary ny kapoakako, ilay kapoaka volafotsy, dia ataovy eo am-bavan’ny lasakan’ilay faralahy miaraka amin’ny vola hividianany vary. Dia notanterahin’ny mpikarakara araka izany ny tenin’i Josefa.
3
Ary raha vao nazava ny andro dia nalefa handeha ry zareo sy ny borikiny.
4
Rehefa tafavoaka ny tanàna izy ireo ka tsy mbola lasa lavitra dia hoy i Josefa tamin’ny mpikarakara ny tao an-tranony: Andeha araho ireny lehilahy ireny! Rehefa tratranao izy dia ataovy aminy hoe: Nahoana ianareo no namaly ratsy ny soa?
5
Tsy iny va ilay kapoaka fisotroan’ny tompoko sy famantarany zavatra? Ratsy izao nataonareo izao!
6
Dia nahatratra azy ireo Ralehilahy ka nilaza izany teny izany taminy.
7
Hoy izy ireo taminy: Nahoana ny tompokolahy no dia miteny toy izany? Sanatria amin’ny mpanomponao ny hahavita zavatra toy izany!
8
Indro fa ny vola izay hitanay teo am-bavan’ny lasakanay aza naverinay tatỳ aminao indray, avy tany amin’ny tany Kanana; koa hataonay ahoana no fangalatra volafotsy na volamena avy ao amin’ny tranon’ny tomponao?
9
Izay iray amin’ny mpanomponao hahitana izany dia aoka hovonoina ary izahay kosa dia ho mpanompon’Itompokolahy.
10
Dia hoy Ralehilahy: Aoka ary hatao araka ny teninareo: Izay hahitana izany dia ho mpanompoko fa ianareo kosa dia tsy hanan-tsiny.
11
Dia samy nampidina haingana ny lasakany tamin’ny tany izy rehetra ka samy nanokatra ny lasakany avy.
12
Dia nisava Ralehilahy ka tamin’ny lahimatoa no nanombohany ary tamin’ny faralahy no niafarany. Tao amin’ny lasakan’i Benjamina no nahitana ilay kapoaka.
13
Ary samy nandriatra ny fitafiany izy dia nampiakatra ny entany tamin’ny borikiny avy ka niverina ho any an-tanàna.
14
Dia niditra tao an-tranon’i Josefa i Joda sy ny rahalahiny, fa mbola tao izy ka nidaboka tamin’ny tany teo anatrehany.
15
Hoy i Josefa taminy: Ahoana izao zavatra nataonareo izao? Tsy fantatrareo va fa izay lehilahy toa ahy dia mahay mamantatra zavatra tokoa?
16
Ary hoy i Joda: Inona no teny hataonay amin’Itompokolahy? Inona intsony no holazainay? Hataonay ahoana no fiala tsiny? Andriamanitra mahita ny heloky ny mpanomponao. Koa indreto samy ho mpanompon’Itompokolahy, na izahay na ilay nahitana ny kapoaka tao aminy.
17
Nefa hoy i Josefa: Sanatria ahy ny hahavita izany! Izay lehilahy nahitana ny kapoaka tao aminy ihany no ho mpanompoko fa ianareo kosa dia miakara soa amantsara ho any amin’ny rainareo.
18
Dia nanatona azy i Joda ka niteny hoe: Azafady, tompokolahy, aoka ny mpanomponao handaha-teny kely eto anatrehan’i tompokolahy, ary aoka tsy mba hirehitra amin’ny mpanomponao ny fahatezeranao; fa tahaka an’i Farao ianao!
19
Itompokolahy dia nanontany ny mpanompony hoe: Manana ray na rahalahy koa va ianareo?
20
Ary hoy izahay tamin’Itompokolahy: Manana ray lahiantitra sy zandry faralahy, zanaky ny fahanterany, izahay; maty ny rahalahiny, fa izy irery ihany no zanaky ny reniny sisa, ary tian’ny rainy izy.
21
Ary niteny tamin’ny mpanomponao ianao hoe: Ento mankaty amiko izy mba ho hitan’ny masoko.
22
Ary hoy izahay tamin’Itompokolahy: Tsy mahazo misaraka amin’ny rainy ny zazalahy; fa raha misaraka amin’ny rainy izy dia ho faty ny rainy.
23
Ary hoy ianao tamin’ny mpanomponao: Raha tsy miara-midina aminareo ny zandrinareo faralahy dia tsy hahita ny tavako intsony ianareo.
24
Koa rehefa tafakatra tany amin’ny mpanomponao raiko izahay dia nambaranay azy ny tenin’Itompokolahy.
25
Dia hoy ny rainay: Mandehana indray, mividiana hanina kely ho antsika.
26
Ary hoy izahay: Tsy sahy hidina izahay; nefa raha miaraka aminay ny zandrinay faralahy dia hidina ihany izahay; fa tsy mahazo mahita ny tavan-dRalehilahy izahay raha tsy miaraka aminay ny zandrinay faralahy.
27
Dia hoy ny mpanomponao raiko taminay: Fantatrareo fa ny vadiko dia niteraka roa lahy tamiko.
28
Lasa niala tamiko ny iray ka hoy aho: Tena voaviraviran’ny biby izy ka tsy hitako mandraka ankehitriny.
29
Raha halainareo hiala amiko koa ity ka hisy loza hanjo azy dia hampidininareo any amin’ny fitoeran’ny maty amim-pahoriana ny volofotsiko.
30
Koa ankehitriny, raha tonga any amin’ny mpanomponao raiko aho ka tsy tafaraka aminay ny zaza, nefa ny ainy mifamatotra amin’ny ain’io,
31
koa raha hitany fa tsy eo ny zaza, dia ho faty izy; ary ny mpanomponao dia hampidina ny volofotsin’ny mpanomponao rainay ho any amin’ny fitoeran’ny maty amin’alahelo.
32
Fa ny mpanomponao dia niantoka ny zaza tamin’ny raiko ka niteny hoe: Raha tsy tongako atỳ aminao izy dia ho meloka amin’ny raiko amin’ny andro rehetra hiainako aho.
33
Koa ankehitriny, trara antitra ianao, aoka hijanona ho mpanompon’Itompokolahy hisolo ny zaza ny mpanomponao, fa aoka ny zaza hiara-miakatra amin’ny rahalahiny!
34
Fa hataoko ahoana no fiakatra any amin’ny raiko raha tsy miaraka amiko ny zaza? Fandrao hahita izay loza hanjo ny raiko aho!
← Chapter 43
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 45 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50