bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Genesis 37
Genesis 37
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 36
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 38 →
1
Ary nonina tany amin’ny tany nivahinian’ny rainy i Jakoba, tany amin’ny tany Kanana.
2
Izao no taranak’i Jakoba. Rehefa fito amby folo taona i Josefa dia niara-niandry ondry tamin’ny rahalahiny izy; izy moa dia zaza niaraka tamin’ny zanak’i Bila sy ny zanak’i Zilpa, vadin’i Jakoba rainy. Ary i Josefa dia mpitati-bolana tamin’ny rainy.
3
Tian’Israely mihoatra noho ny zanany rehetra i Josefa, satria zanaky ny fahanterany, ka nanaovany akanjo misoratsoratra.
4
Nony hitan’ny rahalahiny fa i Josefa no tian’ny rainy mihoatra noho izy mirahalahy avy dia nankahala azy izy ireo ka tsy afaka nilaza teny tsara taminy.
5
Ary nanonofy i Josefa ka nambarany tamin’ireo rahalahiny; dia vao mainka nankahalan’izy ireo azy izany.
6
Izao no nolazainy taminy: Mba henoy kely ange izao nofy izao!
7
Indro, namehy amboara tany an-tsaha, isika; ary indro, niarina ny amboarako sady nijoro; ary indreo, nilahatra manodidina azy kosa ny amboaranareo ka niankohoka teo anatrehan’ny amboarako.
8
Dia hoy ny rahalahiny taminy: Moa va izany hanjaka aminay tokoa ianao? Sa hanapaka aminay tokoa ianao? Vao mainka nankahalan’izy ireo azy izany nofiny sy teniny izany.
9
Dia nanonofy indray izy ka nolazainy tamin’ny rahalahiny. Hoy izy: Indro, nanonofy indray aho! Ary indreo, ny masoandro sy ny volana ary ny kintana iraika amby folo, niankohoka teo anatrehako.
10
Nambarany tamin’ny rainy sy ireo rahalahiny koa izany ka niteny mafy azy ny rainy hoe: Inona izany nofy nonofisinao izany? Moa ho avy tokoa va aho sy ny reninao ary ny rahalahinao ka hiankohoka amin’ny tany eo anatrehanao?
11
Dia nialona azy ny rahalahiny fa ny rainy kosa dia nitadidy izany zavatra izany.
12
Ary lasa niandry ny ondrin’ny rainy tany Sekema ny rahalahiny
13
ka hoy Israely tamin’i Josefa: Tsy miandry ondry any Sekema va ny rahalahinao? Avia ianao hirahiko hankany amin’izy ireo. Dia hoy ny navaliny: Inty aho!
14
Ary hoy ny rainy taminy: Miangavy anao aho, andeha zahao na tsara ihany ny rahalahinao sy ny ondry aman’osy, na manao ahoana, dia miverena hilaza amiko. Dia nalefany avy teo amin’ny lohasahan’i Hebrona izy ka nankany Sekema.
15
Ary nisy lehilahy nahita azy nirenireny tany an-tsaha ka nanontany azy hoe: Inona moa no tadiavinao?
16
Dia hoy izy: Ny rahalahiko no tadiaviko; koa miangavy anao aho mba lazao amiko izay toerana iandrasany ondry.
17
Dia hoy Ralehilahy: Efa nifindra niala teto izy; reko niresaka izy ireo hoe: Andeha isika hankany Dotana. Dia lasa nanaraka ny rahalahiny i Josefa ka nahita azy tany Dotana.
18
Vao lavidavitra dia nahatazana azy ny rahalahiny; koa raha tsy mbola nanakaiky azy i Josefa dia niray tetika hamono azy izy ireo.
19
Niresaka izy ireo hoe: Indro fa tamy ilay mpanonofy;
20
koa ankehitriny, andeha hovonointsika izy ary hatsipintsika ao anatin’ny lava-drano, dia holazaintsika hoe: Lanin’ny biby masiaka izy. Ho hitantsika amin’izany ny hiafaran’ny nofiny.
21
Raha nandre izany i Robena dia namonjy azy tamin’ny tanan’ireo ka niteny hoe: Aoka tsy hamono azy isika.
22
Hoy koa i Robena tamin’izy ireo: Aoka tsy handatsa-dra ianareo; fa atsipazo ao anatin’io lava-drano etỳ an-tany efitra io izy fa aza misy mikasi-tanana azy ianareo. Izany no nolazainy mba hamonjeny an’i Josefa amin’ny tanan’ny rahalahiny ka hamerenany azy any amin’ny rainy.
23
Rehefa tonga teo amin’ny rahalahiny i Josefa dia nendahin’izy ireo ny akanjony, dia ilay akanjo misoratsoratra teny aminy;
24
avy eo, nobatain’izy ireo izy ka natsipiny tao an-dava-drano. Maina ny lavaka tamin’izay fa tsy nisy rano tao.
25
Dia nipetraka nisakafo izy ireo. Fa raha sendra nanopy ny masony izy ireo dia nahatazana fa indreo, nisy Ismaelita niara-dia avy tany Gileada ka nitondra ditin-kazo ny ramevany, dia nekota sy balisama ary lota izay noentiny hidina ho any Ejipta.
26
Ary hoy i Joda tamin’ny rahalahiny: Inona no soa ho azontsika raha hamono ny rahalahintsika sy hanafina ny rany isika?
27
Andeha hamidintsika amin’ireo Ismaelita ireo izy ary aoka tsy hikasika azy ny tanantsika. Rahalahintsika sy nofontsika ihany mantsy izy! Dia nanaiky ny rahalahiny.
28
Fa nisy Midianita mpivaro-mandeha nandalo teo; dia nakariny niala tao an-dava-drano i Josefa ka namidiny sekela volafotsy roapolo tamin’ny Ismaelita, ary nitondra an’i Josefa ho any Ejipta ireo.
29
Rehefa niverina nankeo amin’ny lava-drano i Robena ka nahita fa indro, tsy tao an-dava-drano intsony i Josefa dia nandriatra ny fitafiany izy,
30
ary niverina nankeo amin’ny rahalahiny i Robena ka niteny hoe: Tsy ao ny zaza ka izaho, dia mba aiza izao no halehako?
31
Ary nalain’ireo rahalahiny ilay akanjon’i Josefa dia namono zanak’osy izy ka natsobony tamin’ny ran’io ilay akanjo.
32
Dia nampanateriny ho any amin’ny rainy ilay akanjo sady hoy ny filazany azy: Nahita an’ity izahay ka fantaro na akanjon’ny zanakao ity na tsia.
33
Dia fantany ilay akanjo ka hoy izy: Akanjon’ny zanako io! Lanin’ny biby masiaka izy! Voaviravira tokoa i Josefa!
34
Dia nandriatra ny fitafiany i Jakoba ka nisikina lamba fisaonana ary nisaona ny zanany andro maromaro.
35
Dia avy ny zanany lahy rehetra sy ny zanany vavy rehetra mba hampionona azy nefa tsy nety nampiononina izy, fa hoy izy: Tsia, fa hidina hisaona any amin’ny zanako any amin’ny fitoeran’ny maty aho. Dia mbola nitomany azy foana ny rainy.
36
Fa ny Midianita kosa dia nivarotra an’i Josefa tany Ejipta tamin’i Potifara, tandapan’i Farao, sady lehiben’ny mpiambina.
← Chapter 36
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 38 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50