bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Genesis 2
Genesis 2
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 3 →
1
Dia vita ny lanitra sy ny tany ary izay rehetra ao aminy.
2
Tamin’ny andro fahafito no vitan’Andriamanitra ny asa nataony; ary nitsahatra tamin’ny asany rehetra izay nataony Izy tamin’ny andro fahafito.
3
Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin’izay no nitsaharan’Andriamanitra tamin’ny asany rehetra izay noforoniny tamin’ny nanaovany azy.
4
Toy izao no tantaran’ny lanitra sy ny tany tamin’ny nahariana azy, dia tamin’ny andro nanaovan’NY TOMPO Andriamanitra ny tany sy ny lanitra:
5
Ny hazo madinika maniry eny an-tsaha dia tsy mbola nisy teo amin’ny tany, ny zava-maitso eny an-tsaha koa dia tsy mbola nisy naniry; fa tsy mbola nampilatsaka ranonorana teto ambonin’ny tany NY TOMPO Andriamanitra sady tsy mbola nisy olona hiasa ny tany.
6
Nefa nisy loharano niakatra avy tao amin’ny tany ka nandena ny velaran’ny tany manontolo.
7
Ary vovo-tany no namolavolan’NY TOMPO Andriamanitra ny olona, dia nitsofany ny fofonaina mahavelona tamin’ny vavorony ka tonga manana aina ilay olona.
8
Ary NY TOMPO Andriamanitra namboly saha tao Edena tany atsinanana ka napetrany tao Ralehilahy izay novolavolainy.
9
Ary nampanirin’NY TOMPO Andriamanitra teo amin’ny tany ny hazo rehetra izay mahafinaritra ny maso sady maha te hihinana, ny hazon’aina teo afovoan’ny saha sy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.
10
Dia nisy ony nivoaka avy tao Edena hanondraka ny saha; hatreo izy dia nizara ka nisampana efatra.
11
Ny anaran’ny voalohany dia Pisona; io no mandeha mihodidina ny tany Havila manontolo, izay misy volamena;
12
ary tsara ny volamena tamin’izany tany izany. Any koa ny bedola sy ny vato berila.
13
Ny anaran’ny ony faharoa dia Gihona; io no mandeha mihodidina ny tany Kosy manontolo.
14
Ny anaran’ny ony fahatelo dia Hidekela; io no mankany atsinanan’i Asiria. Ary ny ony fahefatra dia Eofrata.
15
Ary NY TOMPO Andriamanitra naka an-dRalehilahy ka namponina azy tao amin’ny saha Edena mba hiasa sy hitandrina azy.
16
Ary NY TOMPO Andriamanitra nandidy an-dRalehilahy hoe: Ny hazo rehetra ao amin’ny saha dia tena azonao ihinanana tsara;
17
fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy kosa dia aza ihinananao, fa amin’ny andro izay ihinananao avy aminy dia ho faty tokoa ianao.
18
Ary NY TOMPO Andriamanitra niteny hoe: Tsy tsara raha irery Ralehilahy; hanaovako vady sahaza azy izy.
19
Ary vovo-tany no namolavolan’NY TOMPO Andriamanitra ny biby rehetra sy ny voromanidina rehetra. Dia noentiny tany amin-dRalehilahy ireny mba hahitany izay anarana hiantsoany azy avy; koa izay rehetra niantsoan-dRalehilahy ny zavamananaina rehetra dia izany no anarany.
20
Dia nomen-dRalehilahy anarana ny biby fiompy rehetra sy ny voromanidina mbamin’ny bibidia rehetra, nefa tsy hita izay mpanampy tandrify ho an-dRalehilahy.
21
Ary NY TOMPO Andriamanitra nahasondrian-tory an-dRalehilahy ka natory izy; dia naka iray avy tamin’ireo taolan-tehezany NY TOMPO Andriamanitra ka nanakombona nofo ho solon’izany.
22
Ary ilay taolan-tehezana izay nalainy tamin-dRalehilahy dia namboariny ho vehivavy ka noentiny nankany amin-dRalehilahy.
23
Dia hoy Ralehilahy: Ankehitriny dia taolana avy amin’ny taolako sy nofo avy amin’ny nofoko ity; ity dia hatao hoe vehivavy, satria lehilahy no nakana azy.
24
Noho izany dia handao ny rainy sy ny reniny ny lehilahy ka hikambana amin’ny vadiny dia ho nofo iray ihany izy roa.
25
Ary nitanjaka izy mivady, dia Ralehilahy sy ny vadiny, nefa tsy nahalala henatra izy ireo.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50