bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Genesis 42
Genesis 42
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 41
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 43 →
1
Fantatr’i Jakoba koa fa nisy vary tany Ejipta ka hoy izy tamin’ireo zanany lahy: Nahoana no mifampijery foana eo ianareo?
2
Hoy koa izy: Reko fa misy vary any Ejipta; andeha midina any ianareo ka mividiana ho antsika mba ho velona isika fa tsy ho faty.
3
Dia lasa nidina izy folo lahy rahalahin’i Josefa mba hividy vary any Ejipta.
4
Fa tsy mba nalefan’i Jakoba niaraka tamin’ny rahalahiny i Benjamina rahalahin’i Josefa, fandrao, hoy izy, hisy loza hanjo azy.
5
Dia tonga ny zanak’Israely mba hividy vary, niaraka tamin’ny olona izay nankany Ejipta, fa tratry ny mosary koa ny tany Kanana.
6
I Josefa no mpanapaka tamin’ny tany, sady izy no mpivaro-bary tamin’ny tompon-tany rehetra. Ary tonga ny rahalahin’i Josefa ka niankohoka tamin’ny tany teo anatrehany.
7
Rehefa hitan’i Josefa ireo rahalahiny dia fantany ihany, nefa nody olon-kafa taminy izy ka niteny mafy tamin’izy ireo hoe: Avy aiza ianareo? Dia hoy ny rahalahiny: Avy any amin’ny tany Kanana izahay mba hividy hanina.
8
Fantatr’i Josefa ny rahalahiny fa izy ireo kosa dia tsy mba nahafantatra azy.
9
Tsaroan’i Josefa ireo nofiny momba azy ireo ka hoy izy taminy hoe: Mpitsikilo ianareo; hizaha ny fangadihadin’ny tany no nahatongavanareo!
10
Fa hoy ireo taminy: Tsia, tompokolahy, fa tonga mba hividy hanina ny mpanomponao.
11
Zanaky ny lehilahy iray ihany izahay rehetra; olo-marina izahay fa tsy mba mpitsikilo tsy akory ny mpanomponao!
12
Hoy i Josefa tamin’izy ireo: Tsia! Fa hizaha ny fangadihadin’ny tany no nahatongavanareo!
13
Hoy izy ireo: Roa amby folo mirahalahy ny mpanomponao, zanaky ny lehilahy iray ihany any amin’ny tany Kanana; ary indro, ny faralahy dia any amin’ny rainay ankehitriny, fa ny iray dia tsy ao intsony.
14
Dia hoy i Josefa taminy: Io ilay voalazako taminareo hoe: Mpitsikilo ianareo!
15
Izao ary no porofo hamantarana anareo: Raha velona koa i Farao, tsy hiala atỳ ianareo raha tsy tonga atỳ izany zandrinareo faralahy izany.
16
Iraho ny iray aminareo, ary aoka izy haka ny zandrinareo, fa hafatotra ianareo mba hahazoana mamantatra ny teninareo raha marina na tsia; fa raha tsy izany, raha velona koa i Farao, dia mpitsikilo tokoa ianareo!
17
Dia nataony tao an-tranomaizina hateloana izy rehetra.
18
Nony tamin’ny andro fahatelo dia hoy i Josefa tamin’izy ireo: Izao no ataovy, dia ho velona ianareo, satria izaho dia matahotra an’Andriamanitra:
19
Raha olo-marina ary ianareo dia aoka ny iray aminareo mirahalahy ireo no hafatotra ao amin’ny tranomaizina nitoeranareo; ary mandehana ianareo mitondra vary any amin’ny tranonareo noho ny mosary;
20
ento mankaty amiko ny zandrinareo faralahy; dia ho hita fa marina ny teninareo ka tsy hovonoina ianareo. Dia nataon’izy ireo izany.
21
Ary niresaka izy ireo hoe: Meloka tokoa isika noho ny amin’ny rahalahintsika, satria nahita ny fahoriany isika raha nitaraina tamintsika izy nefa tsy mba nihaino isika. Koa izany no nahatongavan’izao fahoriana izao amintsika.
