bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ezekiel 9
Ezekiel 9
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 10 →
1
Ary niantso tamin’ny feo mahery teo anatrehako NY TOMPO hoe: Manakeke ianareo, ry mpiambina ny tanàna, ka samia mitondra ny fiadiany eny an-tanany avy ho enti-mandringana!
2
Ary indreo, nisy lehilahy enina avy teo amin’ny vavahady ambony izay manatrika ny avaratra, samy nitondra ny fiasany fanorotoroana teny an-tanany avy izy; ary ny iray tamin’ireo dia nitafy lamba rongony fotsy sady nisy fitoeran-dranomaintin’ny mpitantsoratra teo amin’ny andilany. Dia niditra izy ireo ka nijoro teo anilan’ny alitara varahina.
3
Ary ny voninahitry ny Andriamanitry ny Israely dia niakatra ka niala teo amin’ny kerobima izay nitoerany, ho eo amin’ny tokonam-baravaran’ny Trano, ary Izy dia niantso ilay lehilahy nitafy lamba rongony fotsy izay nisy fitoeran-dranomaintin’ny mpitantsoratra teo amin’ny andilany.
4
Ary hoy NY TOMPO taminy: Mandehana mamakivaky ny tanàna, dia Jerosalema, ka asio marika ny handrin’ny olona izay misento sy mitaraina noho ny fahavetavetana rehetra atao ao aminy.
5
Ary reko Izy niteny tamin’ny sasany hoe: Mandehana manaraka azy ianareo hamakivaky ny tanàna ka mameleza; aoka tsy hamindra fo ny masonareo ary aza ananana antra!
6
Na lahiantitra na zatovo na virijiny na zaza madinika na vehivavy, dia aringano avokoa; fa izay olona misy ilay marika ihany no aza kasihina; ary atombohy hatreo amin’ny fitoerako masina izany. Dia nanomboka tamin’ny lahiantitra izay teo anoloan’ny Trano ireo.
7
Ary hoy Izy tamin’ireo: Lotoy ny Trano ary fenoy faty ny kianja! Mivoaha ianareo! Dia nivoaka izy ireo ka namely ny tao an-tanàna.
8
Ary raha mbola namely izy, ary izaho ihany no sisa teo, dia niankohoka aho ka nitaraina hoe: Indrisy! Ry TOMPO Andriamanitra ô! Haringanao va ny sisa rehetra amin’ny Israely amin’izao ampidinanao ny fahatezeranao amin’i Jerosalema izao?
9
Dia hoy Izy tamiko: Lehibe dia lehibe ny heloky ny taranak’Israely sy ny Joda; feno ran’olona nalatsaka ny tany sady feno fitsarana miangatra ny tanàna satria hoy izy: NY TOMPO efa nahafoy ny tany ary NY TOMPO tsy mahita.
10
Ary Izaho kosa dia tsy hiantra ny masoko sady tsy hamindra fo Aho fa hatsingeriko ho eo an-dohany ny lalany.
11
Ary indro, Ralehilahy, ilay nitafy lamba rongony fotsy sady nisy fitoeran-dranomainty teo amin’ny andilany, dia nitondra teny niverina hoe: Efa vitako izay nandidianao ahy.
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 10 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48