bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ezekiel 31
Ezekiel 31
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 30
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 32 →
1
Tamin’ny andro voalohany tamin’ny volana fahatelo, tamin’ny taona fahiraika amby folo dia tonga tamiko ny tenin’NY TOMPO hoe:
2
Ry zanak’olona, lazao amin’i Farao mpanjakan’i Ejipta sy amin’ny vahoakany marobe hoe: Tahaka an’iza moa ianao amin’ny fahalehibiazanao?
3
Indro, i Asiria dia sedera tsara rantsana any Libanona, misandrahaka manalokaloka sady mijoroaka avo ka mitehika amin’ny rahona matevina ny tendrony.
4
Ny rano no nahalehibe azy, eny, ny rano any amin’ny lalina no nampijoroaka azy, ary ny ranovelona no nandeha manodidina ny tany nambolena azy ka nampandeha ny lakandranony hankany amin’ny hazo rehetra any an-tsaha.
5
Koa nisandratra ho avo noho ny hazo rehetra any an-tsaha izy, ary nihamaro ny sampany sady nihalava ny rantsany noho ny habetsahan’ny rano tamin’ny fisandrahany.
6
Teo amin’ny sampany no nanaovan’ny voromanidina rehetra akany ary teo ambanin’ny rantsany no niterahan’ny bibidia rehetra, sady teo amin’ny alokalony no nitoeran’ny firenena marobe.
7
Koa tsara tarehy tamin’ny fahalehibiazany sy ny halavan’ny sampany izy, fa tany amin’ny rano maro ny vahany.
8
Tsy nahatakona azy ny sedera tao amin’ny sahan’Andriamanitra; tsy mba nahatoraka ny sampany ny hazo kipreso, tsy mba nanana rantsana tahaka azy ny hazo platana; tsy nisy tsara tarehy tahaka azy ny hazo rehetra tany amin’ny sahan’Andriamanitra.
9
Nohatsaraiko tamin’ny haben’ny rantsany ny tarehiny ka nialona azy ny hazo rehetra tany Edena, dia ireo tany amin’ny sahan’Andriamanitra.
10
Koa izany no nitenenan’NY TOMPO Andriamanitra hoe: Satria nisandratra avo ianao ka nanandratra ny lohanao teo amin’ny rahona matevina, ary nirehareha ny fonao noho ny haavony,
11
dia hatolotro eo an-tanan’ilay mahery amin’ny firenena ianao; hamely anao tokoa io; noho ny faharatsianao no nandroahako anao.
12
Izay fahavalo masiaka indrindra amin’ny firenena no nanapaka azy sady nanary azy; ary dia nihahaka teny an-tendrombohitra sy lohasaha rehetra teny ny sampany, ary notapatapahina teny amoron’ny ony rehetra amin’ny tany ny rantsany; dia nidina niala tamin’ny alokalony ny firenena rehetra ka nahafoy azy.
13
Mipetraka eo amin’ny vatany nianjera ny voromanidina rehetra ary eny amin’ny sampany ny bibidia rehetra
14
mba tsy hisy hiavonavona intsony noho ny haavony ny hazo rehetra eny amoron’ny rano, na hanandratra ny lohany ho eo amin’ny rahona matevina sady tsy hisy hitoky amin’ny haavony intsony ny hazo mifo-drano rehetra. Fa voatolotra ho faty ho any ambanin’ny tany izy rehetra, ho any amin’ny zanak’olombelona, dia any amin’izay midina any an-davaka.
15
Izao no lazain’NY TOMPO Andriamanitra: Tamin’ny andro nidinany ho any amin’ny fitoeran’ny maty dia nampanao fisaonana Aho: Nanarona ny rano any amin’ny lalina noho ny aminy Aho sady nanampina ny ony avy aminy ka nijanona ny ranobe; nampisaoniko i Libanona noho ny aminy ka nalazo noho izany ny hazo rehetra tany an-tsaha.
16
Tamin’ny fiezinezin’ny fianjerany dia nampihorohoroiko ny firenena rehefa nampidiniko ho any amin’ny fitoeran’ny maty izy ho naman’izay midina any an-davaka; ary ny hazo rehetra any Edena, dia ny notsongaina sady soa indrindra any Libanona, izay mifo-drano rehetra, dia samy nampionona ny tenany any ambanin’ny tany.
17
Ireo koa dia niara-nidina taminy ho any amin’ny fitoeran’ny maty ho any amin’izay voatrabaky ny sabatra, mbamin’ireo izay nianteherany ka nipetraka teo ambanin’ny alokalony teo amin’ny firenena.
18
Tahaka an’iza amin’ny hazo any Edena moa ianao amin’izao voninahitra sy fahalehibiazana izao? Hampidinina ho any ambanin’ny tany miaraka amin’ny hazo any Edena ianao. Eo amin’ny tsy voafora no hiamparanao, dia eo amin’izay voatrabaky ny sabatra. I Farao sy ny vahoakany marobe rehetra izany, hoy NY TOMPO Andriamanitra.
← Chapter 30
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 43
Chapter 44
Chapter 45
Chapter 46
Chapter 47
Chapter 48
Chapter 32 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42
43
44
45
46
47
48