22
Hoy i Robena taminy: Moa tsy efa niteny taminareo va aho hoe: Aza manota amin’ny zaza? Nefa tsy mba nihaino ianareo. Koa indro, adinina amintsika izao ny rany!
23
Tsy fantatr’izy ireo fa nahafantatra ny teniny i Josefa satria nisy mpandika teny niresahany taminy.
24
Dia nihodina niala teo i Josefa ka nitomany. Avy eo, niverina nankeo indray izy ka niresaka tamin’izy ireo, dia naka an’i Simeona teo aminy izy ka namatotra azy teo imasony.
25
Nanome teny i Josefa mba hofenoina vary ny lasakany ary haverina ho ao anatin’ny lasakany avy ny volan’ny isan-dahy; nasainy nomena vatsy koa izy ireo hoentiny eny an-dalana. Nataony tamin’izy ireo izany.
26
Dia nataingin’izy ireo tamin’ny borikiny avy ny vary ka lasa izy ireo nandeha.
27
Rehefa nosokafan’ny iray ny lasakany hampihinanany ny borikiny teo amin’izay handriany dia indro, hitany ny volany teo am-bavan’ny lasakany ihany.
28
Dia hoy izy tamin’ireo rahalahiny: Naverina ny volako ka indro, ao anatin’ny lasakako! Dia ketraka ny fony ary nifampijery tamin-tahotra izy ireo ka niresaka hoe: Inona izao ataon’Andriamanitra amintsika izao?
29
Nony tonga tany amin’i Jakoba rainy tany amin’ny tany Kanana izy ireo dia nambaran’izy ireo taminy izay rehetra nanjo azy ka hoy izy ireo:
30
Mafy ny teny nataon-dRalehilahy tompon’ny tany taminay, fa nataony ho mpitsikilo izahay.
31
Nefa hoy izahay taminy: Olo-marina izahay fa tsy mba mpitsikilo akory!
32
Roa amby folo mirahalahy izahay no zanaky ny rainay; tsy ao intsony ny iray, ary ny faralahy dia any amin’ny rainay any amin’ny tany Kanana ankehitriny.
33
Dia hoy Ralehilahy tompon-tany taminay: Izao ary no porofo hahafantarako fa olo-marina ianareo: Ny iray aminareo mirahalahy ireo dia avelao atỳ amiko, fa mitondrà vary noho ny mosary any amin’ny tranonareo dia mandehana.
34
Ary ento mankaty amiko ny zandrinareo faralahy dia ho fantatro fa tsy mba mpitsikilo ianareo fa olo-marina; dia homeko anareo ny rahalahinareo ka hahazo hivarotra eto amin’ny tany ianareo.
35
Ary rehefa nandraraka izay tao anatin’ny lasakany izy ireo dia indro, ny volany dia tao am-ponosana samy tao anatin’ny lasakany avy. Nony nahita ny volany tao am-ponosana izy ireo sy ny rainy dia samy raiki-tahotra.
36
Dia hoy i Jakoba rainy tamin’izy ireo: Tsy hanan-janaka intsony aho izany aminareo! I Josefa dia tsy eto intsony, i Simeona koa dia tsy eto intsony ary i Benjamina indray dia halainareo! Izaho ihany no ianjadian’izany rehetra izany!
37
Dia niteny tamin’ny rainy i Robena hoe: Vonoy ny zanako roa lahy raha tsy mitondra azy miverina atỳ aminao aho! Atolory eto an-tanako izy fa izaho no hitondra azy mody ho atỳ aminao indray.
38
Dia hoy i Jakoba: Tsy hidina miaraka aminareo ny zanako; efa maty ny rahalahiny, ary izy irery ihany no sisa; ary raha misy loza manjo azy any amin’ny lalana izay halehanareo dia hampidininareo any amin’ny fitoeran’ny maty amin’alahelo ny volofotsiko.
← Chapter 41
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 49
Chapter 50
Chapter 43 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48
49
50