bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ezekiel 5
Ezekiel 5
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 6 →
1
Ary ianao, ry zanak’olona, makà sabatra maranitra ka ampiasao toy ny harezan’ny mpanala volombava izany, dia anarato ny lohanao sy ny somotrao, ary makà mizana dia zarao ny volo.
2
Ny ampahatelony dia doroy amin’ny afo ao an-tanàna rehefa tapitra ny andron’ny fahirano; alao koa ny ampahatelony ka asio ny sabatra manodidina ny tanàna; ary ny ampahatelony sisa dia aelezo eny amin’ny rivotra; ary hanatsoaka sabatra ho enti-manenjika azy Aho.
3
Ary analao vitsivitsy ireo ka fonosy ao amin’ny sisin’akanjonao.
4
Ary ireny indray dia mbola analao koa ka atsipazo ao anaty afo izany dia doroy ao. Hisy afo hivoaka avy aminy ho amin’ny taranak’Israely rehetra.
5
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Ity Jerosalema ity dia nataoko eo afovoan’ny Jentilisa ka voahodidin’ireny tany ireny izy.
6
Nanao ditra tsy nanaraka ny fitsipiko sy ny didiko izy, fa nanao izay ratsy mihoatra noho ny Jentilisa sy ny tany manodidina azy; eny, nandà ny fitsipiko sy ny didiko izy ka tsy nandeha araka izany.
7
Koa izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Satria ianareo dia nitabataba mihoatra noho ny firenena manodidina anareo ka tsy nandeha araka ny didiko na nanaraka ny fitsipiko sady tsy nanaraka ny fitsipiky ny firenena izay manodidina anareo aza,
8
dia izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Indro, Izaho dia Izaho no manohitra anao ka hanao fitsarana eo aminao eo imason’ny Jentilisa.
9
Noho ny fahavetavetanao rehetra dia hataoko aminao izay tsy mbola nataoko, sady tsy hataoko tahaka izany intsony.
10
Koa ny ray dia hihinana ny zanany eo aminao, ary ny zanaka kosa hihinana ny rainy. Hanao fitsarana eo aminao Aho, koa izay sisa rehetra aminao dia haeliko eny amin’ny rivotra rehetra.
11
Eny, raha velona koa Aho, hoy NY TOMPO Andriamanitra, noho ny nandotoanao ny fitoerako masina tamin’ny zavatra maharikorikonao rehetra sy tamin’ny fahavetavetanao rehetra, Izaho kosa dia hanary ka tsy hiantra anao ny masoko; eny, tsy hamindra fo Aho.
12
Ny ampahatelony eo aminao dia ho fatin’ny areti-mandringana na ho ringan’ny mosary eo aminao; ary ny ampahatelony dia ho lavon’ny sabatra manodidina anao; ary ny ampahatelony sisa dia haeliko eny amin’ny rivotra rehetra; ary hanatsoaka sabatra hoentiko manenjika azy Aho.
13
Ary ho tanteraka amin’izany ny fahatezerako, sady hampariko aminy ny fahatezerako ka hamaly faty Aho; dia ho fantany fa Izaho TOMPO no niteny izany tamin’ny fahasaro-piaroko, rehefa notanterahiko taminy ny fahatezerako.
14
Ary hataoko lao ka ho fandatsa eny amin’ny firenena izay manodidina anao ianao eo imason’izay rehetra mandalo.
15
Koa ho latsa, fitenenan-dratsy, famaizana sy figagana amin’ny Jentilisa manodidina ianao, rehefa manao fitsarana aminao Aho, amin’ny fahatezerana sy ny fahavinirana ary amin’ny fananarana mafy. Izaho TOMPO no niteny izany;
16
rehefa alefako ho fandringanana azy ny mosary dia zana-tsipìka ratsy halefako handringana anareo izany sady hampitomboiko ny mosary eo aminareo ka hotapahiko ny mofonareo izay tohan’aina.
17
Dia handefasako mosary sy biby masiaka eo aminareo ka hahalany fara anareo izany; handroso eo aminao ny areti-mandringana sy ny fandatsahan-dra, ary hataoko mihatra aminao ny sabatra. Izaho TOMPO no niteny izany.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48