bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ezekiel 10
Ezekiel 10
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 11 →
1
Ary hitako fa indro, teo ambonin’ny eloelo izay teo ambonin’ny lohan’ny kerobima dia nisy tahaka ny vato safira; ary nisy zavatra tahaka ny endriky ny sezafiandrianana niseho teo amboniny.
2
Ary niteny tamin-dRalehilahy nitafy lamba rongony fotsy Izy hoe: Midira eo anelanelan’ny kodiarana, dia eo ambanin’ny kerobima, ary fenoy vainafo avy eo anelanelan’ny kerobima ny tananao roa ka afafazo amin’ny tanàna izany! Dia niditra teo imasoko izy.
3
Ary ny kerobima dia nitsangana teo ankavanan’ny Trano rehefa niditra Ralehilahy; ary ilay rahona dia nameno ny kianja anatiny.
4
Dia niakatra niala teo amin’ny kerobima ho eo amin’ny tokonam-baravaran’ny Trano ny voninahitry ny TOMPO; ary ilay rahona dia nameno ny Trano, ary ny kianja dia feno ny famirapiratan’ny voninahitry NY TOMPO.
5
Ary ny fikopakopaky ny elatry ny kerobima dia re hatrany amin’ny kianja ivelany, toy ny feon’Andriamanitra Tsitoha raha miteny Izy.
6
Ary rehefa nodidiany Ralehilahy nitafy lamba rongony fotsy hoe: Makà afo avy eo analenelan’ny kodiarana, eo anelanelan’ny kerobima, dia niditra izy ka nitsangana teo anilan’ny kodiarana.
7
Ary ny kerobima iray dia nanatsotra ny tanany avy teo anelanelan’ny kerobima ho eo amin’ny afo izay teo anelanelan’ny kerobima, dia nakany ka nofenoiny ny tanan-droan’ilay nitafy lamba rongony fotsy. Ary rehefa nandray izany Ralehilahy dia lasa nandeha.
8
Ary nisy zavatra toy ny tanan’olona niseho teo ambanin’ny elatry ny kerobima.
9
Ary hitako fa indreo, nisy kodiarana efatra teo anilan’ny kerobima, dia kodiarana iray avy teo anilan’ny kerobima tsirairay; ny fijery ny kodiarana dia toy ny volon’ny vato krizolita.
10
Ary ny fijery azy efatra dia toy ny kodiarana anatin’ny kodiarana hafa.
11
Rehefa nandeha izy ireo dia nandeha tamin’ny hitsin’ny lafiny efatra; tsy niherika izy rehefa nandeha, fa tamin’ny hitsin’izay natrehin’ny lohany ihany no nalehany; tsy niherika izy rehefa nandeha.
12
Feno maso manodidina ny tenan’ny kerobima manontolo, ny lamosiny, ny tanany, ny elany ary koa ny kodiarana; izy efatra dia samy nisy kodiarana avokoa.
13
Ny amin’ny kodiarana dia reko nisy niantso azy hoe: Ry tadio!
14
Samy nanana tarehy efatra avy izy: Ny tarehin’ny voalohany dia nitarehin’ny kerobima, ary ny tarehin’ny faharoa dia nitarehin’olona, ny fahatelo dia nitarehin’ny liona, ary ny fahefatra nitarehim-boromahery.
15
Ary niakatra ny kerobima. Izany dia ilay zavamananaina hitako teo amoron’ny ony Kebara ihany.
16
Rehefa nandeha ny kerobima dia mba nandeha teo anilany koa ny kodiarana; ary rehefa nasandratry ny kerobima ny elany hiainga tsy hipaka amin’ny tany dia tsy nisaraka taminy ny kodiarana fa teo akaikiny koa.
17
Rehefa nijanona izy dia mba nijanona koa ireo; ary rehefa niainga izy dia mba niainga koa ireo: fa ny fanahin’ny zavamananaina no tao aminy.
18
Dia niala avy teo ambonin’ny tokonam-baravaran’ny Trano ny voninahitry NY TOMPO ka nijanona teo ambonin’ny kerobima.
19
Ary nasandratry ny kerobima ny elany ka niainga tsy nipaka tamin’ny tany teo imasoko izy rehefa nivoaka, ary teo anilany ny kodiarana ary samy nijanona teo anoloan’ny vavahady atsinanana amin’ny tranon’NY TOMPO izy ireo; ary ny voninahitry ny Andriamanitry ny Israely no teo amboniny.
20
Izany dia ilay zavamananaina hitako teo ambanin’ny Andriamanitry ny Israely teo amoron’ny ony Kebara; ary fantatro fa kerobima ireo.
21
Samy nanana tarehy efatra avy izy sady samy nanana elatra efatra avy koa; ary nisy zavatra toy ny tanan’olona teo ambanin’ny elany.
22
Ary ny tarehiny dia nitovy tamin’ilay hitako teo amoron’ny ony Kebara ihany, dia ny endriny sy ny tenany. Ary ny hitsin’ny tavany no nalehany.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48