bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ezekiel 24
Ezekiel 24
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 25 →
1
Tamin’ny andro fahafolo tamin’ny volana fahafolo, tamin’ny taona fahasivy dia tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
2
Ry zanak’olona, soratinao ny anaran’ny andro, dia izao andro anio izao; ny mpanjakan’i Babilona dia manomboka mamely an’i Jerosalema amin’izao andro anio izao.
3
Milazà fanoharana amin’ny taranaka maditra ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Asio vilany eo an-tokoana, eny, ataovy eo an-tokoana ka asio rano ao anatiny.
4
Arotsahy ao ny vaingambaingany, dia ny vaingambaingany tsara rehetra, na ny feny na ny sorony; fenoy taolana voafantina izany.
5
Alao ny ondry voafantina dia tohofy kitay betsaka ao ambaniny ka angony eo ambaniny ny taolana, dia ampangotrahy tsara izany ka andrahoy ao ny taolany.
6
Fa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Lozan’ny tanàna mpandatsa-dra sy ny vilany izay misy harafesina tsy mety afaka ao anatiny! Loary tsirairay ny vaingambaingany fa aza anaovana antsapaka.
7
Fa ny rany dia ao aminy; teo ambonin’ny vatolampy mangadihady no nametrahany azy; tsy naidiny tamin’ny tany hosaronan’ny vovoka izany.
8
Mba hampiakatra ny fahatezerana hamaliana azy no nametrahako ny rany teo ambonin’ny vatolampy mangadihady mba tsy ho voasarona.
9
Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Lozan’ny tanàna mpandatsa-dra! Izaho koa hamory kitay betsaka.
10
Atohofy betsaka ny kitay hazo, ampireheto ny afo, masaho tsara ny hena ka asio zavatra hahamanitra azy ary aoka ho may ny taolana.
11
Dia foàny ny vilany ka ataovy eo ambonin’ny vainafo hampahafana sy hahamay ny varahina ao aminy ka ho levona ny fahalotoany ao anatiny, ary ho afaka ny harafesina aminy.
12
Lany foana ny hasasarana, nefa tsy nety afaka ny harafesimbeny; aoka ho eo amin’ny afo ny harafesina aminy!
13
Ny fahavetavetanao dia ao amin’ny fahalotoanao; satria nanadio anao Aho nefa tsy nadio ianao, koa tsy hadio ho afaka amin’ny fahalotoana intsony ianao raha tsy hanamparako ny fahatezerako.
14
Izaho TOMPO no niteny; ho tonga izany ary hataoko; tsy hiahotrahotra Aho, na hiantra, na hanenina. Araka ny lalanao sy ny asanao no hitsarana anao, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
15
Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
16
Ry zanak’olona, indro, hesoriko amin’ny loza indray mamely monja ilay tian’ny masonao. Nefa aza misaona na mitomany na mandatsa-dranomaso akory ianao.
17
Misentoa mangingina ihany ianao fa aza mitomany na misaona ny maty; afehezo aminao ny fehilohanao, ary asio kapa ny tongotrao, ary aza manarona ny saokanao na mihinana ny sakafo aterin’ny olona.
18
Nony maraina dia niteny tamin’ny olona aho, ary nony hariva dia maty ny vadiko. Nony maraina indray dia nanatanteraka izay nandidiana ahy aho.
19
Dia hoy ny olona tamiko: Moa tsy holazainao aminay va izay hevitra tokony ho azonay amin’izao ataonao izao?
20
Dia hoy aho taminy: Tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
21
Lazao amin’ny taranak’Israely hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, holotoiko ny fitoerako masina, izay reharehan’ny herinareo, dia ilay tian’ny masonareo sy mahamanina ny fanahinareo; ary ho lavon’ny sabatra ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo izay nilaozanareo.
22
Dia hanao tahaka ny nataoko ianareo: Tsy hanarona ny saokanareo ianareo, na hihinana ny sakafo aterin’ny olona;
23
ho eo an-dohanareo ny fehilohanareo ary ho eo an-tongotrareo ny kapanareo; tsy hisaona na hitomany ianareo; fa ho levona noho ny helokareo ianareo ka hifampitoloko.
24
Ary i Ezekiela dia ho famantarana mahagaga ho anareo. Araka izay rehetra nataony no hataonareo. Ary rehefa tonga izany dia ho fantatrareo fa Izaho no TOMPO Andriamanitra.
25
Ary ianao, ry zanak’olona, amin’ny andro hanesorako aminy ny heriny, ny fifaliany, ny voninahiny, ilay tian’ny masony sy ilay tian’ny fanahiny, ny zanany lahy sy ny zanany vavy,
26
amin’izany andro izany dia hisy olona afa-nandositra ho tonga any aminao mba hampandre izany aminao.
27
Amin’izany andro izany dia hisokatra miaraka amin’ny vavan’ilay mpandositra ny vavanao. Dia hiteny ianao ka tsy ho moana intsony, ary ho famantarana mahagaga aminy ianao; dia ho fantany fa Izaho no TOMPO.
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 25 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48