bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ezekiel 1
Ezekiel 1
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 2 →
1
Tamin’ny andro fahadimy tamin’ny volana fahefatra, tamin’ny taona fahatelopolo, raha teo amin’ny babo teo amoron’ny ony Kebara aho, dia nisokatra ny lanitra ka nahita fahitana avy tamin’Andriamanitra aho.
2
Tamin’ny andro fahadimin’ny volana, tamin’ny taona fahadimy taorianan’ny namaboana an’i Joiakina mpanjaka,
3
dia tonga tamin’i Ezekiela mpisorona, zanak’i Bozỳ, ny tenin’NY TOMPO tany amin’ny tanin’ny Kaldeana, teo amoron’ny ony Kebara. Ary tany dia teo aminy ny tanan’NY TOMPO.
4
Ary hitako fa indro, nisy tafio-drivotra avy tany avaratra, dia rahona lehibe sy afo mifandrambondrambona sady nisy namirapiratra manodidina azy. Avy teo amin’ny afo dia nisy toy ny volon’ny metaly mamirapiratra.
5
Teo anivony dia nisy toa endriky ny zavamananaina efatra. Ny fijery azy dia ohatra ny endrika olona.
6
Samy nanana tarehy efatra sy elatra efatra avy izy.
7
Ny ranjony dia mahitsy, ary ny faladiany dia tahaka ny faladian’ny ombilahy kely; namirapiratra toy ny volon’ny varahina manganohano izy.
8
Nisy tanan’olona teo ambanin’ny elany teo amin’ny lafiny efatra, ary samy nanana ny tarehiny sy ny elany avy izy efatra.
9
Nifanendry ny elany; tsy niherika izy raha nandeha fa samy nizotra tamin’izay hitsiny avy izy rehetra.
10
Ny tarehiny dia tahaka ny tarehin’olona; tamin’ny ankavanany dia samy nanana ny tarehin’ny liona izy efatra, ary tamin’ny ankaviany dia samy nanana ny tarehin’ny omby, ary samy nanana ny tarehin’ny voromahery koa izy efatra.
11
Ny tarehiny sy ny elany dia nisaraka hatreo ambony; samy nanana elatra roa nifanendry izy, ary roa hafa koa nanarona ny tenany.
12
Samy nizotra tamin’izay hitsiny avy izy ka na taiza na taiza no tian’ny fanahy ho nalehany dia nalehany; tsy niherika izy raha nandeha.
13
Tahaka ny vainafo mirehitra ny fijery ny zavamananaina, tahaka ny fanilo; nivoivoy teny anelanelan’ny zavamananaina ny afo; namirapiratra ny afo sady nisy tselatra nivoaka avy tao aminy.
14
Ary ny zavamananaina dia nifanaretsaka nankatsỳ nankarỳ, toy ny tselatra mifelopeloka.
15
Ary hitako ny zavamananaina fa indro, nisy kodiarana iray teo amin’ny tany, teo anilan’ny zavamananaina teo anoloan’ny tarehiny efatra.
16
Ny fijery ireo kodiarana sy ny fombafombany dia tahaka ny volon’ny krizolita; nitovy endrika izy efatra, ary ny fijery azy sy ny fombafombany dia toy ny kodiarana anatin’ny kodiarana hafa.
17
Rehefa nandeha izy ireo dia nandeha tamin’izay hitsin’ny lafiny efatra; tsy niherika izy raha nandeha.
18
Ny boriboriny dia avo sy mahatahotra, sady feno maso manodidina izy efatra.
19
Rehefa nandeha ny zavamananaina dia nandeha teo anilany koa ireo kodiarana; rehefa niainga tsy nipaka tamin’ny tany ireo zavamananaina dia mba niainga koa ireo kodiarana.
20
Na taiza na taiza no tian’ny fanahy ho naleha dia nalehan’ireo koa, fa any no tian’ny fanahy haleha, ary ny kodiarana dia niainga teo anilany; fa tao amin’ny kodiarana ny fanahin’ny zavamananaina.
21
Rehefa nandeha ireo dia mba nandeha koa ireto; ary rehefa nijanona ireny dia mba nijanona koa ireto; ary rehefa niainga tsy nipaka tamin’ny tany ireny dia mba niainga teo anilany koa ny kodiarana; fa ny fanahin’ny zavamananaina dia tao amin’ny kodiarana.
22
Teo ambonin’ny lohan’ny zavamananaina dia nisy toa endriky ny eloelo, toy ny volon’ny kristaly mahatahotra, mivelatra eo ambonin’ny lohany.
23
Teo ambanin’ny eloelo dia nivelatra mahitsy sady nifanendry ny elany; samy nanana roa nisaronany avy izy rehetra ary samy nanana roa izay nanaronany ny tenany.
24
Rehefa nandeha izy dia nahare ny fikopakopaky ny elany aho, toy ny firohondrohon’ny ranobe, dia tahaka ny feon’ny Tsitoha, dia feo toy ny fireondreon’ny miaramila mitoby.
25
Ary nisy feo avy teo ambonin’ny eloelo izay teo ambonin’ny lohany; rehefa nijanona izy dia namihina ny elany.
26
Ary teo ambonin’ny eloelo izay teo ambonin’ny lohany dia nisy toy ny sezafiandrianana mitovy volo amin’ny vato safira; ary teo ambonin’izany toy ny sezafiandrianana izany dia nisy ohatra ny endrika olona.
27
Ary nahita toy ny volon’ny metaly mamirapiratra aho, ohatra ny afo manodidina azy; hatramin’ny andilany no ho miakatra ka hatramin’ny andilany no ho midina dia hitako tahaka ny afo ka nisy namirapiratra manodidina azy.
28
Toy ny fijery ny avana amin’ny rahona amin’ny andro nisy ranonorana no fijery ny namirapiratra manodidina. Izany no fijery ny voninahitry NY TOMPO. Nony nahita izany aho dia niankarapoka tamin’ny tany ka nandre ny feon’ny iray niteny.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48