bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Genesis 17
Genesis 17
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 18 →
1
Rehefa sivy amby sivifolo taona i Abrama dia nisehoan’NY TOMPO izy ka nitenenany hoe: Izaho no Andriamanitra Tsitoha. Mandehana eo anatrehako ary aoka ho tsy misy tsiny ianao.
2
Fa Izaho hanao ny fanekeko ho Amiko sy ho aminao ary hahamaro anao indrindra.
3
Dia niankohoka i Abrama; ary Andriamanitra niteny taminy hoe:
4
Raha ny Amiko dia indro, aminao ny fanekeko ka ho tonga rain’ny firenena maro ianao.
5
Ary ny anaranao dia tsy hatao hoe Abrama intsony fa hatao hoe Abrahama, satria nataoko rain’ny firenena maro ianao.
6
Hahamaro ny taranakao indrindra Aho ka hataoko firenena maro ianao; hisy mpanjaka maro hiseho avy aminao.
7
Haoriko ny fanekeko ho Amiko sy ho aminao mbamin’ny taranakao any aoriananao hatramin’ny taranaka fara aman-dimby, ho fanekena mandrakizay, mba ho Andriamanitrao sy ny taranakao mandimby anao Aho.
8
Homeko anao sy ny taranakao any aoriananao ny tany fivahiniananao, dia ny tany Kanana rehetra, ho fananana mandrakizay. Ary ho Andriamaniny Aho.
9
Hoy ihany Andriamanitra tamin’i Abrahama: Fa ny aminao kosa dia hitandrina ny fanekeko ianao, dia ianao sy ny taranakao mandimby anao hatramin’ny taranaka fara aman-dimby.
10
Izao no fanekeko ho Amiko sy ho aminareo sy ny taranakao mandimby anao, izay hotandremanareo: Hoforana ny lehilahy rehetra eo aminareo.
11
Hoforana ianareo; ho famantarana ny fanekena ho Amiko sy ho aminareo izany.
12
Ny zazalahy teraka havaloana eo aminareo no hoforana, dia ny lehilahy rehetra amin’ny taranakareo fara aman-dimby: Na ny mpanompo izay teraka tao an-tranonao, na izay novidinao vola tamin’ny hafa firenena ka tsy avy amin’ny taranakao.
13
Tsy maintsy hoforana ny mpanomponao izay teraka tao an-tranonao sy izay novidinao vola; ny fanekeko dia ho ao amin’ny nofonareo ho fanekena mandrakizay.
14
Fa ny lehilahy tsy mifora dia hofongorana tsy ho amin’ny fireneny, satria nivadika tamin’ny fanekeko izy.
15
Dia hoy Andriamanitra tamin’i Abrahama: Ny amin’i Saray vadinao dia tsy mba hataonao hoe Saray intsony ny anarany fa Saraha no ho anarany.
16
Hitahy azy Aho ka hampanana azy zanakalahy ho anao; eny, hitahy azy Aho ka ho tonga firenena maro izy; ary hisy mpanjakan’ny firenena maro avy aminy.
17
Dia niankohoka i Abrahama ary nihomehy sady niteny anakampo hoe: Efa zato taona va aho dia mbola hiteraka ihany? Ary i Saraha izay efa sivifolo taona va mbola hiteraka ihany koa?
18
Ary hoy i Abrahama tamin’Andriamanitra: Enga anie ka Ismaela no ho velona eo anatrehanao!
19
Ary hoy Andriamanitra: Tsia! Fa i Saraha vadinao no hiteraka zazalahy aminao; ary ny anarany dia hataonao hoe Isaka. Haoriko aminy ny fanekeko ho fanekena mandrakizay ho an’ny taranany mandimby azy.
20
Ary ny amin’Ismaela dia efa nihaino anao Aho. Indro, hitahy azy Aho ka hahamaro ny taranany sy hampitombo azy indrindra; hiteraka andriana roa amby folo izy satria notendreko ho firenena lehibe.
21
Nefa ny fanekeko dia haoriko amin’Isaka izay haterak’i Saraha aminao amin’ny herintaona toy izao.
22
Rehefa vita ny teny nataon’Andriamanitra taminy dia niakatra Izy ka niala teo amin’i Abrahama.
23
Koa nalain’i Abrahama Ismaela zanany sy ny mpanompony rehetra izay teraka tao an-tranony, niaraka tamin’ireo rehetra izay novidiny vola, dia ny lehilahy rehetra tao an-tranony, koa noforany tamin’iny andro iny ihany, araka izay nolazain’Andriamanitra taminy.
24
Sivy amby sivifolo taona i Abrahama fony izy noforana.
25
Telo amby folo taona Ismaela zanany fony izy noforana.
26
Tamin’iny andro iny ihany no namorana an’i Abrahama sy Ismaela zanany.
27
Ary ny lehilahy rehetra tao an-tranony, dia ny mpanompony izay teraka tao an-tranony, niaraka tamin’ireo izay novidiny vola tamin’ny hafa firenena; eny, samy niara-noforana taminy avokoa ireo.
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 18 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50