bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ezekiel 29
Ezekiel 29
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 30 →
1
Tamin’ny andro faharoa amby folo tamin’ny volana fahafolo, tamin’ny taona fahafolo dia tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
2
Ry zanak’olona, manandrifia an’i Farao mpanjakan’i Ejipta ka maminania ny hamelezana azy mbamin’i Ejipta rehetra.
3
Mitenena ka lazao hoe: Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, avy hamely anao Aho, ry Farao, mpanjakan’i Ejipta, ilay dragona makadiry mamitsaka ao amin’ny Neiliny, dia ilay niteny hoe: Ahy ny Neiliko, Izaho no namorona azy ho an’ny tenako!
4
Hasiako farango ny valanoranonao dia hampiraiketiko amin’ny kiranao ny hazandrano ao amin’ny Neilinao ka hampiakariko avy eo afovoan’ny Neilinao ianao, ary ny hazandrano rehetra amin’ny Neilinao dia hiraikitra amin’ny kiranao.
5
Dia hariako any an-tany efitra ianao, dia ianao sy ny hazandrano rehetra avy amin’ny Neilinao. Hitsitsitra eny an-tanety ianao ka tsy hovorina na hangonina, fa homeko hohanin’ny bibidia sy ny voromanidina ianao.
6
Dia ho fantatry ny mponina rehetra any Ejipta fa Izaho no TOMPO, satria tehina volotara fandrefesana ho an’ny taranak’Israely izy.
7
Rehefa mandray anao amin’ny tanany izy dia folaka ianao ka voatsindronao ny helik’izy rehetra; ary rehefa mitehina aminao izy dia tapaka ianao ka mampilefidefitra ny andilan’izy rehetra.
8
Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, hahatonga sabatra hamely anao Aho ka hofongorako tsy ho aminao ny olona sy ny biby.
9
Ny tany Ejipta ho rava sy lao, dia ho fantatra fa Izaho no TOMPO. Satria hoy izy: Ahy i Neily, ary izaho no nanao azy!
10
Dia indro, avy hamely anao sy ny Neilinao Aho, ary ny tany Ejipta dia hataoko lao tokoa, eny, sady ho lao no ho rava, hatrany Migdola ka hatrany Siena, dia hatrany amin’ny sisintanin’i Kosy.
11
Tsy hodiavin-tongotr’olona ny tany, ary ny tongo-biby aza dia tsy handia azy, sady tsy honenana efapolo taona izy.
12
Ary ny tany Ejipta dia hataoko tany rava ao amin’ny tany rava, ary ny tanànany dia ho lao ao amin’ny tanàna lao, efapolo taona. Eny, haeliko ho any amin’ny firenena any ny Ejiptiana ary hahahako any amin’ny tany samihafa.
13
Fa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Rehefa afaka efapolo taona dia hangoniko avy any amin’ny firenena izay nielezany ny Ejiptiana.
14
Haveriko amin’ny toerany eo aloha indray izy ka hampodiko any amin’ny tany Patrosa, tany niaviany, izy, ary any izy dia ho fanjakana ambany laharana;
15
eny, ho ambany noho ny fanjakana hafa izy ka tsy hisandratra ambonin’ny firenena hafa intsony; fa hohakeleziko izy ka tsy hanapaka amin’ny firenena intsony.
16
Dia tsy ho tokin’ny taranak’Israely intsony izy ka ho fampahatsiarovana ny helony amin’ny andehanan’ireo hanaraka azy; dia ho fantatra fa Izaho no TOMPO Andriamanitra.
17
Tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana voalohany, tamin’ny taona fahafito amby roapolo dia tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
18
Ry zanak’olona, mafy ny fanompoana izay nampanaovin’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babilona, ny miaramilany tamin’ny namelezany an’i Tiro, ka efa samy tonga sola avokoa ny lohany sady niendaka ny sorony, nefa tsy nahazo karama avy tany Tiro izy sy ny miaramilany noho ny fanompoana izay nataony tamin’ny namelezany azy.
19
Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, homeko an’i Nebokadnezara mpanjakan’i Babilona, ny tany Ejipta, dia halainy ny harenany, ary hobaboiny izay hita ao, ka hataony sambotra izay azo ao, koa izany no ho karaman’ny miaramilany.
20
Ho valin’ny fanompoana nataony tany Tiro no nanomezako azy ny tany Ejipta, satria nataony ho Ahy izany, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
21
Amin’izany andro izany dia hampitsimoka tandroka ho an’ny taranak’Israely Aho, ary hataoko miloa-bava eo aminy ianao; dia ho fantatra fa Izaho no TOMPO.
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 30 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48