bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Genesis 7
Genesis 7
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 8 →
1
Ary hoy NY TOMPO tamin’i Noa: Midira ao anatin’ny sambofiara ianao mbamin’ny ankohonanao rehetra, satria ianao no hitako fa marina eo anatrehako amin’ity taranaka ity.
2
Analao ho ao aminao ny biby madio rehetra isaky ny karazany, fito avy, lahy sy vavy; ny biby tsy madio isaky ny karazany, roa avy, lahy sy vavy;
3
ary ny voromanidina isaky ny karazany koa, fito avy, lahy sy vavy, mba tsy ho lany taranaka ambonin’ny tany rehetra ireny.
4
Fa raha afaka hafitoana, Izaho hampilatsaka ranonorana ambonin’ny tany efapolo andro sy efapolo alina; ary ny mananaina rehetra izay nataoko dia haringako tsy ho ambonin’ny tany.
5
Dia narahin’i Noa izay rehetra nandidian’NY TOMPO azy.
6
Eninjato taona i Noa raha tonga teto ambonin’ny tany ny safodrano.
7
Ary i Noa sy ny vady aman-janany mbamin’ny vinantovaviny niaraka taminy dia niditra tao anatin’ny sambofiara mba tsy ho tratry ny safodrano.
8
Ary ny biby madio sy ny biby izay tsy madio sy ny vorona mbamin’izay rehetra mandady na mikisaka amin’ny tany
9
dia nisy niditra tsiroaroa ho ao amin’i Noa tao anatin’ny sambofiara, dia lahy sy vavy, araka izay nandidian’Andriamanitra an’i Noa.
10
Rehefa afaka hafitoana dia tonga tetỳ ambonin’ny tany ny safodrano.
11
Tamin’ny andro fahafito amby folo tamin’ny volana faharoa tamin’ny faheninjato taona niainan’i Noa, tamin’izany andro izany dia vaky ny loharano rehetra tamin’ny lalina lehibe ary nivoha ireo varavaran’ny lanitra.
12
Dia nisy ranonorana nivatravatra tamin’ny tany nandritra ny efapolo andro sy efapolo alina.
13
Tamin’izay andro izay indrindra no efa tafiditra tao anatin’ny sambofiara i Noa, i Sema, i Hama ary i Jafeta, zanakalahin’i Noa, ny vadin’i Noa ary ny vinantony telo vavy niaraka taminy
14
mbamin’ny bibidia rehetra, samy araka ny karazany avy, ny biby fiompy rehetra, samy araka ny karazany avy, ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany, samy araka ny karazany avy, ny vorona rehetra, samy araka ny karazany avy, ny voronkely ary ny manana elatra rehetra.
15
Niditra tao amin’i Noa tao anatin’ny sambofiara ireo, tsiroaroa avy tamin’ny nofo rehetra izay manam-pofonaina.
16
Izay niditra tao dia lahy sy vavy, avy tamin’ny nofo rehetra, araka ny nandidian’Andriamanitra an’i Noa. Dia narindrin’NY TOMPO tao izy ireo.
17
Naharitra efapolo andro tetỳ ambonin’ny tany ny safodrano ka niakatra ny rano dia nanainga ny sambofiara, ary nitsinkafona niala tamin’ny tany izy.
18
Nitombo ny rano ka nisondrotra be indrindra tetỳ ambonin’ny tany, dia nandeha teny ambonin’ny rano ny sambofiara.
19
Nitombo izay tsy izy ny rano tetỳ ambonin’ny tany ka voasarony ny tendrombohitra avo rehetra izay tetỳ ambanin’ny lanitra manontolo.
20
Nihoatra dimy amby folo hakiho ny rano ka voasarona ny tendrombohitra.
21
Dia maty ny nofo rehetra izay nihetsiketsika tetỳ ambonin’ny tany, dia ny vorona, ny biby fiompy, ny bibidia sy ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany ary ny olombelona rehetra.
22
Izay rehetra manam-pofonaina eo am-bavorony, izay rehetra teo amin’ny tany maina, dia maty avokoa.
23
Naringana ny mananaina rehetra izay tetỳ ambonin’ny tany, hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby fiompy sy ny zava-mandady na mikisaka ary ny voromanidina; naringana tsy ho amin’ny tany ireny. Fa i Noa sy izay niara-nitoetra taminy tao anatin’ny sambofiara ihany no sisa velona.
24
Mbola nitombo ihany tetỳ ambonin’ny tany nandritra ny dimampolo amby zato andro ny rano.
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50