bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ezekiel 37
Ezekiel 37
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 36
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 38 →
1
Tonga tamiko ny tanan’NY TOMPO, ary ny Fanahy no nitondran’NY TOMPO ahy nivoaka, dia napetrany teo amin’ny lohasaha iray feno taolana aho.
2
Ary nitondra ahy nandehandeha teny amin’ireo Izy; ary indreo, marobe ireo tao amin’ny lohasaha, ary indreo, maina dia maina ireo.
3
Ary hoy NY TOMPO tamiko: Ry zanak’olona, moa mety ho velona ihany va ireto taolana ireto? Ary hoy aho: TOMPO Andriamanitra ô, Ianao no mahalala!
4
Dia hoy indray Izy tamiko: Maminania amin’ireto taolana ireto ka lazao aminy hoe: Ry taola-maina, mihainoa ny tenin’NY TOMPO!
5
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra amin’ireto taolana ireto: Indro, hasiako fofonaina ianareo dia ho velona;
6
hasiako ozatra ianareo ka hampaniriako nofo; hosaronako hoditra ianareo; ary hasiako fofonaina ianareo ka ho velona; dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO.
7
Dia naminany aho araka izay efa nandidiana ahy, ary raha mbola naminany aho dia injany nisy feo! Ary indreo nihetsiketsika sady nifanatonatona ny taolana, samy nanatona ny taolana namany avy.
8
Ary hitako fa indro, nisy hozatra sy nofo teo aminy, ary nisarona hoditra izy nefa tsy mbola nisy fofonaina tao aminy.
9
Dia hoy Izy tamiko: Maminania amin’ny fofonaina, eny, maminania, ry zanak’olona, koa lazao amin’ny fofonaina hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Manatòna avy amin’ny rivotra efatra, ry fofonaina, ka tsotsofy ireo voavono ireo mba ho velona izy.
10
Dia naminany araka izay efa nandidiany ahy aho ka nidiran’ny fofonaina ireo ary velona, dia nijoro tamin’ny tongony izy: Tafika lehibe dia lehibe tokoa.
11
Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, ireto taolana ireto dia ny taranak’Israely rehetra; indreo izy miteny hoe: Maina ny taolanay, levona ny fanantenanay, fongotra izahay!
12
Koa maminania ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, ry oloko, Izaho no hanokatra ny fasanareo, ary hampiakariko avy amin’ny fasanareo ianareo ka ho entiko ho any amin’ny tanin’ny Israely;
13
dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO, rehefa manokatra ny fasanareo Aho, ry oloko, ka mampiakatra anareo hiala amin’ny fasanareo!
14
Ary hataoko ao anatinareo ny Fanahiko dia ho velona ianareo, ary hamponeniko any amin’ny taninareo ianareo; dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPO no efa niteny sady nanatanteraka izany, hoy NY TOMPO.
15
Ary tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
16
Ary ianao, ry zanak’olona, makà tapa-kazo iray ka asio soratra hoe: Ho an’ny Joda sy ho an’ny Zanak’Israely namany. Dia makà tapa-kazo iray hafa koa ka asio soratra hoe: Ho an’i Josefa, dia tapa-kazon’i Efraima izany, sy ho an’ny taranak’Israely namany rehetra.
17
Ary ampifanatony izy roa ho tonga tapa-kazo iray ihany, dia ho tafaray eny an-tananao izy.
18
Ary raha miteny aminao ny zanaky ny firenenao hoe: Moa tsy hilaza izay hevitrao amin’izany va ianao?
19
Dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, Izaho haka ny tapa-kazon’i Josefa izay eny an-tanan’i Efraima, sy ny fokon’ny Israely namany, ary hakambako ho eo amin’ny tapa-kazon’i Joda izy, ary hataoko tapa-kazo iray ihany izy ka ho tonga iray eny an-tanako.
20
Ary ny tapa-kazo izay hasianao soratra dia ho eny an-tananao, eo imasony.
21
Dia lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, Izaho no haka ny Zanak’Israely avy any amin’ny Jentilisa izay nalehany, eny, hangoniko avy any amin’ny manodidina any izy ka hoentiko any amin’ny taniny.
22
Hataoko firenena tokana any amin’ny tany izy, dia any amin’ny tendrombohitry ny Israely, ary mpanjaka iray ihany no ho mpanjakan’izy rehetra, ka tsy ho firenena roa intsony izy ary tsy hisaraka ho fanjakana roa intsony.
23
Tsy handoto tena amin’ny sampiny, na amin’ny fahavetavetany, na amin’ny fahadisoany intsony izy, fa hovonjeko ho afaka amin’ny fonenany rehetra izay nanotany izy, ary hodioviko izy ka ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.
24
Ary i Davida mpanompoko no ho mpanjakany; ary hiray mpiandry izy rehetra dia handeha araka ny fitsipiko izy sady hitandrina ny lalànako sy hankatò izany.
25
Ary honina any amin’ny tany izay nomeko an’i Jakoba mpanompoko izy, dia ilay efa nonenan’ny razanareo, ka honina any izy sy ny zanany mbamin’ny zafiny mandrakizay; ary i Davida mpanompoko no ho mpitarika azy mandrakizay.
26
Ary hanao fanekem-pihavanana ho azy Aho ka ho fanekena mandrakizay eo aminy izany, ary hampiorim-ponenana azy sy hahamaro azy Aho sady hampiorina ny fitoerako masina eo aminy mandrakizay.
27
Ary ny tabernakeliko dia ho eo aminy; Izaho ho Andriamaniny ary ho oloko izy;
28
dia ho fantatry ny Jentilisa fa Izaho TOMPO no manamasina ny Israely, rehefa eo aminy mandrakizay ny fitoerako masina.
← Chapter 36
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 38 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48