bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ezekiel 43
Ezekiel 43
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 42
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 44 →
1
Ary noentiny ho any amin’ny vavahady aho, dia ilay vavahady manatrika ny atsinanana.
2
Ary indro, tamy ny voninahitry ny Andriamanitry ny Israely avy tany atsinanana. Ny feony dia tahaka ny firohondrohon’ny ranobe, ary ny tany dia namirapiratra azon’ny voninahiny.
3
Ny fahitana hitako dia tahaka an’ilay hitako fony Izy tonga handrava ny tanàna; ary ireo fahitana ireo dia tahaka ny fahitana hitako teo amoron’ny ony Kebara ihany. Niankarapoka tamin’ny tany aho.
4
Ary ny voninahitr’NY TOMPO dia niditra tao amin’ny Trano, tamin’ny vavahady manatrika ny atsinanana.
5
Dia nisy fanahy nanainga ahy ka nitondra ahy niditra ho ao amin’ny kianja anatiny; ary indro, feno ny voninahitr’NY TOMPO ny Trano.
6
Dia reko fa nisy niteny tamiko avy tao amin’ny Trano; ary nisy lehilahy nitsangana teo anilako.
7
Dia hoy Izy tamiko: Ry zanak’olona, eto no hitoeran’ny sezafiandrianako sy hitoeran’ny faladiako, izay honenako mandrakizay eto amin’ny Zanak’Israely. Tsy holotoin’ny taranak’Israely, na izy na ny mpanjakany, amin’ny fijangajangany sy amin’ny fatin’ny mpanjakany ao amin’ny fasany intsony ny anarako masina.
8
Napetrany teo anilan’ny tokonam-baravarako ny tokonam-baravaran’ireny, ary nataony teo anilan’ny tolanako ny tolanan’ireny, ka rindrina ihany no teo anelanelako sy ireny; nolotoiny tamin’ny fahavetavetana nataony ny anarako masina; izany no nahalany ringana azy tamin’ny fahatezerako.
9
Fa amin’izao kosa dia aoka hariany lavitra Ahy ny fijangajangany sy ny fatin’ny mpanjakany, dia honina eo anivony mandrakizay Aho.
10
Ianao, ry zanak’olona, asehoy amin’ny taranak’Israely ny Trano mba hahamenatra azy ny amin’ny helony ka horefesiny ny mari-trano.
11
Ary raha menatra ny amin’izay rehetra nataony izy dia asehoy azy ny endriky ny Trano mbamin’ny fombafombany, ny fivoahana avy ao aminy, ny fidirana ho ao aminy, ny endriny rehetra ary ny didy rehetra momba azy, eny, ny endriny rehetra ary ny lalàna rehetra momba azy. Ampahafantaro azy izany sady soraty eo imasony, hitandremany ny endriny rehetra sy ny didy rehetra momba izany ka hanatanterahany izany.
12
Izao no lalàna ny amin’ny Trano: Ho masina dia ho masina avokoa izay rehetra voafaritra ho azy eo an-tampon’ny tendrombohitra. Eny, izany no lalàna ny amin’ny Trano.
13
Izao no mariky ny alitara araka ny hakiho, nefa isaky ny hakiho iray dia mihoatra felatanana iray noho ny fanao: Ny fanorenany dia iray hakiho ary iray hakiho koa ny sakany, ary ny sisiny manodidina dia irain-jehy; ireo no fiorenan’ny alitara.
14
Ary hatreo amin’ny fanorenany eo amin’ny tany ka hatramin’ny foto-drindriny ambany dia roa hakiho, ary ny sakany dia iray hakiho; ary hatreo amin’ny foto-drindrina kely ka hatramin’ny rindriny lehibe dia efatra hakiho, ary ny sakany dia iray hakiho.
15
Ny fatan’ny alitara dia efatra hakiho amin’ny tapany ambony, ary misy tandroka eo an-jorony.
16
Roa amby folo hakiho ny lavan’ny fatana ary roa amby folo hakiho koa ny sakany; efamira izany.
17
Ny fanorenany dia efatra amby folo hakiho ny lavany, efatra amby folo hakiho koa ny sakany, amin’ny lafiny efatra; ary ny sisiny manodidina dia antsasaky ny hakiho; ny haavon’ny fanorenana dia iray hakiho manodidina, ary ny zanatohatra aminy dia manatrika ny atsinanana.
18
Ary hoy izy tamiko: Ry zanak’olona, izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Izao no didy ny amin’ny alitara amin’izay andro hanaovana azy, hanaterana fanatitra dorana manontolo sy hamafazana ra aminy:
19
Ny levita mpisorona, taranak’i Zadoka, izay manatona Ahy hanao fanompoana ho Ahy, dia homenao vantotra ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
20
Hanalanao ny rany ka hatentinao amin’ny tandrony efatra sy amin’ny zorony efatra amin’ny fanorenany ary amin’ny haingony manodidina. Izany no hataonao hanadiovana azy sy hanaovana fanavotana ho azy.
21
Halainao koa ny vantotra ombilahy hatao fanatitra noho ny ota ka hodorana eo amin’ny toerana voatokana ao amin’ny Trano, ivelan’ny fitoerana masina.
22
Amin’ny andro faharoa no hanateranao osilahy tsy misy kilema hatao fanatitra noho ny ota, koa izany no hanadiovana ny alitara, tahaka ny nanadiovana azy tamin’ny vantotra ombilahy.
23
Rehefa vita ny fanadiovanao azy dia hanatitra vantotra ombilahy tsy misy kilema sy ondrilahy tsy misy kilema ianao.
24
Haterinao eo anatrehan’NY TOMPO ireo, ary ny mpisorona dia handraraka sira eo aminy ary hanatitra azy ho fanatitra dorana manontolo ho an’NY TOMPO.
25
Isanandro, mandritra ny hafitoana, no hanoloranao osilahy hatao fanatitra noho ny ota sy vantotra ombilahy ary ondrilahy izay tsy misy kilema.
26
Hafitoana no hanaovana fanavotana ho an’ny alitara sy hanadiovana azy ary hanokanana azy.
27
Rehefa tapitra izany andro izany dia hiantomboka amin’ny andro fahavalo ny hanoloran’ny mpisorona ny fanatitra doranareo manontolo eo amin’ny alitara sy ny fanati-pihavananareo, dia hankasitrahako ianareo, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
← Chapter 42
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 44 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48