bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Genesis 35
Genesis 35
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 34
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 36 →
1
Ary hoy Andriamanitra tamin’i Jakoba: Miaingà, miakara any Betela ianao ka monena any; manorena alitara any ho an’Andriamanitra izay niseho taminao, fony ianao nandositra an’i Esao rahalahinao.
2
Dia hoy i Jakoba tamin’izay tao an-tranony mbamin’ireo rehetra niaraka taminy: Ario ireo andriamanitra izay ao aminareo dia midiova ary soloy ny fitafianareo.
3
Andeha isika hiainga ka hiakatra any Betela; hanao alitara any aho ho an’Andriamanitra izay namaly ny vavaka nataoko tamin’ny andron’ny fahoriako sy nomba ahy tamin’ny lalana izay nalehako.
4
Dia natolony an’i Jakoba ireo andriamanitra hafa rehetra izay notanany sy ny kavina izay teny an-tsofiny ka nalevin’i Jakoba teo am-pototry ny hazo terebinta izay tao akaikin’i Sekema.
5
Dia niainga ireo. Ary nisy tahotra avy amin’Andriamanitra nahazo ny tanàna manodidina azy ka tsy nisy nanenjika ny zanak’i Jakoba.
6
Ary tonga tany Lozy na Betela, izay any amin’ny tany Kanana, i Jakoba, dia izy sy ny olona rehetra izay nomba azy.
7
Nanorina alitara teo izy ka nataony hoe El-Betela no anaran’izany toerana izany satria teo no nisehoan’Andriamanitra taminy fony izy nandositra ny rahalahiny.
8
Ary maty i Debora, mpitaiza an’i Rebeka, dia naleviny tao akaikin’i Betela, teo ambanin’ny hazo oaka iray; nataony hoe Alona-Bakota ny anaran’io.
9
Ary Andriamanitra niseho indray tamin’i Jakoba rehefa tonga avy tany Padana-Arama izy ka nitahy azy.
10
Hoy Andriamanitra taminy: Jakoba no anaranao, nefa tsy hatao hoe Jakoba intsony ny anaranao fa hatao hoe Israely. Dia nataony hoe Israely ny anarany.
11
Hoy ihany Andriamanitra taminy: Izaho no Andriamanitra Tsitoha. Maroa fara sy mihabetsaha. Hisy firenena lehibe sy firenena maro hiseho avy aminao ary hisy mpanjaka maro avy amin’ny haterakao.
12
Ny tany izay nomeko an’i Abrahama sy Isaka dia homeko anao ary ny taranakao mandimby anao koa no homeko ny tany.
13
Ary Andriamanitra niakatra niala taminy, teo amin’ilay toerana niresahany taminy.
14
Ary nanorina tsangambato teo amin’io toerana izay niresahany Taminy io i Jakoba ka nandraraka fanatitra aidina teo aminy sady nandraraka diloilo teo aminy koa.
15
Ary ny anaran’ny tany izay niresahan’Andriamanitra taminy dia nataon’i Jakoba hoe Betela.
16
Dia nifindra niala tany Betela izy. Nony efa kely foana sisa tsy nahatongavany tao Efrata dia nihetsi-jaza Rahely ary saro-piterahana.
17
Rehefa narary am-piterahana toy izany izy dia hoy ny mpampivelona taminy: Aza matahotra ianao fa zazalahy ho anao koa ity!
18
Rehefa niala aina Rahely satria ho faty izy dia nataony hoe Beny-Onỳ ny anaran’ny zaza; fa ny rainy kosa dia niantso azy hoe Benjamina.
19
Dia maty Rahely ka nalevina teo amin’ny lalana mankany Efrata na Betlehema.
20
Ary nanorina tsangambato teo ambonin’ny fasany i Jakoba, dia ilay tsangambato izay mbola ao amin’ny fasan’i Rahely mandraka androany.
21
Dia lasa nifindra Israely ka nanorina ny tranolainy tany ankoatra an’i Migdala-Edera.
22
Rehefa nonina teo amin’izany tany izany Israely dia avy i Robena ka nandry tamin’i Bila, vady tsindranon’ny rainy; ary ren’Israely izany.
23
Roa amby folo mirahalahy ny zanakalahin’i Jakoba. Ny zanak’i Lea dia i Robena, lahimatoan’i Jakoba, i Simeona, i Levy, i Joda, Isakara ary i Zebolona;
24
ny zanak’i Rahely kosa dia i Josefa sy i Benjamina;
25
ny zanak’i Bila, mpanompovavin’i Rahely dia i Dana sy i Naftaly;
26
ny zanak’i Zilpa, mpanompovavin’i Lea kosa dia i Gada sy i Asera. Ireo no zanakalahin’i Jakoba izay naterany tany Padana-Arama.
27
Ary i Jakoba dia nankany amin’Isaka rainy tany Mamre, any Kiriata-Arba na Hebrona, izay nivahinian’i Abrahama sy Isaka.
28
Valopolo amby zato taona ny andro niainan’Isaka.
29
Dia niala aina Isaka ka maty, ary nangonina any amin’ny razany izy rehefa tratra antitra sady ela niainana; dia nandevina azy i Esao sy i Jakoba zanany lahy.
← Chapter 34
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 36 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50